Intsiao | : | t.p.: Tenim-piontanana fiteny raha mahita zazakely mahafatifaty, ohatra.
Ahitsio |
Intsivy | : | p. mt.: Enti-milaza fiverenan-javatra na asa imbalo ampiana indray mandeha. i t.if•: Manintsivy, fanintsiviny.
Ahitsio |
Intsony | : | na Intsotry p. mt.: Miaraka amin'ny "tsy" mandrakariva (tsy...intsony) entimilaza zavatra tsy hitohy na hisy famerenana, fa vita tapitra hatreo: Nivoadivoady Ra-koto fa tsy hiteny imasombahoaka intsony.
Ahitsio |
Intsy | : | p.mt.: Manondro sy ma nolotra tahaka ny "Int?", saingy enti-milaza olona na zavatra hita etsy akaikikaiky etsy: Intsy misy sary novidiko ho anao. / Intsy ny satrokao.
Ahitsio |
Inty | : | p. mt,: Enti-milaza zavatra eny an-tanana ka tondroina amin'olona itenenana: Inty ny satrokao. • Enti-milaza zavatra na olona aseho eo no ho eo amin'olona itenenana: Inty misy hira kely iray tolotro ho an'i Neny.
Ahitsio |
Iny | : | p.mdr na s.mdr.: Enti-manondro olona na zavatra tokana lavitra dia lavitra, zara raha tua-maso: Handalo any amintsika mantsy izao iny vorona iny. Matetika koa anefa ny iny dia enti-manondro zavatra akaiky eny an-tanan'ilay olona itenenana mihitsy: Omeo ahy kely aza fady iny boky aminao iny.
Ahitsio |
Io | : | p. mdr. na s. mdr.: Enti-manondro akaiky nefs tsy voafaritra tsars ny halavitany: Tsy tiako io sary io, Omeo azy io raha tian y. logoslavy (fr. Yougoslave) a: Ny firenena na tompon-tany any amin'ny tanin'i logoslavia: I Belgrady no renivohitry ny Iogoslauy. ? p.t.: Momba an'i Iogoslavia, an'i Iogoslavia na avy any Iogoslavia: Repoblika enina no miforona ho fanjakana logoslavy. lombonana (ombona) mt.pt. (10m bony): Iarahana manao: lombonanay telo tonta ny varotra ataonay. 1 Ikamba nana manana: lombonanay Tito mianadahy ity trano
Ahitsio |
Ira | : | a: Landy voafoly voantsody, izany hoe efa nahodidina ny tolotra ka mby efa hatao amin'ny fantaka. - t.i.f.: Aira, voaira 1 manira, fanira, mpanira 1 aniràna, faniràna 1 mifanira I mahira.
Ahitsio |
Irà | : | na Erà a.: Toerana avo iavian'ny rano amin'ny renirano (mifanohitra amin'ny a-va): Tany irà ilay amboadia no nisotro, ary tany ava ilay zanak'ondry, kanefa dia ilay zanak'ondry indray no nolazainy fa nandoto ny rano noso tro in y.
Ahitsio |
Irahina | : | (iraka) mt.ih. (iraho): Alefa hitondra iraka na hanao asa iray: Ikoto no nira hina ho any amin-dry dadatoa / Iza no nirahina haka Dokotera? 1 Tendrena, orne-na fahefana: Nirahin'ny fanjakana at? amintsika izy.
Ahitsio |
Iraika | : | p. L: Mitovy amin'ny "iray" ihany, saingy fampiasa rehefa miaraka amin'ny isa hafa izay mitohy aminy amin'ny alalan'ny "ambin' ny", "amby": Iraika ambin' ny folo. / Iraika amby zato.
Ahitsio |
Iraimbilanja | : | a.: Anaram-bola izay ampahadimin'ny ariary na ilavoamena folo ny sandany: Iraimbilanja telo no sikajy dimy.
Ahitsio |
Iraizodafy | : | a.: Efadafy manana lafy roa iraizotra. Fototra no ilazana ireo lafy iraizotra ireo.
Ahitsio |
Iraizopototra | : | a.: Velarana efadafy ka ny lafy roa iraizotra.
Ahitsio |
Iraizotongotra | : | a.: Karazana goba izay ny fotony mety ho telolafy na efadafy na dimilafy,..
Ahitsio |
Iraizotra | : | a.: Ny tsipika roa mitovy elanelana hatrany.
Ahitsio |
Iraka | : | a.: Olona alefa amin'ny toerana iray mba hitondra teny na haka zavatra na olona, na handamin-draharaha: Iraka mahatoky no nampitondrainy hafatra i tif: Irahina, voairaka / maniraka, fanixaka, mpaniraka / anirahana, fanirahana 1 maha-iraka I irakiraka.
Ahitsio |
Iràna | : | (ira) a.: Foly eran'ny volotara na tolotra, izany hoe ireo tapaka bararata anodidinana ny landy voafoly ka izay mahafeno ny iray amin' ireny tapaka bararata ireny no atao hoe iràna.
Ahitsio |
Iray | : | p.i.: Tokana: Misy trano iray er? an-tampon-kavoana er?. it t.i.f.: Miray, fixay, mpiray 1 iraisana, firaisana I mahairay / irairay I anankiray.
Ahitsio |
Ireny | : | p.mdr. na s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro; ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' ny tondroin'ny ft. niaviany "iny": Mba hananako, hono, ny elatr'ireny vorona manidina ireny!
Ahitsio |