Kolonely | : | (fr, colonel) a.: Manamboninahitra ambony amin'ny tafika an-tanety sy a-na habakabaka, ambany manarakaraka ny Jeneraly ary ambony noho ny Lietnà Kolonely; mitovy fahamboniana amin'ny Capitaine de vaisseau amin'ny tafika andranomasina (jar, Grady).
Ahitsio |
Kolongozy | : | Mitovy amin'ny Kolingozy.
Ahitsio |
Kolosy | : | Jer. Kilosy.
Ahitsio |
Koly | : | Kolikoly a: Tambitamby misy hafetsena, fanaovana izay hahafaly mba hanambakana. • Vola omena mpiasam-panjakana ivelan'ny karamany mbahanambatamtiazana azy hanao zavatra ho an'ny tena manokana: Nandray kolikoly indray Rakoto. ¶ M. h.: Tsolotra, gaina, kojikojy, kejokejo, totohondry vola, sisi-bola. i t i, f : Kolikolena, akolikoly, voakolikoly / manakolikoly, fanakolikoly, mpanakolikoly / anolikolena, fanolikolena I mahakolikoly.
Ahitsio |
Komahay | : | a.: Firaisan-tetika hanambaka na hanao halatra madinika.
Ahitsio |
Komalasitra | : | p. t.: Enti-milaza lalana madiodio, nolamairia tsy hisy ahitra.
Ahitsio |
Komama | : | p. t.: Matanjaka, mahery sady masiaka.
Ahitsio |
Komandà | : | (fr, commandant) a.: Am baratongam-p ahamboniana na gradin'ny manamboninahitra amin'ny tafika an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Kapiteny izay ambaniny sy ny Lietnà-Kolonely izay amboniny; mitovy fahamboniana amin'ny Capitaine de corvette amin' ny tafika an-dranomasina (jer, Grady).
Ahitsio |
Komandy | : | a.: Governora mpitondra faritany iray lehibe tamin'ny tany gasy fahizay, mitovitovy amin'ny lehiben' ny faritany ankehitriny.
Ahitsio |
Komanga | : | a: Hazo lehibe mahatratra hatramin'ny 30 m ny halavany, fahita any amin'ny faritany avaratra andrefana ary amin'ny faritra manakaiky ny ranomasina. Ny komanga dia hazo misy poizina mahery amin'ny tenany manontolo, ary na dia ny fofona mivoaka avy amin' ny voniny aza — izay manitra fa mahery — dia malady mandray any an-doha ka mahajenjina, mampandoa ary mampandeha ran'orona.
Ahitsio |
Komarioke | : | (Ski) a.: Volon' omby mainty na mena misy tsipika fotsy mivolantsinana eo amin'ny handriny.
Ahitsio |
Komatry | : | p.t: Mafy andrahoina,
Ahitsio |
Kombarika | : | a: Hazo atao amin'ny rindrina toy ny talantalana mba hahafahana mandalotra na mianika; matetika koa anefa dia ny lavaka itsofohan'io hazo io amin'ny rindrina no maro mpanao hoe kombarika, na dia efa manana ny anarany aza io, dia ny hoe "lava-kombarika".
Ahitsio |
Kombina | : | (komby) mt. ih. (kombio): Takonana, afenina; atao ao anaty komby.
Ahitsio |
Kombona | : | a: Sarona, katona. i t. t f.: Akombona, voakombona, tafakombona 1 manakombona, fanakombona, mpanakombona / anakombonana, fanakombonana I mikombona, fikombona, mplkombona 1 ikombonana, fikombonana 1 mahakombona 1 kombokombona.
Ahitsio |
Komby | : | a.: Efi-pandrian'ny vehivavy tera-bao fahizay, izay voafefy tsihy tamin'ny lafiny efatra ary misy tohoka afo hanafana azy. 1 Takoboka tsihy voazaitra fanao amin' ny filanjam-behivavy. - t.i.f.: Kombina, kombiana, akomby, voakomby, kinomby / mikomby, fikombY 1 1-kombiana, fikombiana I mahakomby f kombikomby.
Ahitsio |
Komity | : | (fr. comité) a.: Antokon'olona vitsivitsy notendrena hiara-mihevi-draharaha na handinika toe-javatra iray. ¶ M.h.: Vaomiera.
Ahitsio |
Komohina | : | p. t.: Mpanankarembe, mpanefohefo, tremalahy: Olona komohina ireny tsy or'rn'inona na inona
Ahitsio |
Komokoro | : | (fit.-p.) a: Kisoa, lambo.
Ahitsio |
Komonisma | : | (fr. communisme) a: Fitantanan-karena mifototra amin'ny sosialisma, saingy manan-tombo aminy noho ireto zavatra telo loha ireto: fanafoanana ny fananan-javatra an'ny tena samy irery, fandravonana ny harena amam-pananan'ny olona rehetra, ary fandavana ny fisian'Andriamanitra sy fitsipahana ny fivavahana, izay lazaina ho zava-mahadoroka ny olona tsy iheverany ny mahasoa azy et? an-tany.
Ahitsio |