Kamara | : | p. t.: Maramara soratra (enti-milaza ny tanalahy).
Ahitsio |
Kamarabe | : | a: Anarana ilazana ny tanavavy rehefa antitrantitra, ka masiaka velona izy amin'izay.
Ahitsio |
Kamaratsaka | : | (t. tr.) a: Varotra patsa, toho, sira, sns...
Ahitsio |
Kamasina | : | a: Karazan'anana. Kamavo: Jer. Kimavo. Kamba ppt.: Ilazana zavatra na hevitra mifanohitra, mitovy amin'ny hoe "kanjo".
Ahitsio |
Kambana | : | a: Zaza roa, na mihoatra, indray aterak'olona anankiray: Nanao kam bantelo Rasoa ~ p. t.: Indray naterak'olona iray: Kambana izy roa ireny. - t.i.f.: Akambana, voakambana, tafakambana I manakambana, fanakambana, mpanakambana / anakambanana, fanakambanana / mikambana, fikambana, mpikambana / ikambanana, fikambanana 1 mahakambana /kambakambana. * Ohab.: Aza atositosika ny ondry botry, fa tsy fantatra izay hanao kambana: aoka tsy hanao tsinontsinona ny kely sy ny madinika famety ho izy ireny aza no hahitantsoa.
Ahitsio |
Kambanteny | : | a.: Teny roa na mihoatra nakambana hilazana hevitra na sokazin-javatra iray: Valalatsimandadiharona, uiliantsahona.
Ahitsio |
Kambavy | : | a: Entina milaza ny biby vavy, toy ny tana na ny hala.
Ahitsio |
Kambiaoma | : | (fr. cambium) a: Faritra mampitombo ny vatan-kazo, anelanelan'ny tapotsiny sy ny hodi-maleminy.
Ahitsio |
Kambina | : | a.: Tenan-javatra miraikitra amin'iray hafa.
Ahitsio |
Kambo | : | a: Nofo kely mivohitra maniry amin'ny hoditra. + t.i.f.: Kamboina.
Ahitsio |
Kamboina | : | (kambo) p.t.: Misy na maniry kambo.
Ahitsio |
Kambontenda | : | a.: Nofo kely roa an-kila sy an-danin'ny amboakelintenda, izay mety hivonto ka miteraka kohakohaka matetika indrindra ho an'ny anldzy, aretin-tenda, sns.; amin'izay dia ny fanalana azy pmin'ny fandidiana no tsara hatao. —(
Ahitsio |
Kambontsinay | : | a.: Kambo lava-lava mivohitra eo amin'ny tendron'ny tsinaibe, izay poaka aty ka ifatraran'ny zavajavatra madinika ary mety hiteraka fanaintainana mafy; ny fanesorana azy no tokony hatao amin'izay.
Ahitsio |
Kamboty | : | a sady p.t: Maty ray sy reny na ny iray amin' ireo. ? h.i.: Entina milaza ny oriory sy osaosa ara-pivelomana. 1 tif: Mikamboty, fikamboty, mpikamboty J ikambotiana, fikambotiana J mahakamboty I kambotimboty / fahakambotiana. - F-p,: Kambotim-bola aman-karena: mahantra arabola fa manan-tany na zavatra hafa mety hahazoam-bola. / Kamboty oelon-dreny: zaza maty ray fa ny reniny mbola velona; (ny zazamaty reny mbola kely kosa dia a-tao hoe somony). / Mangahazo kamboty: enti-milaza ny mangahazo maniry izay nofolonana na maina ny tahony. / Tsy kamboty kely fa kamboty lehibe: ilazana ny zaza efa lehibe vao kamboty; — na ny olona mahalala ny lovantsofina navelan'ny razana. ¶ M.h.: Somony, maty dovy, asorotany tsy satry, lasa olo-malala, folaka andry niankinana, toro vato nandiavana, maty kiady sy voninahitra, resy olo-narahina, resy tondromaso.
Ahitsio |
Kamenona | : | a.: Fimonomononana mandrakariva; fitarainana tsy misy fitsaharana. - t.i.f.: Kamenonina, voakamenona J mikamenona, fikamenona, mpikamenona / ikamenonana, fikamenonana / mahakamenona / kamenomenona.
Ahitsio |
Kamenonina | : | (kamenona) mt. ih. (kamenony): Enti-milaza ny olona imonomononana: Aza izaho no kamenoninao eo.
Ahitsio |
Kamentsona | : | a.: Fiteny mitsaontsaona tsy misy rindrany; finantsanantsanana fotsiny. ~ t.i f.: Kamentsonina, voakamentsona, tafakamentsona / mikamentsona, fikamentsona, mpikamentsona / ikamentsonana, fikamentsonana / mahakamentsona / kamentsomentsona.
Ahitsio |
Kamentsonina | : | (kamentsona) mt. ih. (kamentsony): Bedesina, anaovana teny be, ikafarana.
Ahitsio |
Kamiao | : | (fr. camion) a: Fiarakodia ngeza fitaterana enta-na.
Ahitsio |
Kamifaoro | : | (fr. camphre) a: Anarana ahalalana koa ny ravintsara, izay akana mena-ka misy fofony manitra fanao fanafody (Cinnamomum camphora).
Ahitsio |