Kihasikasina | : | a: Karazan-kazo.
Ahitsio |
Kihefaka | : | (Btl) a: Randrambolo betsileo mikirazorazo sy mihefakefaka rehefa mamindra.
Ahitsio |
Kihina | : | Jer. Kehina.
Ahitsio |
Kiho | : | a: Ny tendron'ny famavany amin'ny sandry: Voadona ny kihoko ka mangorintsina. ? h.o.: Zorony: A-raho ity lalana ary rehefa lauidauitra dia misy kihondalana. i t.if.: Kihoina, akfho, voakiho, kiniho ) manakiho, fanakiho, mpanakfho I anakihoana, fanakihoana l mahahiko / kihokiho 1 maniho, hakiho. - F.-p.: Kihon-dalana: fivilian-dalana. / Kihon-trano: zoron-trano. / Mandray ny kiho: enti-milaza fahasahiranana na fahavoazana mihatra amin'ny tena. ) Mitehin-kiho: manao ny tanana mitehina amin'ny moja. * Ohab.: Tehin-kiho am-piakarana; tsy haingo fa tohan' aina: enti-milaza ny olona toa mampidera bika amin'ny fihetsiny, nefa hakingana no anaovany an'io fa mba tsy hisehoany hoe sasatra.
Ahitsio |
Kihohoka | : | (Btl) a.: Randrambolo betsileo mivadika.
Ahitsio |
Kihoina | : | (kiho) mt. ih. (kihoy): Donina amin'ny kiho: Aza kihoinao aho.
Ahitsio |
Kija | : | a: Orana tsy misy fiatoana. • h.o.: Sampona manakana i t.L f : Akija, voakija ) mikija, fikija 1 ikijana, fikijana 1 mahakija I kijakija.
Ahitsio |
Kijakija | : | a.: Fikarakarana kaonty madinidinika ivelan'ny kaonty lehibe, kojakoja.
Ahitsio |
Kijana | : | a: Toerana midadasika feno ahitra firaofan'ny omby any an'efitra: "Akanga saraky ny ala anie aho ka misento ny alan-tapia... Zanak'omby lavi-kijana, anaty toerana manauia.." (Fredy Rajaofera).
Ahitsio |
Kijanajanaka | : | a.: Lalao ataon' ny ankizy amin'ny sariolona kely na saribakoly izay lazainy fa zanany, ka babeny sy trotroiny. Indraindray koa ilay sariolona kely na saribakoly mihitsy.
Ahitsio |
Kijeja | : | a.: Zana-balala vao foy ary manao dia be. ? h.o.: Enti-milaza koa ny zaza madinika maromaro tafaraka.
Ahitsio |
Kijitika | : | p. t.: Kely bolitika.
Ahitsio |
Kikikiky | : | a.: Hehy foana, kanikany tsy misy antony. - t.i.f.: MikikikikY, fikikikiky, mpikikikiky 1 ikikikikiana, fikikikikiana 1 mahakikikiky.
Ahitsio |
Kikimatso | : | a: Ilazana ny fandehan'ny miaramila milahatra rehefa mahazo baiko ha-mincira haingana.
Ahitsio |
Kikirina | : | (kikitra) mt. ih. (kikiro): Tsitsina.
Ahitsio |
Kikisana | : | (kiky) mt ih. (kikiso): Hanina amin'ny fanalana tsikelikely amin'ny nify ny nofon-kena miraikitra amin'ny taolana: Nokikisan' ny alika ilay taokrna natsipinao tao. ~ Lanina, kepohina: Nokikisan'ny mpandova ny fananan-dRabe. ? Diovina amin'ny fanalana ny loto miraikitra: Nokikisan'ny ankizy ny latabatra 1 Alana ny hodi-menan'ny mangahazo na ny kiran'ny trondro: Kikisana ny mangahazo. / Kikiso ireto trondro ireto.
Ahitsio |
Kikitra | : | a: Filofosana amimpaharetana amin'ny asa na izay atao; fiezahana hatrany ary tsy kivy. i ti.f: Kikirina, akikitra, voakikitra, tafakikitra I mikikitra, fikildtra, mpikikitra I ikikirana, fikikirana 1 mahakikitra 1 kikikikitra 1 makikitra.
Ahitsio |
Kikoe | : | (Ski) a: Lamba fotsy misy soratra mainty na me-na telo manaraka ny sisiny.
Ahitsio |
Kiky | : | a : Fikaohana mba hampahanify, fanadiovana mba hanalana ireo miraikidraikitra amin-javatra diovina. 6 t.if•: Kikisana, akiky,voakfky, kiniky / manakiky, fanakiky, mpanakiky / anakikisana, fanakikisana 1 mildky, fildky, mpikiky ) ikikisana, fikikisana / mahakikY 1 kikikiky / makiky.
Ahitsio |
Kila | : | p.t.: May, voadoro: Kilo ny trano dimy tao an-tanàna, ? Voatono: Nodoran' ny olona ny bozaka tany antanety ka kilo ireo ualalauao nandry teny. - t.i.f.: Kilaina, voakila, kinila 1 manakila, fanakila, mpanakila I anakilana, fanakilana / mahakila, kilakila.
Ahitsio |