Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kirikiritiny: p. t,: Enti-milaza ny volondoha fohy, ngita ary ringitra. Ahitsio
Kiriminy: (Atk) a.: Karazambary madini-boa fotsy sy matsiro fahita any amin'ny faritanin'Antsiranana (Oryza sativa L. ). Ahitsio
Kirina: (kiry) p.t.: Tsy mety miova amin'ny heviny fa mitana izany amin-ditra: Lehilahy kirina Rakoto ka tsy azo ahodina amin'ny heviny. ¶ M.h.: Be ditra, mafy hatoka, mafy sofina, be tohika, be bohihy, botraika, tsy azo atao ahoana amin' ahoana, mikiribiby, mitomp o teny fantatra, mikitroka. Ahitsio
Kirindro: p.: Toetran'ny hazo maniry mifanosontsosona tsy misy elanelany, matevina, mikitroka. - t.i.f.: Akfrindro, tafakirindro / mikirindro, fikixkrdro, mpikirhrdro I ikirindroana, fikirindroana. Ahitsio
Kiringy: a: Anarana nomena ny mponina avy any La Ré-union, angamba noho ny toe-bolon'ny ankabeazan'izy ireo, izay fohy no ngitangita kely. ¶ M. h.: Kiriolona. Ahitsio
Kirintsana: Jar. Korintsana. Ahitsio
Kiriodanitra: a: Karazam-borona. Ahitsio
Kirioka: (Btl) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby mahitsy fa kely rirana ary fahita amin'ny omby tsy dia araka ny izy ny halehiben'ny lohany. Ahitsio
Kiriolona: (fr. créole) a: Vazaha fotsy hoditra tendra tany amin'ireo tany nozanahin'ny ray aman-dreniny fahizay. 1 Safitra zanaky ny Vazaha sy ny tompontany, mainty na zarazara h oditra Ahitsio
Kiripidahy: Kiripikala a: Ka-raz an- kaz o madinika. Ahitsio
Kiripika: a: Fanenon'ny vorona sasantsasany, toy ny tsipiritikala. Ahitsio
Kirirarira: Mitovy amin'ny Korira. Ahitsio
Kiririohina: (kiririoka) mt ih. (kiririohy): Ikiakiavana: Aza kiririohina toy izany ny sofiko sao lasa marenina. Ahitsio
Kiririoka: a.: Fanenon'ny angely. ? Feo mikarantsana sy mafy ary lavareny. ? Tsotsbka kely. - t.i.f•: Kiririohina, akiririoka, voakiririoka 1 manakiririoka, fanakiririoka, mpanakixirioka / anakiririohana, fanakirixiohana / mikirixioka, fikiririoka, mpikiririoka / ikiririohana, fikiririohana / mahakiririoka. Ahitsio
Kiritika: p.t: Bitika, kitika kely. Ahitsio
Kirivorona: a. : Sarindokotra. Ahitsio
Kirobo: a.: Anaram-bola malagasy ampahefatry ny ariary, izany hoe iraimbilanja sy vo-amena (1,20F). (Tsarahotsahivina fa ny ariary fahizay dia 4,80F; koa ny kirobo vazaha, izay ampahefatry ny ariary vazaha (5,00F) dia 1, 25. Ireto avy ny anarambola nidiran'ny teny hoe kirobo: lasiray sy kirobo 1,50F; kirobo sy voamena 1,40F; kirobo telo 3,60F; uenty sy kirobo 2,00F). Ahitsio
Kirombo: a : Anaram-borona. Ahitsio
Kirongo: na Korongo (Mer sy Br), na Korongona (Btl) p.t.: Enti-milaza karazan-tandrok' omby miendri-bolantsinana, izany hoe boribory tsara ary mifanatona ny tendrony sy ny fotony: Ohab.: Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana (jar. Baka). Ahitsio
Kiropaka: Jer. Koropaka. Kirotya: Anaram-borona. Ahitsio