Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Koikoy: a: Karazan-damba nampidirin'ny Arabo teto. Ahitsio
Koinkoina: a: Tarama, toloko, kafara, moimoy, ferinaina. 1 tif: Mikoinkoina, fikoinkoina, mpikoinkoina f ikoinkoinana, fikoinkoinana 1 mahakoinkoy. Ahitsio
Koja: Kojakoja a: Fitandremana manokana atao amin' ny zavatra, mitovy arnin'ny hoe karakara, saingy ampiasaina kokoa kosa raha zavatra madinika no tenenina na fikarakarana amin'ny lafiny madinidinika: Ianao no hiandraikitra ny kojakojan-tokantrano. ? Andinindininy: Tsy ho haiko ny hilaza izao kojakojany rehetra izao. - t.i.f.: Kojakojaina, voakojakoja, kinojakoja J mikojakoja, fikojakoja, mpikojakoja / ikojakojana, fikojakojana / mahakojakoja. Ahitsio
Kojakojaina: (kojakoja) mtih. (kojakojao): Karakaraina, tandremana fatratra: Kojakojainy tsara ny azy ny fitafiany. Ahitsio
Kojeja: Jer. Kijeja. Ahitsio
Kojena: (kojy) mt.ih. (kojeo): Tarihina (hanao ratsy), kolikolena, angolena. Ahitsio
Kojy: a: Zavatra na teny fampanantenana entina manolikoly ny sasany na hitarihana azy hanao ratsy. i tif: Kojena, akojy, voakojy, kinojy / manakojy, fanakojY, mpanakojy / anakojena, fanakojena / mahakojy / kojikojy. Ahitsio
Koka: a.: Antso. - t.i.f.: Mikoka. Ahitsio
Koko: a: Fihasimban'ny teny hoe kohokoho. Ahitsio
Kôkô: a.: Voan'ny voanio. Ahitsio
Koko: a.: Ny hanina sisa tafaraikitra amin'ny vody vilany, kikim-bilany. Ahitsio
Kokoa: p.mt.: Teny atao eo aorian'ny p.t.: entinamampitaha ka milaza fihoarana (raha lazaina ny teny faharoa amin'ny fampitahana, dia asiana ny teny hoe noho eo alohany: Mafy ny vato fa mafy kokoa ny uy, / Mamy kokoa ny tantely noho ny akondro. Ahitsio
Kokoina: Mitovy amin'ny Tsikokoina (jar. io teny io). Ahitsio
Kokokoko: a.: Fahasahiranana, fahoriana, fahantrana. - t.i.f,: Mikokokoko,fikokokoko, mpikokokoko ) ikokokokoana, fikokokokoana. Ahitsio
Kokolampo: a: Karazan'olondia, iray karazana amin'ny Kalanoro sy Kotokely, saingy misy fanahy ratsy sy sompatra ao aminy, araka ny finoan'ny foko sasany; fa tsara sy manasoa olona kosa araka ny finoan'ny foko hafa. Ahitsio
Kokomojamanitra: (Ath) a.: Karazam-bary fambolin'ny olona any amin'ny faritanin' Antsiranana. Ahitsio
Kokotra: Jar. Kikitra. Ahitsio
Kolafa: Kalafa a.: Tsirim-bero; kolokolom-bero. Ahitsio
Kolakola: a.: Anaram-bibikely karazana voangory. Ahitsio
Koleda: Koledaka: Jer. Goleda. Ahitsio