Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lambirana: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Lambo: a: Kisoa dia: Mihaza lambo. - F.-p,: Lambo resy naLamboresy: ny kisoa. J Lambo sira: henan-kisoa nalona tao anaty sira. / Lambo tsy man-dry: raharaha mbola tsy tapaka, mbola tsy vitre / Manao lambo manoha-dia: mifaninana amin'ny Inhibe na ambony noho ny tena (ny tena fiteny tany an-tendrony dia hoe: manao lambo manoha-dia an-drainy). / Tsy am-boa tsy lambo: tokana irery tsy mana-namana. J Fadindambo amin'amboa: ilazana ireo fady faran'izay mafy. J Tsy amboa tsy lambo: ilazana ny singan-drery tsy misy mPanampy na miaraka, na dia alika na lambo iray aza / Manome vohon-dambo: Mamitaka. * Ohab.: Lambo soso-nify ka nentim-paharazana: enti-milaza toetra nananana hatry ny ela, nolovana tamin'ny razana. J Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay vaza-mihetsika: mifaly amin'ny kely hita ambara-pahazo izay tadiavina, aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. Ahitsio
Lambo: Lambolambo a.: Fanaovana izay hampahalamalama hialan'ny maraorao; fisafosafoana feno tambitamby. - t.i.f.: Lambolamboin a, voalambolambo lmandanrbolambo, fandambolambo, mpandambolambo / andambolamboana, fandambolamboana 1 mifandambolambo, mampif and ambolambo, mampandambolambo / mahalambolambo. Ahitsio
Lambohenjana: a: Karazan-kazo madinidinika henjana. ? h.o.: Ilazana olona tsy azo folahina. •Vehivavy tombandahy. Ahitsio
Lambolambo: Malambolambo: Jar. Mandin?. Ahitsio
Lambolamboina: (lambolambo) mt ih. (lambolamboy): Lamaina, alana raorao: Nolambolamboiny tsara ny tarehiny. • Safosafoina (amin' ny tanana): Nolambolamboiny tamin'ny tanany ny volon-dohan'ny zanany. •Tambatambazana, tehatehaffna: Lambolamboy kely ny zandrinao fa mitomany. Ahitsio
Lambomiditra: a: Fombandrandram-bolo toy ny randramadfnika ihany amin'ny voalohany, fa atao mifandray daholo kosa ny sori-bolo mifanandrify rehetra ka tsy atao tananivoho izy rehefa vita fa atao doko siffla; ny ankizy matetika no atao lambomiditra Ahitsio
Lambondrano: na Lambondriaka a: Karazam-biby mampinono any anaty rano ka mivelona amin'ny hazandrano; mety hahatratra 1 metatra sy sasany ny halavany. Ahitsio
Lamboresy: a: Anaram-bositra nilazan'ny taloha ny kisoa. Ahitsio
Lamboridy: (fr. la bride) a.: Anja-koditra fihazonana ny soavaly taingenana ka ampiasaina hitarihana azy amin'ny lalana tian-kaleha: Anisan-javatra voafaoka ao anatin'ny hoe lamboridy nyuy sakambauan-tsoaualy ary ny kofehin-damboridy. Ahitsio
Lamesa: (fr. la messe) a.: Fanompoam-pivavahana katolika izay isoronana ny vatana sy ny ran'i Jesoa-Kristy Tom-po ao anatin'ny endriky ny mofo sy ny divay. Ahitsio
Lamika: a.: Enti-milaza ny ratsy, ny hetry botry indrindra amin'ny karazana iray. Ahitsio
Lamina: fandaminan-javatra: Tsara lahatra ny kilalao tamin'ny lanonana 26 Jiona • Firindra, filazan-javatramilamina mifanaraka tsara: Tsy i-laina ny kabary tsara lahatra fa poaka aty. • Fitondran' Andriamanitra na ny vintana mihatra amin'ny olombelona: Izao no lahatra ka atao ahoana? - t.i.f.: Laharana, alahatra, voalahatra, tafalahatralmandahatra, fandahatra, mpandahatra / andaharana, fandaharana / mifandahatra 1 milahatra, filahatra, mpilahatra / ilaharana, filaharana / mitandahatra, fitandahatra, mpitandahatra 1 itandaharana, fitandaharana 1 mahalahatra 1 tandahandahatra. - Kabary tsara lahatra: lahateny efa voaomana ary mirindra fatratra. / Lahapahitra: teny lava na kabary mirehidrehitra atao amin' izay hahafinaritra fotsiny. I Resy lahatra: tsy manan-kolazaina noho ny antony efa mazava niadian-kevitra / Tsy mena- milahatra: ilazanaireo afa-boninahitra, nefa mbola misolantsolana milahatra miaraka amin'ny olona manankaja. / Mandresy lahatra: mahatonga ny ankilany ho resy lahatra. Ahitsio
Lamina: a: Fanaovana izay hisian'ny firindrana, ny fiezahana sy fanaovana izay tsy hahitana korontana; fikarakarana mba ho amin'ny toerany avy ny zavatra. - t.i.f.: Alamina, voalamina,' tafalaminal mandamhia, f andamina, mpandamina f andaminana, fandaminana f mifandamina, mampifandamina, mampandamina I milamina, filamina, mpilamina 1 mahalamina 1 lamfndamina. Ahitsio
Laminina: (lamina) mi ih, (lamino): macomtry Alamina, atao amimpilaminana ka maka mora tsara. Ahitsio
Lamisy: (fr. la mèche) a.: Fia sana fandoahana hazo na vato: Ny lamisy dia misy vatany azo ahodin-tanana, ka rehefa ahodina io, misy uy kely maranitra, atao hoe zanadamisy, mihamilentika hatrany mandoaka ny hazo. Ahitsio
Lamizeny: (Ski) a: Lay lehibe amin'ny andrin'ny botry aloha. Ahitsio
Lamo: (Ski) a: Fangaroanaza vatra hafa ny volamena na ny volafotsy raha tefena. Ahitsio
Lamody: (fr. la mode) a.: Fomba amam-pitafiana miserana ihany mifanaraka amin'ny a taon'ny olona mandritra ny vanfm-potoana iray: Ny volo lava teo alohaloha no lamady ho an'ny touolahy, ary ny zipo fohy ho an'ny touovavy. /Manara-damody. lMpiuarotra lamody. Ahitsio
Lamohina: (lamoka) mt ih. (lamohy): Vokisana, bobohana: Lamohy tsara amin'ny vomanga ireo kisoa ireo hatavy. • Lanahina, trotrahina: Nolamohin'ny hasasarana a-ho ka vao tonga dia nidaboka natory. Ahitsio