Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lamoka: p. t : Lao, leony, mamo, vols-y: Nihinana menaka be i Lita kely ka lamoka i t i, f.: Lamohina, alamoka, voalamoka I mandamoka, fandamoka, mpandamoka / andamohana, fandamohana / milamoka / lamodamoka. Ahitsio
Lamôka: a: Atody nakotrika ka tsy foy. é t.i.?.: Mandamoka, fandamoka, mpandamoka. * Ohab.: Mainka izany raha foy, lamokany aza mikiakiaka: enti-milaza ireo olona be avonavona, nefa tsy lasa ambony manao ahoana.¶M.h,: Mainka izany raha ParasilY, ravin-katsaka aza mikasoka; mainka izany raha ranomasina ranom-potaka aza manonja. Ahitsio
Lamosina: a: Ny faritry ny vatana mifamaly any ivoho amin'ny tratra sy ny kibo:Misy marary ato amin'ny lamosiko ato. - F.-p.: Fola-damosina: entinrilaza ny ray aman-dreny vizana amin'ny fibabena ny zanany. 1 h.i: Reraka noho ny raharaha mafy natao. / Hazondamosina: fitambaran'ny taolana mifampitohitohy manaraka ny lavan'ny lamosina, ka ireo vitsivitsy ambony indrindra atao hoe marozandry. / Tsy manana hazondamosina: tsy manana hevitra ijoroana fa manaraka ny an'ny hala hatrany. / Lakandamosina na lakandranon-damosina na lakandrano fotsiny: ny lempona lavalava midina amin'ny lamosina. / Be lamosina: mivelatra be ny lamosina. / Lava lamosina: ilazana ireo tsy miasa fa miriorio etsy sy eroa fotsiny. / Henoy izany ry hazondamosiko: teny fanaon'ireo be marenina tsy mihaino anatra, sady fatra-paniratsira satria ny lamosiny no asainy mihain o. * Ohab.: Ny kibo tsy mba lamosina: ny tiana holazaina amin'izany dia ny hoe: malemilemy ny kibo fa tsy mba mafy sahala amin'ny lamosina, hany ka tsy mba maharinoana. (Matetika io ohabolana io no tovonana tapany manao hoe: ny tsinay tsy mba vatsy). Ahitsio
Lamoty: a: Hazo madinika be tsilotsilony maniry amin'ny faritany marna any amorontsiraka, manome ilay voa fantatra amin'ny anarana hoe mokonazy. Ahitsio
Lampa: p. t.: Papa: Misy lempa ny saron'ny vata i t.i.f.: Lempaina / milempa. Ahitsio
Lampana: p.t: Jenjina sy fanimpanina, lany hery, noana. Ahitsio
Lampata: (Ski) a: Karazam-bibilavamiforiporitra ao ambany tsihy. Ahitsio
Lampatra: a.: Fandriana mitsotra sy tsy mihetsika (ny hoe ualampatra no fampiasa matetika). 1 t t f.: Alampatra, voalampatra, tafalampatral mandampatra, fandampatra, mpandampatra / andamparana, fandamparana / milampatra / ilamparana, filamparana I mahalampatra 1 lampadampatm. Ahitsio
Lampy: p.t.: Saiky marin-tampona. • ft: Niavian'ireto teny ireto izay hita any amin' ny toerany avy: Solampy, vatolampy, lampihazo, lampivato. Ahitsio
Lamy: Lemilemy (lemy) a: Halefolefo, habodahana, ha-asana: Ny lemin-dRadity no nahazoanaan-dRavorona - t.i.f : Lemena, voalemy I mandemy, fandemy, mpandemy / andemena, fandemena I manalemy, fanalemy, mpanalemy I analemena, fanalemena 1 mankalemy I mihalemy I mahalemy I malemy / halemy, fahalemy, halemena, fahalemena. - F.-p.: Lemim-panahy: halemen-toetra. * Ohab.: Ny firaka no tsy mba vola: ny lemim-panahiny: misy olona tsy tonga eo amin'ny fitondrana noho izy malemy loatra. / Mangahazo mangidy malemy: hanina amin'ny lemim-panahiny: raha tsy maintsy mandray vola na zavatramanana toetra mifangaroharo, ny toetra tsara ananany no jerena. Ahitsio
Lanahana: (lanaka) mt ih. (lanaho): Rerahina, trotrahina. Ahitsio
Lanaka: p.t.: Trotraka, reraka, valaka noho ny hasasarana na ny hafanana: Lanaky ny dia aho izany. - t.i.f.: Lanahana / malien naira. Ahitsio
Lanàna: Mitovy amin'ny Lalo-na. Ahitsio
Lañanana: a,: Volo lava atao solon-tsiny f antsakana any amin'ny Be tsimisaraka. Ahitsio
Landemy: a,: Hazo fanao fanafody ny hodiny. Ahitsio
Landiana: a: Anarana niantsoana taloha ny zandiana. Ahitsio
Landifotsy: a.: Landy avy amin' ny samoin-dandikely. Ahitsio
Landihazo: na Hasy a.: Anarankazo ary anaran'ny voan'io hazo io koa. Ny landihazo dia hazo madinidinika (Gossypium barbadense); ny fonon'ny voany,rehefa matoy, dia mivaky telo na dimy eo amin' ny vitrany ary dia misy vohavoha mibofaka avy eo, izay azo veraveraina sy sintonina ho kofehy tenomina ho lamba, Ahitsio
Landy: a: Enti-milaza: 1) Ilay bibikely miomby, izany hoe mifono ao anaty tranony, ka iny tranony iny no folesina hatao kofehy tenomina ho lamba. 2) Ilay kofehy tenomina na ny lamba malandilandy vita aminy. 6 Lit:: Milandy, filandy, mpilandy / malandy / mahalandy. Ahitsio
Langa: Jer. Katanga. Ahitsio