Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manamonga: (monga) mt.p. (manamongà): Manapa-tandroka, tanana, tongotra. r Ahitsio
Manamongo: (mongo) mt.p. (manamongoa): Manorotoro, m an am on tsam on ts ana. Manamontsana (montsana) mt.p. (manamontsàna): Manamongomongo; manorotoro. Ahitsio
Manamora: (mora) mt.p. (manamorà): Mahatonga ho mora: Manamora ny dia aoka izany ny fiara. ~ Mampihena vidy: Manamora ny entambarotro ny habetsahany. ? Mampitony, mahatonga ho morainy: Nanamora azy ny fialan-tsiny nataonao. Ahitsio
Manamorona: (morona) mt.p. (manamordna): Mankeo antsisina: Aza manamorona ny hady eo sao fanina ianao, Ahitsio
Manamory: (hamory) mt.p. (manamoria): Mitans ny familian a, mamily. Ahitsio
Manamotaka: (motaka) mt.p.: Manao izay hahalemy mohaka, manorotoro. Ahitsio
Manamotika: (motika) mt.p. (manamoteha): Manapotika, ni an drov itr a m adin i ka. Ahitsio
Manamotraka: (motraka) mt. p.: Mahalemy, mamela ho lo. Ahitsio
Manamotsika: (motsika) mt.p. (manamotseha): Manapotika, mamotsika, manorotoro. Ahitsio
Manampana: (sampan) mt.p. (manampàna): Mandrantsana. Ahitsio
Manampatra: (ampatra) mt.p. (manampara): Mampiasa tsy am-pisalasalana sady feno fanaranam-po: Nanampatra ny herin-tsandriny tamin'ilay zaza kely tsy ampy folo tao-na akory izy. ~ Manao araka izay tratra, araks izay tiana: Saingy mba efa navelan'ny dokotera hihinana ventin.kanina Rabe ka dia efa nanampatra er?. 1 Mampiseho am-pie boeboana, mirehareha:Nanampatra ny harenany mari-na izy tamin'ny fanambadian'ny zanany. / Nanamparany ny fahaizany teo izahay nandritra ny adiny roa. Ahitsio
Manampify: (ampify) mt.p. (manampifia): Manankina amy.... ¶ M.h.: Miampify, miampirina, mamokaiky, mivokaiky, miforitra, mitampisaka. Ahitsio
Manampina: (tampina) mt.p. (manampena): Manisy sarona amin'ny zavatra iray misokatra, na manakombona azy: Manampina voua fery. / Manampi-maso tsy hahita ? Manisy tapa-damba mba hanarona ny loaka amin'ny lamba: Manampina ny akanjon-janany rovitra Rasoa. - Manisy tsentsina: Manampina tangirika amin'ny vody rindrina. 1 Manisy sakana amin'ny zavatra iray mba tsy hahafahana mampiasa io zavatra io: Manampina lalana. Ahitsio
Manampo: (fo) mt.p. (manampoiza): Mikasa: Nanampo ny hianatra aho ny maraina, kanjo nanavy tampoka ka namonjy fandriana. ~ Mihevitra, manantena: Tsy nanampo anao ho afaka mihitsy a-ho. 1 Mieritreritra, manao ho zavatra, miahy: Tsy manampo raharaha velively io Rangahy io. Ahitsio
Manampoka: (tampoka) mt. p.: Tonga tsy nampoizina, manatratra tampoka: Matetika no manampoka antsika olombelona ny fahafatesana Ahitsio
Manampoka: (tampoka) mt. p. (manampoha): Manampy rano: Iza no nanampo-drano ny divaiko teto? Ahitsio
Manampona: (tampona) mt.p. (manampàna): Mahavoa, mahatratra eo an-tampony tsara: Nanampona ny tendron' ilay hazo tsara ny vato. 1 Mijery zavatra ambany toerana avy eny ambony: Avy teny Mandràka aho no nanampona an'i Sabotsy. ? mt. s.: Tonga tsara eo an-tampons: Nanampona ny tamin'ny roa ambin'ny folo no niainga izy. Ahitsio
Manamponga: (amponga) mt. p.: Mandoka mihoa-pampana. Ahitsio
Manampontsampontsana: (sampona) mt.p. (manampontsampàna): Manakana, manao izay tsy hahatanteraka: Esory daholo izay manampontsampona ny fahatongavanao amin'ny fivoriana. Ahitsio
Manampy: (ampy) mt.p. (manampia): Mampitombo, ma nao bebe kokoa: Manampy sira ny laoka / HanamPy ny karamanao aho fa mahafapo ny asanao. ~ Mampitambatra ny herin'ny tena amin' ny an'ny hafa mba hahamoramora kokoa ny asany: Iza no nanampy anao tamin'io asa io? ? Manome famonjena na hery: Manampy ny tsy manana io ramatoà ia. Ahitsio