Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manandrify: (tandrify) mt.p. (manandrifia): Manatrika ny, mifanatrika amy: Manandrify ny tranonay ny tranony. Ahitsio
Manandrina: (handrina) mt.p.: Mijery tsara manatrika amin' ny maso feno fandrahonana. * Man ohitra. Ahitsio
Manandro: (andro) mt s.: Mijery ny vintan'olona araka ny andro nahaterahany. ? Milaza ny andro tsars azo anombohan-javatra na ny andro ratsy tsy anaovan-javatra no-ho ny andro mahery na ny andro fady: Tsy mahazo manandro, hono, raha mbola velon-dray. ¶ M.h.: Mitety andro, manitsaka andro. Ahitsio
Manandroka: (tandroka) mt.p. (manandroha): Mametaka tandroka ampiasaina ho toy ny vantozy. Ahitsio
Manandrongo: (androngo) mt. s. (manandrongoa): Mfkisaka ohatra ny androngo. ? Misafoaka ohatra ny ombalahy mitroatra. - F.-p.: Lavo manandrongo: mianjera mitatavoka anoloana. Ahitsio
Manandry: na Manendry (tan-dry) mt.p.: Manendrikendrika, mitsaratsara olona foana, manombotomboka: Aza manendry ratsy olona. Ahitsio
Mananetivohitra: (vohitra) a.: Ny mponina amin'ny tanety mampitohy ny vohitra rehetra iny. Ahitsio
Mananety: na Mananetiny na Mananetinkena a.: Didin-kena manaraka ny voan-kena na ny hena eo amin'ny tamp on-dam osin 'ny omby. Ahitsio
Mananety: (tanety) mt. s.: Mandehamitety tanety. Ahitsio
Mananga: (anga) mt.s.: Miseho ho kanosa. ? Mandeha ran' orona. - F.-p.: Mananga tay: mivoaka, mangery am-pataloa. Ahitsio
Manangana: (tsangana) mt. p, (manangàna): Manarina zavatra amin'ny haavony:Manangana seza miongana ? Mampijoro, manorina: Manangantrano. ? Mametraka zavatra amin'ny toerana avo mba hahitana azy tsara: Manangantsaina. ? Milaza zaza eo anatrehan'ny fanjakana ho toy ny zanakamahazomandova: Ahitsio
Manangana: ny zanak'anabaviny izy fa tsy niteraka ? Mahazo indray, mahatafajoro indray: Lany efatra hetsy aho nanao ity trano nazeran' ny rivo-doza ity; asa na rahouiana aho no hanangana ny vola laniko teto. - F.-p•: Manangana efitra: enti-milaza olona manao izay hisarahana amin'ny hafa izay niaraka taminy teo aloha. / Manangan-jaza: milazaampa-]ribemaso na eo amin'ny fanjakana fa io zaza io dia ho anisan'ny handova azy. / Manangan-tanana: fomba fianianana, enti-milaza fa ny tena marina no lazaina. / Manangan-torana: enti-milaza zaza mitomany izaitsizy ka mila ho torana mihitsy. / Manangam-bouona: ilazana ny olona na ny biby vonon-kandramatra. Ahitsio
Mananganga: (anganga) mt.p.: Manainga zavatra. ? Midera, manao fiderana mihoapampana. Ahitsio
Manangasanga: (sangasanga) mt. s.: Miseho kely, mihoatrany zavatra hafa izay fohy noho izy, ka tazana na dia lavitra ara: Iny nisy lohan'olona nanangasanga ter? ambony tamboho. ? Miseho lany ka ny tendrony na ny "sangany" fotsiny no hita fa ny vatany tsy tazana: An'iza ir? trano manangasanga ir?? Ahitsio
Manangedona: (gedona) mt.p. (manangedôna): Mandoto. Ahitsio
Manangerona: (ngerona) mt.p.: Mandoto, manamainty. Ahitsio
Manangilo: (ngilo) mt.p.: Mahatonga ho ngilo. Ahitsio
Manangita: (ngita) mt.p. (manangità): Manao izay hahatonga ngita. Ahitsio
Manangizina: (ngizina) mt.p. (manangizina): Mahatonga ho ngizina. Ahitsio
Manangola: (angola) mt.p. (manangolà): na matetitetika kokoa Manangolangola: Manaraka ny sitrapo na ny haitraitran'olona: Loza raha hanangola ny zanany io vehivavy io; mbola hanenenany ihany izany. ? Manisy filatron-kira amin'ny fanamboarana ny feo hiolana kely:Manangolangola feo ery io tovovavy io rehefa mihira am-pahibemaso. Ahitsio