Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandrevo: (revo) mt. Milentika ao anaty fotaka: Mandreuo izy ka uonjeo. ? Mora ilentehana azon'ny be fotaka: Mandreuo it? tany it?. 1 h.i,: Be dia be: Mandrevo ny ahitra amin'izao fahavaratra izao. 1 h,o.: Manahirana aoka izany: Nandreuo iny adiko tamin-dRakoto iny. - E-p.: Fota-mandrevo: fotaka malemy miporetsika ka raha diavina dia difotra ny tongotra. Ahitsio
Mandrevoho: (Ski) a.: Hazofisaka tampin-dakana vaky. Ahitsio
Mandrezareza: (rezareza) mt. p. (mandrezarezà): Mampijoro. ~ Mitendry valiha malefadefaka, sy miadana. Ahitsio
Mandrezatra: (rezatra) mt. s. (mandrezata): Mamoaka fofon-kanina avy ao am-bava, izay avy amin'ny sakafo nohanina tsy levona: Tampa-nana ny voua rehefa mandrezatra. 1 Mamantsika amin'ny fantsika lehibe. Ahitsio
Mandriaka: (riaka) p. t.: Latsaka be dia be (rano): Nandrim ka ny ranonorana tamin'ny asabotsy hariva. 1 h.o.: Nisy ra nandriaka, tamin'ny ady lehibe farany tao. •Mikoriana be dia be: Nandriaka ny ranomasony tamin'ny nahafatesan-dreniny. - F-p.: Ra mandriaka: entimilaza fahafatesan'olona izaitratra noho ny ady. Ahitsio
Mandriaria: (riaria) mt.p. (mandriariava): Mandroboka ary manetsiketsika kofehy rongony na taretra ao anaty rano. Ahitsio
Mandriatra: (riatratriatra) mt. p. (mandriata): Mandrovitra, manataka. Ahitsio
Mandribariba: (ribariba) p.t.: Enti-milaza ny biby mitohatra efa ho teraka. Ahitsio
Mandridana: (ridana) mt. p. (mandridàna): Mandefa, mampandositra betsaka indray miaraka; mandringana indray miaraka. Ahitsio
Mandrifatra: (rifatra) mt. P. (mandrifàta): Manenjika; mitezitra, mandevilevy. • mt. s.: Lasa mihazakazaka tampoka haingana, milefa: Nandrifatra ny soavaly. Ahitsio
Mandrihavanana: a.: Anarana niantsoana karazana farantsa vahiny iray taloha izay nahitana sarin'i Napoléon III. Mandrihauia kosa no anaran' ny farantsa nisy ny sarin'ny Louis Philippe. Ahitsio
Mandrika: (rika) mt. p. (mandrikà): Manisy rikany ao ambany rambaramba. Ahitsio
Mandrimba: (rimba) mt. p. (mandrim bà): Mandrava, ma-nimba. Ahitsio
Mandrimbona: Mitovy amin' ny Mandrombina. Ahitsio
Mandrimorimo: (rimorimo) mt. p. (mandrimorimoa): Manipy mafy mifofofofo. •Mampifioka na mampimonomonona zavatra. Ahitsio
Mandrindra: (rindra) mt. p. (mandrindrà): Mandahatra, mandamina, mandanto:Mandrindra ny fandaharam-potoana. ~ Mampifanaraka, mamitrana: Mandrindra ny fifankatiaoana Ahitsio
Mandrindrina: (rindrina) mi. P. (mandrindrina): Manao izay hiadian'ny lelavaravarana amin'ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin'ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina uaravarana ny zafikeliko. ~ Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an'it? zaza it? tao an'efitra tao ka nitomany foana tao izy. 1 Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony. • p. t.: Entimilaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy. Ahitsio
Mandringa: (ringa) p.t.: (olona na biby) Tsy tsara fandeha fa iva ny tongotra ilany noho ny iray: Mandringa io olona io hatramin'ny nianjerany tamin'ny soavaly. 1 (zavatra) Tsy tsara fipetraka fa müva, mitolila: Mandringa ny Iatabatrao izany. ¶ M.h.: Mikotringa, mitoletsika, mitolitsika, mihantsika, mitolantsika, milepaka, mikolepaka, mikiximbana, tolaka ila, tsapika. Ahitsio
Mandringana: (ringana) mt. p. (mandringàna): Mandrava, manimba tanteraka, mandevona: Ny ualala no nandringana ny vary tamin'it? tao-na it?. ? Mamono ka tsy misy havela hitsangana na iray ara, mandripaka: Jiolahy no nandringana ny mponina tamin'it? vohitra it?? Ahitsio
Mandriona: Miriona (riona) mt. s.: Mivily amin'ny lalana tokony haleha: Niriona kely foana ny bala no tsy nahauoa ahy, ¶ M.h.: Mivily, mibirioka, miviona, mihodivitra. ~ Mivembena, mirepirepy ohatra ny olona jenjina, fanina. Ahitsio