Mpiompy | : | (ompy) a.: Olona manao ho anton-draharaha ny fiompiana, izany hoe ny famelomana sy ny fikarakarana biby mba hohanina na hamidy.
Ahitsio |
Mpirahalahy | : | (lahy) a.: Olona samy lehilahy natera-dray sy reny iombonana.
Ahitsio |
Mpirahavavy | : | (vavy) a.: Olona samy vehivavy natera-dray sy reny iombonana.
Ahitsio |
Mpisolo | : | a.: Sokajin-teny entimisolo olona na zavatra efa voalaza na tsia, ka mitsinjara ho karazany maro: mpisolo olona (izaho, •nay), mpisolo manondro (ireny ny mpianatra), mpisolo manontany (iza no nilaza izany), mpisolo mampifandray (ny olona izay mandinika), mpisolo malala-kevitra (ny sasany tsy mieritreritra).
Ahitsio |
Mpisolovava | : | (solo uaua) a,: O-lona vita fianarana momba ny lalàna misolo olona voampanga eny amin'ny fitsarana.
Ahitsio |
Mpisotro | : | (sotro) a.: Fatra-pitia misotro toaka na divay.
Ahitsio |
Mpitandrina | : | (tandrina) a.: Mpiandraikitra ny fandehan'ny fiangonana amin'ny lafin-javatra rehetra, indrindra nY fanahin'ny kristianina.
Ahitsio |
Mpitondratena | : | (tondra tena) a.: Olona mipetraka irery ka miahy ny tenany.
Ahitsio |
Mpitsabo | : | (tsabo) a.: Olona mahay manala aretina. ? O-lona mikarakara ny marary.
Ahitsio |
Mpitsara | : | (tsara) a.: Mpiasampanjakana manam-pahaizana manokana momba ny lalàna atao mpandinika sy mpilaza izay manana ny rariny sy meloka amin'ny olona roa mifampitory, na amin'ny ady isan-karazany (ady madio, ady heloka).
Ahitsio |
Mpitsioka | : | a. (t.tr.): Mpiala sasatra (amin'ny vody hazo).
Ahitsio |
Mpitsoa-ponenana | : | a.: Enti-milaza ireo olona voatery nandao ny fonenany ka mankany an-tany hafa noho ny toejavatra mitranga ao: ady, korontana, fitondrana tsy tanty.
Ahitsio |
Mpivahiny | : | (vahiny) a.: Olona mandeha any an-tany hafa ivelan'ny tanindrazany.
Ahitsio |
Mpivarotra | : | (varotra) a.: Olona manao ny varotra ho antondraharaha, ka mitetika ny hahazo tombony hatrany amin'ny zavatra amidiny.
Ahitsio |
Mpivavaka | : | (vavaka) na Mpino (ino) a.: Teny iantsoana ny olona manaraka antokom-pivavahana manokana, toy ny Kristianina.
Ahitsio |