Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manakitakita: na Manitakita (kitakita) mt p. (manakitakità): Mamelively, mandevilevy, tsy manao tsara fitondra. Ahitsio
Manakitamby: (kitamby) mt.p. (manakitambia): Manisy kitamby manodidina ny tena na olona. Ahitsio
Manakitoza: (kitoza)mt.p. (manakitozà): Mandidy mandrotika lavalava, mampihantona, mampitarozaka. Ahitsio
Manakitra: (kitra) mt.p. (manakitrà): Manakotaba; manakotrana; mampaneno. 1 Misokitra, mikitika. Ahitsio
Manakitrana: (kitrana) mt.p. (manakitràna): Mampifampikasoka, mampaneno: Nisy nanakitrana ny vilany tao andakozia halina 1 Manakorontana, mampiady, mampirisika hiady: Io vehivavy io ihany no nanakitrana azy mivady. Ahitsio
Manakitroka: (kitroka) mt.p. (manakitrdha): Mampifanizin-javatra tsy misy elanelany; mampiady ny nify. Ahitsio
Manakivazivazy: (kivazivazy) mt. p.: Mihomehy (olona), mamazivazy, mamosobosotra. Ahitsio
Manakivilivily: (kivilivily) mt p. (manakivilivilia): Mampihetsika zavatra hankatsy hankaroa: Manakivilivily hazo. ¶ M.h.: Manasavilivily, mampisavilivily, manakipilipily. Ahitsio
Manakivorivory: (kivorivory) mt p.: Manao izay hahaboribory. ¶ M.h.: Manaboribory, manakiboribory, manavorivory. Ahitsio
Manakivy: (kivy) mt.p.: Manao izay hahakivy, mahatonga ho kivy, ketraka, rera-po: Tsy nisy nanakivy azy velively fa izy no efa ts? tia io osa io ka nametra-pialana Ahitsio
Manakivy: Aza mandrera-tena ambony ihany amin'ny fiheuerana izay mety hanjo. Ahitsio
Manako: (ako) mt. s.: Manome ako: Manako it? trano it? izany. Ahitsio
Manakoa: (koa) mt.p. (manakoava): Mampianjera, mainpihetsaka. Ahitsio
Manakoako: (ako) p.t: Maresaka, manehoeho laza: Manakoako er? ny anara.'io olomahay io. Ahitsio
Manakoba: (koba) mt p. (manakobà): Manao izay hahamohaka (zavatra?ay). Ahitsio
Manakobaka: (kobaka) mt.p. (manakobaha): Manetsiketsika manasa (ao anaty rano). Ahitsio
Manakobana: (kobana) mt.p. (manakobàna): Manatsikebona, manetsiketsika, manatsoboka ao anaty rano madio, mampivonto. Ahitsio
Manakobila: (ko bila) mt.p. (manakobilà): Mamilavila, mamoriporitra; mandevilevy, tsy mitondra roa, mandrirodrirotra. Ahitsio
Manakobona: (kobona) mt.p. (manakobàna): Manafina na manarona ao anaty lamba. Ahitsio
Manakodia: (kodia) mt.p. (manakodiava): Manao izay hivadibadihan-javatra iray: I-za àry no nanakodia ity vato ity halina? Ahitsio