Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manakodingy: (kodingy, kodingo) mt.p. (manakodinge): Man akodiadia m an ongana. Ahitsio
Manakododoka: (kododoka) mt.p. (manakododoha): Manao haingana, mampanao haingana. Ahitsio
Manakofa: (akofa) mt s.: Be akofa, tsy mby am-bentiny: Mampalahelo fa nanakofa ny vary taona ito noho ny rivotra be ioatra Ahitsio
Manakofoka: (kofoka) mt. p. (manakofoha): Manetsiketsika, manofokofoka, mikapoka. Ahitsio
Manakohaka: (kohaka) mt.p. (manakohafa): Mamoaka a• min'ny kohaka, mandrehoka. Ahitsio
Manakojy: (kojy) mt. p. (manakoje): Mitarika (hanao ratsy), manolikoly, manangoly, manangy. Ahitsio
Manakolaka: na Manatakolaka (takolaka) mt.p. (manakolaha): Mitily, mihaino (olona) amim-pitampifiana ao ambadiky ny zavatra iray mba tsy ho hita: Nisy olona nanakolaka anao teny an-tsena fa tsy tsikaritrao. ~ Misafelika, mihodivitra: Nanakolaka ny tranonay Ikoto mba hanampoka anay. Ahitsio
Manakolikoly: Manolikoly (koly, kolikoly) mt.p. (manakolikole, manolikole): Manambitamby tafahoatra, manangolfngoly: Izy no nanolikoly ny zarako ka nahasimba azy. ? Manome vola n-. zavatra tsy ara-dalàna: Tokony hosazina izay manolikoly ny mpiasam-panjakana Ahitsio
Manakolokolo: Manolokolo (kolokolo) mt.p. (manakolokoloa, manolokoloa): Mikarakara, mikajakaja fatratra, manao izay hahasoa. Ahitsio
Manakombona: (kombona)mt, p. (manakombdna): Mampifanatona zavatra roa mihataka ka manao izay hifanaronany: Manakombona ny tanana (tandremo fa na dia mitovy aza ny hevitra, ny fiteny samy hafa: Manakombona boky, manakatona varavarana, manakimpy ny maso). Ahitsio
Manakompà: (kompà) nit a: Manoritra amin'ny komp li. Ahitsio
Manakona: (takona) mt.p. (manakàna): Manarona, mandrakotra: Misy rahona manakona ny masoandro. ~ Manakana tsy habita: Mihataha kely fa manakona ahy ianao. ~ Manakana tsy ho lrita, tsy ho tratran'ny hazavana: Tapaho io hazo io fa manakona ny tranonay. Ahitsio
Manakopoka: (kopoka) mt.p. (manakopoha): Manofokofoka, man akopaka. Ahitsio
Manakora: (akora) mt.p. (manakorà): Manainga akora. Ahitsio
Manakorapaka: (korapaka) mt p. (manakorapaha): Mampanao haingana, mandrotoroto. Ahitsio
Manakoretika: (koretika) nit p. (manakoreteha): Manakorontana, manasafotofoto, manao rango-tsaka, mampiboredika. Ahitsio
Manakoriana: (koriana) mt.p. (manakoriàna): Mampandeha misosa miadana, manakorisa, manakisaka. Ahitsio
Manakoriasa: (akoriasa) mt.p.: Mahatonga hisalasala, mampihambahamba. Ahitsio
Manakorintsana: (korintsana) mt. p. (manakorintsàna): Mampaneno, manetsiketsika mba hampaneno. Ahitsio
Manakorirarira: (korira) mt.p. (manakorirarirà): Mampihomehy; mandreblreby; mampihemo-dava. Ahitsio