Litera M
Mijabajaba: (jaba) mt, s. (mijabajabà): Mandeha mamindra na -mamindra kitoatoa sy mitsapatsapa ao anatin'ny maizina:…tohiny
Mijadona: a.: Teny ilazana ny tsipika amin'ny sary jeometrika izay manoritra sary mahitsizoro eo amin'ny lafy…tohiny
Mijafajafa: (jafa, jafajafa) mt. s. (mijafajafà): Mitomany mafy noho ny vonoana, mikaikaika: Nijafajafa Ibalita…tohiny
Mijahidy: (jahidy) p.t.: Tsy miteny firy, tsy misariaka amin'olona: Tovolahy mijahidy raha Rakoto.
tohiny
Mijaiko: (jaiko) mt. s. (mijaikoa): Manatona moramora, mitsaitsaika mba tsy hanaitra: Tsy reny akory aho nijaiko…tohiny
Mijaingy: Mijaingijaingy (jaingy, jaingijaingy) mt. s.: Mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin'…tohiny
Mijajajaja: (jaja, ja.iajaja) mt. s. (mijajajajà): Mitomany mafy sady milelalela.
tohiny
Mijajirika: (jajirika) mt. s. (mijajiriha): Mijoro tsy mihetsika na kely aza: Inona àry no ataon'io olona mijajirika…tohiny
Mijaka: (jaka) mt. s. (mijakà): Mandeha any amin'ny fanasan-kavana hihinana jaka, mihinana jaka any amy...:…tohiny
Mijakojako: (jako) p.t.: Lava manify mitezotezo.
tohiny
Mijakoko: Mijakoretra (jakoko, jakoretra) mt. s. (mijakokoa): Manjoretra sy mitakoko feno eritreritra.
tohiny
Mijalajala: (jalajala) Avo be, manerinerina.
tohiny
Mijaly: (jaly) cit. s. (mijalia): Miaritra zavatra maharary mihatra aman'aina na zavatsarotra manahirana: Mijaly…tohiny
Mijananaika: Mijananaka (jananaika, jananaka) mt. s.: Mirotsaka tsy misy fiatoana (orana), mivoaka tsy mety mijanona…tohiny
Mijangajanga: (janga, jangajanga) mt.s.: Manaram-po amin' ny fitondran-tena ratsy, miliba amin'ny fahalianana aranofo;…tohiny
