Litera N

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Nitika: na Nitinitika p.t.: Maimay hanao zavatra na handeha; dodona sy jefijefy, - t.i.f.: Nltinitihina I minitinitika I initinitihana, finitinitihana. Ahitsio
Nitinitihina: (nitinitika) mt. th.: Enti-milaza izay zavatra atao amim-pahamaimaizana sy eboebo. Ahitsio
Nitinity: a: Fahatanjahana sy fahamailahana hita amin'ny famindra, fisitisitiana; hambo. i t, i f.: Nitinitina 1 minitinity, finitinity, mpinitinity 1 initinitiana, finitinitiana. Ahitsio
Njainjay: p.t.: Manana toetra hafahafa tsy mitovy amin' ny olon-drehetra: Rakoto moa hitanao ihany; njainjay izay izy ka sarotra ifampiraharahana. ¶ M.h.: Zanakalondrano, ha-fa fandry. Ahitsio
Njay: t.p.: Fanafohezana ny Injay na Inay, ka mets,: 1) hoenti-milaza fahatongavana na fandrenesana zavatra midona tsy lavitra ny tena: Njay tonga ny fiarakodia mitondra an'i Dada (injay) 2) Hampiseho fanenenana: Njay tsy nahalala an'iny olona iny aho! (inay) Ahitsio
Njola: p.t.: Enti-milaza ny olona mijery amin'ny indra-maso, izany hoe tsy any amin' ilay zavatra jereny no alehan' ny masony: Misy ny njola mitifitra, misy ny mifanaraboamaso. - t.i.f.: Njolaina, anjola, voanjola / manjola, fanjola, mpanjola / anjolana, fanjolana / mahanjola / njolanjola. - F.-p.: Mifidy maka ny njola: fitenenana ilazana ny olona maimaika na tsy mandinika tsara ka mifidy ny tsy tsara. ¶ M. h.: Gila. Ahitsio
Njolaina: (njola) mt. ih. (njolao): Jerena vilana, sompirana: Nonjolainy aho kanefa tsy inona ratsy nataoko azy. Ahitsio
No: Teny kely: 1) Enti-mampitohy ny teny lazaina amin' ny teny enti-milaza ka mana-valut azy amin'ny hafa: Ra-koto no sakaizako, (fa tsy Rabe na Ranaivo). 2) Entimanondro mafimafy kokoa ny toerana na fotoana, izay apetraka erY an-dohan'ny fehezanteny: Amin'ny telo no handeha izahay. / Eto no hilasy isika (mafimafy kokoa ny fanondroana ny fotoana sy ny toerana amin'ireo no-ho ny amin'ny hoe: Handeha izahay amin'ny telo. Hilasy eto izahay). 3) Fametraka eo aorian'ny teny entimanontany: Rahoviana no hiverina ny zokinao? / Taiza no nifanena ianareo. 4) Fametraka eo an-doha-fehezanteny mba hoenti-manontany anton-javatra, mitovy amin' ny hoe "nahoana": No tsy mamaly ianao kanefa anontaniana? 5) Fanao ao anatin' ny fehezanteny iray izay toa miantso, na mitaky ny antony nahatonga: Izy no nilazana izany, tetika handroboana anao. / Ny handrina no tsy naniry volo, ny henatra. 6) Mifamaly amin'ny sady ka enti-milaza toetra na asa roa miaraka: Sady lehibe no tsara / Sady mifofotra no mively vy. 7) Arahin'ny "ho", ka ireo teny roa ireo amin'izay milaza fiaingana sy fiantefana, na ilazana toerana izany na fotoana: Hatreto no ho mianavaratra dia sahan-dRakoto daholo. / Mandoa saran-dalana ny ankizy dimy taona no ho miakatra amin' ny fiarambahoaka. Ahitsio
Noana: p.t.: Mahatsiaro foana ny ao an-kibo ka reraka te lilhinan-javatra aoka izany: Tsy nisakafo aho ka noana izaitsizy izany. - t.i.f.: Noanina I mahanoana I hanoanana, fahanoanana / noanoana. - F.-p.: Mat noana: efa noana izaitsiz~ ka mahatsiaro ny tena toa ho faty. ¶ M.h.: Mosarena, lampana, reraka, mangebaka, tsy mahatsindry tsihy, refona, fotsy tsinay, vava takiky, rebaka, maivan-tsy zaka, mai-molotra, mifezafezaka, miempaempa, mifehy kibo, mitakiky vava, mitanatana vava, mitsako dilana, milelalela ny ambavafo, voan'ny aretimbilany. Ahitsio
Noanina: (noana) mt ih. (noany): Atao izay hahatonga noana: Misy marary izay noanina mba hazoto homana. Ahitsio
Noanoa: p. mt.: (Tay fampiasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe: tsy bita). Tsy hita noanoa: be dia be, lavitra dia lavitra, lalina dia lalina. Ahitsio
Noely: (fr. noël) a.: Fety kristianina fahatsiarovana ny nahaterahan'i Kristy izay ankalazaina amin'ny 25 Desambra. ¶ M. h.: Krismasy. Ahitsio
Nofinofy: (nofy) a.: Eritreritra miriorio tsy marim-pototra: Ny nofinofin'ny poety. Ahitsio
Nofisina: (nofy) mt ih. (nofiso): Azo nofy: Inona àry no nofisiko halina raha fantatrao? Ahitsio
Nofo: a.: Tenan-javatra misy tsiratsiraka izay mandrakotra ny taolana amin'ny tenan'ny olomtielona sy ny biby: Malemilemy ny nofon' ny zazakely. • Hena: Tsara nofo ny amalona. • h,i.: Ny vatana (miolotra amin'ny fanahy): Malemy ny nofo. 1 Ny faty: Ny nofon'Itompokolahy dia hoentina ao amin' ny eglizin'Ambozontany. 1 t.i.f.: Nofosana, - F.-p,: Ny filan'ny nofo, ny filan-dratsin'ny nofo: ny fitarihan'ny vatana amin'ny hafaliana tsy voafehin'ny saina amam-panahy ka mampitovy torosy azy amin'ny biby. / Lali-nofo: enti-mllaza ny tany matevina tsy misy vato. / Nofon-tany: ny hatevin'ny tany azo asaina. / Vory nofo: hita ho mahazo aina ka mirongaronga er$ ny nofony. / Modia nofo, modia sandry: firariana ataon'ny trompon-trano amin'ny sakafo arosony ho an'ny vahiny, ka ny heviny dia hoe "enga anie ka hahasoa sy hahatsara anao iny sakafo vao naroso iny". / Mahazo no fo: ilazana ny olona nahia na avy narary ka mihavaventy sy matavy. * Ohab. sy fiten.: Nofonkena mitam-pihavanana: fanomezana ifanaovan'ny mpifankatia ka mahatonga ny fihavanana ho mafimafy kokoa. / Nofon-kena mby antanan-tsaka: zavatra lasan' olon-dratsy ka tsy azo antenaina hiverina intsony. Ahitsio
Nofosana: (no fo) p. t.: Be nofo, matanjaka:Nofosana io mpanao totohondry io. Ahitsio
Nofy: a.: Fahitana mandritra ny torimaso: Nahita an'i Da-da tamin'ny nofy aho. • A-sa toa atao eo am-patoriana: Nofiko niady tamin'ny biby goaibe aho. • Fady: Nofy ahy ny hivadi-belirano. /Hahavanona handatsa-dra olona ve ny raiko? Nofy izany. • Zavatra tsy ho tanteraka:Nofy izany fa aza miantehitra am in' izany. - t.i.f.: Nofisina / manof y na manonofy j fanofy, mpanofy 1 anofisana, fanofisana I nofinofy. - F.-p.: Nofy antoandro: eritreritra tsy mety ho tanteraka, tsy ho azo tanterahina na oviana na oviana. / Nofy ririnina: nofy mifangaro be ihany, tsy misy lohany sy vodiny, izay heverina ho vokatry ny hatsiaka amin'ny alindririnina. Ahitsio
Noho: ppk.: Azon'ny: Reraka izy noho ny ratra nahazo azy. • p, mt.: Teny entina mampitaha zavatra roa ka Ray eo aorianany milaza ny zavatra fototry ny fampitahana: Ilaina noho ny vola-mena ny vy. / Mamy ny akondro noho ny ooasary. • ppt. Teh.: Enti-milaza antony anaovan-javatra, satria: Noho ianao mividy boky betsaka, dia ahenako ny vidin' ny tsirairay. Ahitsio
nokajiana:Jereo: kajy Ahitsio
nomena:Natolotra Ahitsio