Litera O

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Olana: a.: Randrana, fifadidirana: Tsy haiko vahana io olana io fa mifadiditra aoha izany. 1 Fanodinan-javatra miankavia ny ilany, miankavanana ny ilany: Tsy laitra olana ity lamba ity fa henjana.l Fisaritahana, fisafotofotoan-javatra: Misy olana saro-bahana amin'io raharaha io. - t.i.f.: Aolana, tafaolana, voaolana / manolana, fanolana, mpanolana / anolanana, fanolanana / miolana, fiolana, mpiolana / iolanana, fiolanana J mahaolana / mifanolana / olanolana J mifanolanolana. • F.-p.: Azo olan-tanana: tratra eo am-panaovana halo-ka na haratsiana. ¶ M. h.: Tra-tehaka, tratra ambody omby. / Mahazaka telo olana: tady natao randran-telo. ? h. i.: Enti-milaza zavatra mafy. / Olan-teny: teny sarotra ilam-panazavana. J 0-lam-pandriana: ilazana ny hatoka nioritra teo am-patoriana fa voatsindry ka somary miolana maharitra. / Olampototra: ilazana ny vary naketsa ka maniry sady mahavokatra be dia be ny solofony sy ny sakeliny. * Ohab.: Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan' en tana: ohabolana mamaritra ny anjaran'ny zoky sy ny zandry tsirairay avy, fa ny zoky misolo vava eo amin'ny resaka atao ary ny zandry mitondra ny enta-na raha misy dia iarahana. Ahitsio
Olatra:fery na ratra efa sitrana sy afa-takompery ka mamela faritra tsy maharary intsony. Oh: ireo no bekotro maro olatra Ahitsio
Olerina: (outra) p.t.: Misy olitra. Ahitsio
Olika: a.: Fiviliviliana, safelika, olaka, - t.i.f.: Aolika, tafaolika, voaolika / manolika, fanolika, mpanolika / anolehana, fano- lehana f miolika, fiolika, mpiolika / iolehana, fioleha- na / mahaolika / olikolika / miolikolika. Ahitsio
Olimpanjehy: a.: Toetra voalohany ananan'ny lolo raha vao foy,.alohan'ny hiofoany ho samoma; misy tongony folo ny olompanjehy, ka ny enina miraikitra amin'ny tratrany, ny efatra amin'ny kibony. Ahitsio
Olitra: a.: Kankana kely fahita amin'ny hena, nofo efa simba na lo: Fano outra io hena io fa ario. ? Areti-nify mandoaka maharary aoka izany, izay noheverin'ny ntaolo fa avy amin'ny fisiana kankana bitika kely mandoaka ny nify: Mararin'ny outra izy ka tsy nianatra. - t.i.f.: Olerina. - F.-p.: Mararin'ny outra, hanin'ny outra: marary nify. / Oli-kazo: bibikely mikiky ny hazo. / Oli-manara: aretinify izay mikiky tsikelikely ny nify miafara amin'ny fahalevonapy. * Ohab.: Nify lanin'ny outra ka alana no mahatsara azy: enti-milaza fa raha misy zava-manahirana na manorisory, dia ny fakany no tokony hofongorina, fa tsy ho sitrantsitrana amin'ny fanasiam-panafody tsikelikely miverimberina fotsiny. Ahitsio
oliva:manana toetra tsara toy ny fofona oliva (manitra) Ahitsio
Oloana: ft.: Anatrehana. - t.i.f.: Oloanina / manoloana, fanoloana f anoloanana, fanoloanana f anoloana. Ahitsio
Oloanina: (oloana) mt, ih. (oloany): Enti-milaza ny olona eo anatrehan'ny tena: Noloaniny aho (nankeo anatrehako, nifanatrika tamiko izy). Ahitsio
Olobe: (Ski) a.: Loholona. Ahitsio
Olomay: (olona may) a.: Niavian'ny hoe miolomay. Ahitsio
Olombelona: a.: Zavamananai- na azo atoko ara-toe-batana ho anisan'ny biby mampi- nono, nefa kosa miavaka a- min'ny biby noho ny fana- nany atidoha lehibe, ny fa- hazoany mijoro, ny fahafahan'ny tanany mandray zavatra, ary indrindra ny fahaizany miteny sy ny fananany sain amam-panahy: Olombelona ihany aho fa tsy anjely ka mba tezitra. • h.i.: Fitambaran'ny olona miaina rehetra: Hotsaroana mandra kizay ny anaran'ireo mpana soa ny olombelona, mpiohka / iolehana, fioleha Olona a.: Teny ilazana ny toetra amam-pomban'ny olombelona (jer. io teny io): Ny fanahy no olona. ? Teny ilazana ny olombelona tsy voafetra mazava na ny toetrany na ny isany: Misy olona mitady anao ao an-tokotany. ? Vahoaka: Olona re izay tao an-tsena tao izay! ? Amin'ny fitenin'ny ankizy, teny entiny milaza ny tenany: Manko ny olona vonoin' i Koto ô! - t.i.f.: Maha-olona / olonolona / olonolonina, aolonolona, tafaolonolona / miolonolona, fiolonolona, mpiolonolona / iolonolonana, fiolonolonana. - F.-p.: Olo-marina: olona tsara toetra, ind:indra eo amin'ny fanaovana ny mari-na sy ny hitsiny. / Olo-manga: olona mendrika amin' ny hatsaran-toetra sy fahaizana ireharehan'ny firenena. JOIo-masina: olona efamaty nanana fitondran-tena namirapiratra tamin'ny fahamarinana, fahadiovana ary fitiava-namana, ka natsangan'ny Eglizy ho fakan-tahaky ny kristianina katolika eran-tany. / Olom-banona: olona tsara fototra, ambony toetra. / Olom-be: olona tsy be teny loatra ary morainy. / Olom-bodo: tsotsotra, zazazaza saina. / Olo-meloka: gadra lava / Olom-pady: hava-na akaiky tsy azo alaina ho vady. ¶ M.h.: Olon-tsy heny. f Olom-potsy: olona novotsorana tamin'ny fanandevozana. / Olon-dratsy: ilazana ny olona 1) lozabe, masiaka; 2) mpangalatra, tsy manjary, tsinontsinona. / 0-lon-jaka: olona fehezin'ny hafa ary miankina fa tsy mahatapa-tena irery. f Olonjauatra: enti-milaza olona manana tsindrimandry sy mahafantapantatra ny miafina. f Olon-ko azy: tsy mifandray amin'ny hafa fa mihevitra ho mahavita tena. / Ahitsio
Olon-kova: olon-kovabe: enti-milaza olona tsotsotra, tsy mandà izay omena sy ampanaovina azy. / Olon'olona: mpanompo. / Mifoha olamazoto: fitenenana enti-milaza fotoana eo amin'ny 5 maraina eo ho eo. / Manokom-bary olona: eo antin' ny 11 ora antoandro. / Tapimandry olona: eo amin'ny 8 ora alina. / Mijery na mizaha tauan'olona: miangatra. / Mahay olona: mahay mifandray amin'olon, tsy miavonavona. / Tapak'olona: olona fohy, kely, zeny. ¶ M.h.: Tapak'amponga. * Ohab.: Aieo maty olo-malaina toy izay vaky uilany mianefitra: enti-milaza fa latsa-bidy noho ny vilany ny olona kamo. f A1eo irin'olona toy izay maniry olona: matoa irin'olona ny tena, manana ny tsara sy ny ampy, fa ny maniry na mitsirixitra olona kosa dia mitory fa latsa-danja noho izy ny tena. J Axa tsy tia olona, fa ny oiona no harena: entimanantitra fa tsy misy mahavita tena, ka izay mana-namana maro, izay tiam-bahoa-Iça no manan-karena. ¶ M.h.: Olo-marina, olombanona, fototr'olona, olomboantsongo, tsongoin'olombolo, manam-panahy, voahangy tsy arahin-katina, heni-kaja, tsy voavidim-bola. — Olon-dratsy, androvo, faikan'olon, lamokan'olona, tsaikan'olona, fatritran'olona, farafaikan'olona, karin' olona, abilin'olona, kitoatoan'olona, alikan'olona, olona tsy vanona, amboan'olona, fakon'olona, kolokolon' olona, bandro (badra), amboafatritra, fotsy fanahy, olona lany hasina, olona lany henatra, olona tsy manjary, olona tsy vaky atatra, olona tsy vaky afero, tsy valahara, afa-baraka, afa-boroka, tsy manan-kenatra, olona mamoa fady, mavoin-tena, tsy misangy hajan-tena, mialabara-tena, maniva tena, manary ilo mby an-doha. Ahitsio
olonay:teny hilazana olona fantatra na fianakaviana na namana ... olonay ,olonareo,olon-tsika. Ahitsio
Olonolona: Fihatakatahana, fisarahana amin'ny be sy ny maro, fitsitokotokoana. - t.i.f.: Miolonolona, fiolonolona, mpiolonolona / iolonolonana, fiolonolonana. Ahitsio
Olorana: Olorina (olotra) mt ih. (olory): Enti-milaza ny fisian'ny tena eo akaikin'ny zavatra iray: Olory ny rindrina fa aza halavitina. Ahitsio
Olotra: a.: Sisina, morona. - t.i.f.: Olorana, olorina, aolotra, voaolotra, tafaolotra / manolotra, fanolotra, mpanolotra / anoloran, fanolorana / mifanolotra f miolotra, fiolotra, mpiolotra j iolorana,fiolorana. Ahitsio
Oly: p. t.: Enti-milaza ny vola tsy ngita nefa tsy tsotra fa miolikolika, misy mivalombalona. - t.i.f. : Aoly / manoly, voaoly / mahaoly. Ahitsio
Omaly: a.: Anarana entina hilazana ny andro nialoha ny androany: Ny omaiy no zokin'ny anio. ? h.i.: Ny lasa: Sarotra hadinoina ny omaly. • p. mt.: Milaza fotoan'andro nialoha ny androany: Tonga omaly i Dadatoa. (A-min'ity hevitra ity, dia "rahomaly" no nampiasaina taloha; tonga rahomaly i dadatoa). - F.-p.: Omalin'omaly; uao omalin'omaly: vao haingana dia haingana izay. / Afakomaly: ny andro nialoha ny omaiy. Ahitsio
Omana: a.: Fikarakarana mialoha; fisainana na famoriana ny zavajavatra ilaina. - t.i.f.: Omanina, aomana, voaomana, tafaomana J manomana, fanomana, mpanomana / anomanana, fanomanana f miomana, Romana, mpiomana / iomanana, fiomanana / mahaomana / omanomana. Ahitsio