Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ramatoa: a.: Teny ilazana ny zanakavavy voalohany: Raha nisakana Ramatoa, My ary ianao Raivo. ? Ampiasaina hilazana ny vehivavy vady andefimandry: Rangahy no tao an-trano fa ramatoa lasa niantsena ? Ilazana amimpanajana rahefa mety ho vehivavy, ka ampiasaina mandeha irery izy na miaraka amin'ny anaran'Bay olona: Tsy naharitra ilay Ramatoa ka lasa. Tonga ao Ramatoa Rasoa. ? Iantsoana ny vehivavy Iresahana: Aoka re, Ramatoa, fa azoko ny tianao holazaina. Ahitsio
Ramatra: ft.: Fihaingoana, firavahana. - t.i.f.: Tafaramatra 1 miramatra, firamatra, mpiramatra I iramatana, firamatana j maharamatra 1 ramadramatra. Ahitsio
Ramatra: a.: Kaikitra mafy amin'ny nify, ady ifanaovana misaritaka. - t.i.f.: Ramatana, voaramatra / mandramatra, fandramatra, mpandramatra 1 andramatana, fandramatana 1 maharamatra / ramadramatra, mifandramatra. Ahitsio
Rambaramba: a,: Karazan-kalesy tsy misy kodiarana fa taritina fotsiny amin'izao ary ampiasaina hitondrana vatom-pasana; indraindray koa anefa ny rambaramba dia hazo boribory fotsiny atao tsikaiana amin'ny zava-mavesatra tsy zaka bataina fa taritina ka mikodiadia ireo hazo ireo rehefa taritina na atosika. Ahitsio
Rambasana: (ramby) mt. ih. (rambaso): Samborina tampoka ary an-keriny amin'ny nify: Norambasan'ny alika ny vody pataloan'Ibalita. Ahitsio
Rambatra: a.: Mitovy amin'ny Ramatra (kaikitra mafy amin'ny nify). Ahitsio
Rambavy: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Rambezina: fihasimban'ny hoe Rembezina (remby) mt ih. (rambezo): Hazaina. Ahitsio
Rambiazina: a: Anaran-javamaniry madinika izay manipofona ny raviny rehefa kosokosehina, fanao tambavy. Ahitsio
Rambilazo: a.: Anaran-kazo nampiasain'ny teo aloha ho fanafody mosavy. Ahitsio
Rambo: na Rambona a.: Fisaritsarihana na fisampisampiana avy ao aoriana; fitazonana sy fsintonsintonana ao ivoho toy ny mitady hanaraka. - t.i.f : Rambonana, rambosana, voarambo, voarambona / mandrambona, fandrambona, mpandrambona 1 andrambonana, fandrambonana j andrambosana, fandrambosana I maharambo, maharambona I rambondrambona. Ahitsio
Rambo: a.: Laniny lavalava mamarana ny vatan'ny ankabeazan'ny biby, izay azo verina ho tohin'ny hazondamosiny ihany raha jerena ny rafi-batany: Lava rambo ny omby. / Alika bory rambo. ? h.i,: Izay rehetra mirefarefa amin'ny fitafiana na mitaritarika aoriana. - t.i.f.: Ramboana, arambo, voarambo / mandrambo, fandrambo, mpandrambo / andramboana, fandramboana / mirambo, firambo / maharambo I ramborambo I aramborambo, tafaramborambo / miramborambo, firamborambo, mpiramborambo 1 iramboramboana, firamboramboana. Ahitsio
Rambo: a.: Ilay sisa tavela ao amin'ny rary (tsihy na satroka) ka hetezana hiala. Ahitsio
Ramboana: (rambo) mt, pdr. (ramboy): Lamba na fitafiana asiana tovany mirefarefa na mitaritarika aoriana, asiana somotraviaviny. Ahitsio
Rambonana: na Rambosana (rambona, rambo) mt. ih. (rambony, rambosy): Samborina, sarihana amin'ny lamba na fitafiana mirefarefa eny amin'ilay olona. Ahitsio
Rambondamba: a.: Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana, raha toa ka efa voalevina ny razana no tonga mamangy (efa voalevina mifono lamba ny maty, ka ny famangiana manaraka aty aoriana dia toy ny rambo manaraka ny lamba). (Jer. koa: Ranombary tsy masaka, solontsosoa, fao-dranomaso, kofehy, solon-kofehy, zara levenana). Ahitsio
Rambondanitra: Rivotramifofofofo indray mandeha, dia toa mitsangana ary mihodinkodina an-toerana no sady mifindra toerana, ka izay voafaoka ao anatiny (vovoka, ravinkazo, poti-javatra madinika...) dia entiny misangodina miaraka aminy. Ahitsio
Rambotsy: a.: Fehivozona volafotsy. Ahitsio
Ramby: a.: Fisamborana an-keriny ary tampoka amin'ny nify. - t.i.f.: Rambasana, voaramby I mandramby, fandramby, mpandramby 1 andrambasana, fandrambasana / maharamby I rambiramby. Ahitsio
Ramena: (Ski) a.: Raikely, renikely. Ahitsio