Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rikorikoina: (rikoriko) mt. ih. (rikorikoy): Atao izay hampahadikidiky. Ahitsio
Rima: (fr. rime) a.: Fitoviampeo eo amin'ny teny roa hatreo amin'ny zanapeo faxany misy tsindrimpeo no ho midina, oh: Asabotsy — Rafotsy. Ahitsio
Rimba: p. t.: Rava, simba, - t.i.f.: Rimbana, voarimba / mandrimba, fandrimba, mpandrimba / andrimbana, fandrimbana / maharimba / rimbarimba. Ahitsio
Rimbana: sy Rimbona a.: Mitovy amin'ny Rombina. Ahitsio
Rimbana: (rimba) mt. ih. (rimbao): Ravana, simbana. Ahitsio
Rimbo: (Ski) a.: Fikambanan' ny olona betsaka mihevidraharaha ao amin'ny mangingina. Ahitsio
Rimo: sy Rimorimo a.: Fandehanana mafy; fifiokan'ny tehina na baolina atsipy handeha mafy; fimonomonon'ny tandrimo misangodfna na ny tantely. - t.i.f.: Rimorimoana, arimorimo, voarimorimo, tafarimorimo / mandrimorimo, fandrimorimo, mpandrimorimo / andrimorimoana, fandrimorimoana / mirimorimo, firimorimo, mpirimorimo 1 irimorimoana, firimorimoana / maharimorimo / misarimorimo / tandrimo. Ahitsio
Rimodrimotra: a.: Fialana amin-katezerana sady mirintona. - t.i.f. : Mirimodrimotra, firimodrimotra, mpirimodrimotra / irimodrimotana, firimodrimotana / maharimodrimotra. ¶ M.h.: Romodromotra. Ahitsio
Rimorimo: a.: Zavamaneno vita amin'ny silaka volotsangana sahabo ho vehana ny halavany ary voatondro roa ny sakany, ka maranitra toy ny loha lefona ary misy lavaka kely eo amin'ny tendrony iray mba hitsofohan' ny tady ifatorany; misy tahony hihazonana azy koa: ahodinkodina "mirimorimo" izy io ka arakaraka ny maha-mafy ny fanodinkodinana azy no ahazoana feo mafy kokoa. (Ny Tanala no mpampiasa azy indrindra; manarakaraka, ny Sakalava, izay manome anarana azy hoe: Tambovo). Ahitsio
Rimorimoana: (rimorimo) mt. ih. (rimorimoy): Enti-milaza zavatra na olona anipazana zavatra mifofofofo, mimamam am a. Ahitsio
Rindra: a.: Ny hoditry ny zozoro anaovana tsihy. ? Zavatra natao ho afaka hiditra tsara ao anatin'ny zavatra iray hafa noho ny kinifinifiny afaka mikorisa amin'ny lavaka namboarina ho an' izany amin'ilay lavaka faharoa, saikirô: Tapaka ao anatin'ny ambaviny ny rindrankazo. ? Filantolantoana na fandaharana zavatra maro mba hifanaraka tsara. * t.i.f.: Rindraina, arindra, voarindra, tafarindra / mandrindra, fandrindra, mpandrindra / andrindrana, fandrindrana / mifandrindra / mirindra, firindra, mpirindra /irindrana, firindrana / maharindra 1 rindraxindra / rindran y. Ahitsio
Rindraina: (rindra) mt. ih. (rindrao): Amboarina hanana endriky ny saikirb. Ahitsio
Rindran-kira: a.: Fampisehoana karazan-kira maro voarindra na voalamina tsara. Ahitsio
Rindrina: a.: Fefy biriky na vato atao vatan'ny trano: Manao trano ry Rakoto, ka efa mitsangana ny rindrina. / Fe-no sary ny rindrin-dry zareo ato avaratra. ? Fanakatonana varavarana: Tsy tsara rindrina ny varavarankely ka idiran'ny riuotra. ? Enti-milaza koa ny tsy fivohana. * t.i.f.: Rindrinana, arindrina, voarindrina, tafarindrina 1 mandrindrina, fandrindrina, mpandrindrina / andrindrinana, fandrindrinana 1 mirindrina, firindrina, mpirindrina / irindrinana, firindrinana / maharindrina. - Ilay mahia miankindrindrina: fampanonona fanaon'ny ankizy ka ny valiny dia hoe sahafa (noho ny maha-fisaka ny sahafa no ilazana azy ho mahia). / Manaradrindrina: ilazana ny zaza vao miana-mandeha ka mitehina amin'ny rindrina. / Mihomehy rindrim-baky: olona mihomehy foana tsy misy antony ka heverina ho simba saina. / Mpihady uodirindrina: ilazana ireo jiolahy na tontakely mihady rindrintrano hangalarany ny ao anaty trano. / Miankin-drindrina irery: enti-milaza ny vehivavy mihetsi-jaza izay tsy azon'ny hafa ampiana na dia misy maharary sy manaintaina aza — teny ent?-mahatsiahy ny fijaliana entin'ny reny rehefa miteraka. Ahitsio
Rindrinana: (rindrina) mt. ih. (rindrino): Enti-milaza loaka na vava lavaka tampenana, tsentsenana. Ahitsio
Ringa: ft.: Fandeha (olona) na fipetraka (zavatra) mitongilana, tsy marina na mahitsy tsara, tolitsika. - t.i.f.: Mandringa, fandringa, mpandringa / andringana, fandringana / ringaringa. Ahitsio
Ringa: (Br) a.: Tolona fanaon' ny, Bara manaraka izao fitsipika izao: tsy voalaza resy raha tsy mianjera ka mitehika ~nin'ny tany ny soroka roa. Ahitsio
Ringa: a.: Toerana fanaovana ady totohondry, na rehefa mety ho ady kilalao samihafa: Miakatra ringa. Ahitsio
Ringana: p.t.: Tapitra voa, na maty avokoa, maty daholo, lany ripaka, fongana. * t. if.: Aringana, ringanina, voaringana / mandringana, fandringana, mpandringana / andringanana, fandringanana / miringana, firingana, mpiringana / iringanana, firinganana / maharingana. Ahitsio
Ringanina: (ringana) mt. ih. (ringano): Fonganina, ravana, simbana: Noringanin'ny fahavalo ny zava-drehetra tamin'ity faritany ity. Ahitsio