Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sovilaka: p. t.: Tsy mahitsy fa misompirana. (Jer. Sabilaka, sobilaka, savilaka) Ahitsio
Sovohina: (souoka) mt. ih. (souohy): Tampohina: Sovohin' ny fahafatesana Raolombelona. ? Akekezina an-tsokosoko, asiana mangingina: Nosouohin'ny hatsiaka ny marary halina. Ahitsio
Sovòka: a. (t.t.m.): Vehivavy janga, ratsy fitondran-tena. Ahitsio
Sovoka: a.: Aretin'ny vehivavy mifana, azo avy amin'ny hatsiaka. Ahitsio
Sovoka: a.: Fanatonan'ny fahavalo amim-pahanginana sy tsy ampoizina mba hamely tampoka; fanakekezana antsokosoko hahazoana mitroatra amin'ny fanafihana atao: Souok'ady. * t.i.f.: Sovohina, asovoka, voasovoka, sinovoka, tafasovoka / misovoka, fisovoka, mpisovoka / isovohana, fisovohana / mahasovoka. * F.-p.: Souok'ady: ady tsy nampoizina, namelezana tampoka. / Souoka alina: famelezan'ny fahavalo amin' ny alina; ilazana koa ny fiavian'ny orana amin'ny alina. Ahitsio
Soy: a.: Anaram-boronkely mahafinaritra misy karazany efatra: soikely, ny kely indrindra aminy; ny soimanga, ny tsara tarehy indrindra, ny soimainty ary ny soilomotra, mavo manopy maitso. Ahitsio
Spaoro: (fr. sport) a.: Anarana iantsoana ireo fanatanjahan-tena isan-karazany orne-na endrika lalao, lalao samy maka ho azy na mifanao andaniny, ka manaraka fitsipika efa raikitra. Ahitsio
Spiroketa: (fr. spiroquette) a.: Mikraoby miditra amin'ny antokon'ny bakteria, mana-na endrika miolakolaka amin'ny fahitana azy amin' ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny farasisa. Ahitsio
Sponjy: (angl. sponge) a.; Tranom-bibin-dranomasina, izay malemy ary mora vonton-drano ka ampiasaina ho famaohana zavatra sasana. ? Anarana ilazana karaza-mofo vlta amin'ny lafarinina malemilemy mora mibontsin-drano. Ahitsio
Sy: ppt.: Entina mampitohy teny roa (anarana, mpamaritoetra, matoanteny): Ny sa-ka sy ny alika, / Tsara sy ratsy. / Mihinana sy misotro. Ahitsio