Sarikoina | : | (sariko) mt. ih. (sarikoy): Ozonina, na ompa= na ratsy.
Ahitsio |
Sarimbavy | : | a.: Lehilahy manao fihetsika amam-piteny toy ny vehivavy.
Ahitsio |
Sarimbo | : | a.: Lamba tenom-betsileo vita amin'ny landy sy hafotra na amin'ny landihazo sy hafotra misy sorany mitsipitsipika — Akanjo toy ny sikina anaovan'ny vehivavy betsimisaraka.
Ahitsio |
Sarimiaina | : | sary+miaina. tiana ampidirina ao anatin'ny rakibolana malagasy handikana ny teny frantsay hoe: film Ahitsio |
Sarimihetsika | : | sary+mihetsika: teny tiana ampidirina ao anatin'ny raki-bolana malagasy entina andikana ny teny frantsay hoe: dessin animé Ahitsio |
Sarimorimo | : | Jer. Rimorimo.
Ahitsio |
Sarimpapango | : | a.: Taratasy voarary amin'ny hazo maivana izay rohizana amin'ny kofehy, ka sintonina mihazakazaka ilay kofehy, dia misondrotra tsikelikely ilay sarimpapango ary misononoka eny amin'ny rivotra eny. ¶ M.h.: Papangohazo.
Ahitsio |
Sarina | : | (sary) mt, ih. (sario): Tsapaina, arahi-maso. • Jerena, vangivangiana (vovo).
Ahitsio |
Sarinady | : | a: Fanazaran-tena an3in'ny ady ataon'ny miaramila, izay mifanao an-kolafiny mody miady.
Ahitsio |
Sarindokotra | : | a.: Vorona zanaky ny dokotra sy ny ganagana; vaventy ary tsara hena ny sarindokotra. ¶ M.h.: Kirivorona.
Ahitsio |
Sarinety | : | (fr. serinette) a.: Zavamaneno fahanana dia mamoaka feo-mozika rehefa mivaha ny fahany.
Ahitsio |
Sarintona | : | Jer. Rintona.
Ahitsio |
Sariolona | : | a.: Sary vongana mampiseho bika sy tarehin' olona.
Ahitsio |
Sarirahina | : | (sariraka) mt. ih. (sariraho): Saritahina, fotofotoina.
Ahitsio |
Sariraka | : | a.: Fisavoritahana, fisafotofotoana. - t.i.f.: Asariraka, sarirahina, voasariraka, tafasariraka / manasariraka, fanasariraka, mpanasariraka / anasarirahana, fanasarirahana / mahasariraka ( sariradriraka.
Ahitsio |
Sarisarimbomanga | : | a.: Zavamaniry toy ny ravim-bomanga ny raviny ary misy voniny miloko mahafinaritra.
Ahitsio |
Saritahina | : | (saritaka) mt. ih. (saritaho): Korontanina, a-tao ambony ambany: Nosaritahin'ny ankizy ny entana rehetra tato an-trano. • Fotofotoina tsy hita laniny: Nosaritahin'Ibalita ny kofehy. • Roridriritfna, ampijalina: Aza saritahinao toy izao izy.
Ahitsio |
Saritaka | : | a.: Fikorontanana sy fisafotofotoana, fikororoana. • Fifaningotsingoran-tady tsy hita laniny. • Firomborombon-kofehy na volo tsy mihogo sady tsy mirandrana. ? Ny tsaikan-dandy aorian'ny fanantsodiavana. - t.i.f.: Saritahina, asaritaka, voasaritaka, tafasaritaka 1 manasaritaka, fanasaritaka, mpanasaritaka / anasaritahana, fanasaritahana / mifanaritaka / misaritaka, fisaritaka, mpisaritaka / isaritahana, fisaritahana / mahasaritaka / saritadritaka. - F,-p.: Ketsa saritaka: ketsa ambolena tsy milahatra, toa mikorontandrotana, eo amin'ny tanimbary (mifanohitra: ketsa tora-tady). / Tohy saritaka: fomban-drafitra biriky tsy mifanitsy tonona.
Ahitsio |
Sarivato | : | a.: Vilany na siny vita amin'ny rarivato. • Sikotra na sarisary natao tamin' ny vato.
Ahitsio |
Sarivazo | : | a.: Anaram-boronkely fianakaviam-ben'ny boloky izay maitso mahafinaritra ny volony.
Ahitsio |