Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Satriatria: p.t.: Falifaly, sariadriaka, miramirana. Ahitsio
Satrikoa: ppt. feh.: Izany hay no anton'ny...; hitako no...: Nahazo vola be tamin'ny loteria, hono, Rakoto — satrikoa nividy trano lehibe any Antananarivo izy. Ahitsio
Satrina: mt.ih.: Atao ara-tsitrapo. Ahitsio
Satrohana: (satroka) mt. ih. (satrohy): Asiana na ampanaovina satroka: Satrohy ny zaza fa migaingaina ny andro. Ahitsio
Satroka: a. : Isam-pitafiana mandrakotra ny loha, vita amin' ny bonetra na bosoa na amin'ny karazan-javamaniry toy ny mololo, ny penjy... ary na amin'ny lamba koa aza. Arakaraka ny zavatra anaovana azy na ny bikany, ireto avy ny karazan-tsatroka lehibebe hita teto: satroka ahibano, satroka ba, satroka bonetra, satro-bory, satroka haro na, satroka jaomalanga (bonetra avo trafo ary miakatra daholo manodidina ny sofiny), satroka jobo (vita amin'ny bosoa, avo trafo ary jobo saika manarona ny maso sy ny hatoka ny sofiny), satroka kasikety, satroka panama, satroka penjy, satroka tavimandry (bosoa ihany koa, fa talesaka), satroka valalamihoatra (varahina, fanaon'ny miaramila nantsoina hoe "dragons": misy toa sangany kely er? an-tampony ary miforitra miakatra ao andamosina); ivelan'ireo, tsara holazaina koa ny satroka fito rantsana an'ny mpanjaka. Ahitsio
Satrona: a.: Tsihy afolaka roa dia zairina ny tendrony roa, ka ampiasaina hakana valala rehefa mandeha miara-be izy ireo. Ahitsio
Satronana: (satrona) mt. ih. (satrony): (valala) Samborina amin'ny satrona. Ahitsio
Satrotroka: a.: Toetran'ny tarehy sy ny hoditra mibinabinaka sy mivindina toy ny voan'ny tandomerina na noladinin'ny biby misy lay. - t.i.f.: Misatrotroka, fisatrotrokâ, mpisatrotroka 1 isatrotrohana, fisatrotrohana / satrotrotrotroka. Ahitsio
Satry: a.: Tiana, sitraka: Satriko ny handeha, saingy mita hanavy aho. - t.i.f.: Satrina, misatry, fisatry, mpisatry / isatriana, fisatriana / mahasatry 1 satrisatry / misatrisatry. - F.-p.: Tsy satry: tsy araka ny sitrapo, tsy fidiny: Tafatsangana tsy satry aho nahita ny uary nandroatra. * Ohab.: Satrin'ny maniraka lasan-davitra, satrin'ny trahi-na tsy handeha: enti-milaza fa ny mpanome baiko moa ta hampanao raharaha foana, ny baikoina kosa zarany tsy hisy baiko hatao. Ahitsio
Sava: a.: Fikarohana sy fitadiavana zavatra fatratra. / Fanesorana izay manakontakona na manembantsembana. - t.i.f.: Savana, asava, voasava, sinava / misava, fisava, mpisava 1 isavana, fisavana / mahasava / savasava 1 savasavana / misavasava 1 isavasavana, fisavasavana. - F.-p.: Sava hao: fikarohana tsy azo idifiana toy ny fizahana hao ao anaty volo. / Sava rano: lomano fanao raha ny tanana roa no indray manilika ny rano mba handrosoana. Ahitsio
Savaivo: a.: Tsipika mahitsy mandalo eo afovoan'ny faribolana. Ahitsio
Savana: (sana) mt. ih. (sauao): Tadiavina, karohina: Nosavana eran'ny tanàna ny mpangalatra ka hita. / Jerena, tsirihina, zahana fatratra: Nosauan'ny mpampianatra ny sandrifin'ny ankizy rehetra fa nisy vola roanjato very tao am-pianarana. 1 A-tao tsy misy manentsina na manelingelina: Sauao tsara ny lalana handehanan'ny manampahe fana. Ahitsio
Savarano: a.: Fomba filomanosana maninjitra ny tanana roa izay akambana toy ny mivavaka ka manokatra ny lalana ao anaty rano arahin' ny tena manontolo. Ahitsio
Savasava: a.: Fanalana izay manentsina na manelingelina. - t.i.f.: Savasavana 1 misavasava / isavasavana 1 manasasava. Ahitsio
Savasavana: (savasava) mt, ih. (sauasauao): Hadihadina, fotopotorana: Savasauany tsara ny zauatra ampianariny. 1 A-lana izay manentsina na manelingelina: Nosauasavanay tsara ilay lobolobo, ka io namitsaka tao ilay kisoa very. Ahitsio
Savazoro: a.: Teny ilazana amin'ny sary jeometrika ireo tsipika mahitsy miala avy amin'ny haavo iray ka mipaka amin'ny haavo mifanandrif y amin'io ka mamakivaky ny sary. Ahitsio
Savembena: ft.: Fanjenjenana mivezivezy ets? sy er?; fisaviliviliana miverimberina eo an-toerana ihany. - t.i.f.: Asavembena, tafasa-,vembena 1 manavembena, na manasavembena, fanasavembenana, na fanavembenana, mpanasavembenana, mpanavembenal anavembenana, fanavembenanal misavembena, fisavembena, mpisavembena 1 mahasavembena. Ahitsio
Savenavena: ft.: Toetran'ny zavatra misokatra be, miveraka; ny fery mitanatana, ny ranjo na fe misabaka be ka mampitanjaka. - t.i.f.: Savenavenaina, asavenavena, voasavenavena, tafasavenavena / manasavenavena na manavenavena, fanasavenavena na fanavenavena, mpanavenavena na mpanasavenavena 1 anasavenavenana, fanasavenavenana 1 misavenavena, fisavenavena, mpisavenavena / isavenavenana, fisavenavenana 1 mahasavenavena. Ahitsio
Savenavenaina: (sauenauena) mt. ih. (sauenavenao): Sokafana be, verahina. Ahitsio
Saveravera: ft,: Toetran'ny akanjo na ny lamba misariraka na tsy voasampina tsara, tsy tafina tsara. - t.i.f,: Saveraveraina, asaveravera 1 manasaveravera na manaveravera, fanasaveravera na fanaveravera, mpanasaveravera na mpanaveravera 1 anasaveraverana, fanasaveraverana 1 misaveravera, fisaveravera, mpisaveravera / isaveraverana, fisavexaverana / mahasaveravera. Ahitsio