Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Taino: a: Fihasimban'ny Haino. Ahitsio
Taintaina: a: Ombotrombotra tsaroan'ny tena amin'ny aretina. ? Tebiteby na tahotra toa miandry loza ihany. - t.i.f.: Manaintaina, fanaintaina / anaintainana, fanaintainana 1 mitaintaina, fitaintaina / itaintainana, fitaintainana. Ahitsio
Taintona: a.: Anaran-kazomaniry izay mamy sy mahafinaritra ny voany ary ny hazony anaovana karazan-karona. Ahitsio
Tairina: (taitra) mt. ih, (tairo): Fohazina: Aza tairina ny ankizy fa mbola maizina, ? Ampitahorina tampoka, ampivadihim-po: Notairiny aho ka nivadika iray ihany ny foko. ? Tabaina tampoka, ka matahotra na vaky mandositra: Aza tairinao ny ombinay. Ahitsio
Taita: a.: Jar. Tata. Ahitsio
Taitaizina: (taitay) mt. ih. (taitaizo): Dodonana, hafainganina. Ahitsio
Taitay: a: Fahadodonana, fahamaimaizana. * t.i.f.: Taitaizina, voataitay, tafataitay / manaitay, fanaitay, mpanaitay 1 anaitaizana, fanaitaizana / mitaitay, fitaitay, mpitaitay 1 itaitaizana, fitaitaizana 1 mahataitay. Ahitsio
Taitra: p. t.: Tsy matory intsony, efa mifoha na mahatsiaro: Tamin'ny dimy aho dia taitra aninaraina. ? Mivadipo, mirongatra tampoka eo am-pahitana zavatra mahatsiravina, na fandrenesana loza tsy nampoizina: Taitra aho nahita ilay aloka nivoaka avy tao anaty kirihitra ka nanitsy nankeny amiko. / Taitra Rakoto nandre ny vadiny voadonan'ny fiarak od ia. * t.i.f.: Tairina, ataitra, voataitra, tinaitra / manaitra, fanaitra, mpanaitra / anairana, fanairana 1 mahataitra / taitaitra / hatairana, fahatairana. - F.-p.: Tai-drembona, taidrempotra: azon'ny alahelo na ny embona tampoka. / Tai-drompotra: taitra amin'ny fikasokasoky ny ravi-na (jar. rompotra), taitra amin'ny tsinontsinona na hendratrendratra amin'ny tsy antony. / Tai-dronono mandroatra: mora taitra, mitabataba amin'ny zava-madinika. / Vonjy taitra: famonjena haingana atao amin'izay asian'ny fahavalo na tratran'ny voina tampoka. * Ohab.: Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra: tsy mirai-ka miaraka amin'ny olona rehetra, ka nony dodona avy eo manimba zavatra. ¶ M. h.: Ankona, kehana, mivadi-po, vahotra, varahontsana, tsy maharay tena, hendratra, miontana, mientana iray ihany, midobodoboka, mirongatra, misarongatra, miantsambotra, mitsamboatra, mikopapaka, mikoropaka, mamaky takotra. Ahitsio
Taitso: a.: Anaram-borona manga ny volony (Cona coerulea). Ahitsio
Taiza: p. mt.: Enti-milaza ny lasa amin'ny Aiza ka manontany ny toerana naleha: Taiza no nitsangantsangana ianareo omaly? Ahitsio
Taiza: a.: Zaza ampinonoina, karakaraina sy kolokoloina manokana: Tsy taiza intsony Ibalita fa efa zaza afamiahy tena. ? Ilazana ny zanak'olon-kafa mipetraka ao amin'ny tena ka atao toy ny zanaka: Taizanay tao an-trano Rakoto nandritra ny fito taona. - t.i.f.: Tezaina, ataiza, voataiza, tinaiza / mitaiza, fitaiza, mpitaiza / itaizana, fitaizana / mahataiza. * F.-p.: Taizan'aretina: farofy lava, marary matetika. / Taizan'andriana: ireo olona na zaza zanaky ny mpanompo teraka tao an-dapa ka ny mpanjaka no mikarakara azy. / Taizan'antitra: ilazana ny zaza omen-tsakafo matetika ka tsy misaina afa-tsy ny hanina. / Aza marofy taiza: firarian-tsoa mba hahasalama ny zaza tezaina. / Maroroha taiza: firariana ny zaza hitombo halehibeazana haingana. Ahitsio
Taka:Teny ilazana fanisana ny kofehy voafoly isantokony folo: Kofehy valo taka. Ahitsio
taka:Marina, indrindra amin'ny isa: Folo taka: folo marina tsara, tsy mihoatra tsy latsaka, folo jipotra tsara Ahitsio
Takaitra: na Taketra a.: Kilema ara-batana hatrany an-kibondreny na azo tamin'ny voina na aretina nahavoa, ka tsy mety hafenina intsony: Tany an'ady no nahazoan-dRabe an'io takaitra io. ? Fahasimbana, tsiny, kilema: Misy takaitra kely lahy ity lovia porosolaina ity. * F.-p.: Homan-takaitra: mihinana zavatr' olona izay mbola tsy maintsy honerana any aoriana. Ahitsio
Takalitra: rat.: Kalita. Ahitsio
Takalo: (Ski) a.: Anaran-kazandrano sahala amin'ny bontàna saingy fihinana. Ahitsio
Takalo: a.: Zavatra mitovy vidy amm'ny zavatra iray ka aso-10 azy: Ity boky ity ve no takalon'ny bokiko vaovao? Tsy hanaiky izany aho. ? h. i.: Fanomezana zavatra iray olona, hatao solon-javatra hafa avy aminy, izay ilain' ny tena: Taloha raha mbola tsy nisy ny vola, dia takalo no nifanaovana fa tsy varotra. i t. Cf.: Takalozana, atakalo, voatakalo / manakalo, fanakalo, mpanakalo / anakalozana, fanakalozana / mitakalo, fitakalo, mpitakalo 1 itakalozana, fitakalozana / mahatakalo. Ahitsio
Takalozana: (takalo) mt, ih. (takalozy): Soloana zavatra heverina ho mitovy vidy aminy: Notakalozany ny malabariny ny palitaoko. Ahitsio
Takamoa: a.: Tamaboha boribory nofoanan-drivotra ao anatiny ary Inlay tsiratsiraka andalovan-drianaratra ka zary mena mivaivay miteraka hazavana; ampola. Ahitsio
Takarina: a.: Fandehanana miresaka na mihinana any antranon' olon-kafa. - t.i.f.: Atakarina, tafatakarina / mitakarina, fitakarana, mpitakaxana / itakarinana, fitakarinana / mahatakarina. Ahitsio