Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tavo: a.: Fofon-jabora manta: Maimbo tavo ny volon'io vehivavy io. Ahitsio
Tavoa: a. (t. tr.): Anarana nilazan'ny Ntaolo ny zavatra voamboatra ho boribory lavalava (niavian'ny hoe: tavoahangy, tavoara). - F.-p.: Tauoa jerijery: nY tandron-trano noboriborina ho tahaka ny tandrok'omby ka ho tsara tarehy am-pijerena. Ahitsio
Tavoahangy: a.: Fitoeran-drano vita amin'ny tamaboho, izay lavalava boribory ny bikany ary misy tendany na vozony teritery: Tauoahangim-panafody. Ahitsio
Tavoara: a.: Siny kely lavalava tenda vita amin'ny vatovary izay atao fametrahandrano mangatsiaka eo ambony latabatra. Ahitsio
Tavohana: (tauoka) mt. ih. (tavohy): Kapohina mba hialan'ny vovoka. / Tsapaina, asiana don-tandroka. Ahitsio
Tavoka: a.: Fikapokapohana zavatra mba hanalana ny vovoka aminy. 1 Fitsapana mba hahalalana zavatra iray izay odiana ohatra ny efa fantatra; don-tandroka. - t.i.f.: Tavohana, atavoka, voatavoka f manavoka, fanavoka, mpanavoka, na manatavoka, fanatavoka, mpanatavoka / anavohana, fanavohana na anatavohana, fanatavohana f mitavoka, fitavoka, mpitavoka/ itavohana, fitavohana f mahatavoka f tavotavoka. Ahitsio
Tavoka: a.: Vy boribory lava-lava miakatra sy midina ao anatin'ny vatan'ny paompy ka misintona mampakatra ny rano na manosika azy kosa. - Lamba atao manodidina ilay vy boribory lavalava voalaza eo ambony. Ahitsio
Tavolo: a.: Teny ilazana karazan-javamaniry anaovana koba, na io koba io mihitsy koa. Maro no ampiasana ny tavolo: na hanina izy (ka fanampenana mahomby tsara raha mivalana), na anditiana taratasy, na anenjanana lamba. Ahitsio
Tavolobembasy: a: Ny fantsona anatin'ny basy. Ahitsio
Tavolohazo: a.: Hazo anaovana menaka ny voany ary ny tahony fandrehitra hitsilovana ny dia raha mandeha akna any anaty ala. Ahitsio
Tavona: a.: Fanosorana na fanosenana menaka na ranondranon-javatra marihidrihitra be dia be. - t.i.f.: Tavonana, atavona, voatavona f manavona na manatavona, fanatavona, mpanatavona / anatavonana, fanatavonana f mitavona, fitavona, mpitavona f itavonana, fitavonana f mahatavona. Ahitsio
Tavonana: (tavona) mt. ih. (tavony): Hosorana, hosenana (menaka), fotetahana: Tavony menaka ny miuonto. Ahitsio
Tavony: a.: Fonon'ny zaza raha mbola ao an-kibon-dreniny, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe ahitrana zandrin-jaza. (Tsy maintsy alàna tsara tsy misy hamelana ny tavony na ahitra rehefa avy miteraka, fa raha tsy izany mety hankarary; araka ny fomban'ny foko sasany dia alevina any anaty tany ny tavony; avy amin'ireo toetra amam-pomba mikasika ny tavony ireo no nahatonga ny fombam-piteny toy ny hoe: Mandihy tsy afa-tavony: mifaly ambony ihany nefa mbola misy loza mananontanona; ny tany nahalatsahan'ny tavony: enti-milaza ny toerana nahaterahana). Ahitsio
Tavozavoza: p.t.: Jer. Vozavoza. Ahitsio
Tavy: a.: Fanatazan-drano maloto avy nisasana na ny fivalanana: Tavin-drano, tavimandry. • Lakan-kely fampihinanana vorona na kisoa vita amin'ny hazo matetika; kilàny: Tavinkisoa. ? Vakivakim-bilany na villa: Tavim-bilia. * Ohab.: Tavim-bilany ny aina ka tsy fantatra izay hahavakisany: enti-milaza fa malia aoka izany ny aina ka tsy hitahita akory ny hahapotehany. Ahitsio
Tavy: a.: Fomba fanaon'ny mponina akaikikaikin'ny morontsiraka amin'ny fambolem-bary: kapainy ny ala, dia dorany ary ny tany voazeziky ny lavenon'ala no fafazany vary. ? Ny tanimbary an-tanety izay volena rehefa avy nodorana ny ahitra teo aminy. Ahitsio
Tavy: a.: Menaka mivaingana fotsy izay miraikitra amin' ny nofo; sabora: Tavin-kena. 1 t.i.f.: Hatavezina, tavezina f mankatavy, fankatavy f ankatavezana, fankatavezana / mahatavy / hatavy, hatavezana f matavy. - F.-p.: Tauy rano: enti-milaza hatavezana mihodrahodra, mivindimbindina be ihany. / Sady tauiny no uolony: enti-milaza olona mana-na ny toetra soa rehetra, ohatra — raha olona halaina iro vady no resahina — sady mpanankarena no tsara tarehy. ¶ M.h.: Lamy, jabora, sabora, matomperina, menaka. Ahitsio
Tay: a.: Loto maimbo mivoaka amin'ny vavafivalanana, zay tsy inona fa faika tsY levona avy amin'ny sakafo nohanina: Lava-tay. ? Loto amin'ny...: Tain-koho, taintsofina. ? Faika: Tain-kafe. - F.-p.: Tai-maso: tsiranorano fotsifotsy manjary mivaingana eo amin'ny sisin' ny maso rehefa mifoha, amin'ny maraina. / Taim-bankona: Hofakofa-kazo manify sy mihorongorona avy amin' ny hazo vankonina. / Taimbodina: enti-milaza ny akoho kely na zanak'ondry izay mbola miraikitra amin'ny vavafivalanany ny maloto avy aminy. / Taim-by: ilazana ny harafesina na tain-drendrika avy amin'ny vy. / Tai-moty: fivalanana mafy sy boribory toy ny tain'ondry. / Taimboraka: 1) ny sakafon'ny omby na ny ondry mbola hi-ta ao amin'ny rorohany rehefa vonoina izy; 2) zavatra tsy misy vidiny. / Tain-delo: zavatra fotsifotsy mitambatra manentsina ny orona, firingan-delo efa maina. / Taindrabaraba: ilazana ny taimboalavo. / Tain-drano: dilatra miraikitra amin'ny tena raha avy mandro amin'ny rano be fotaka na dilatra miraikitra amin'ny zavamaniry sy ny vato rehefa misintona ny rano. / Tain-droroha: diky na fivalanana tavela ao anaty tsinaiben'ny omby na biby vonoina rehefa rasaina. / Tai-nify: loto avy amin'ny zavatra nohanina mipetaka amin'ny vatan'ny nify. / Tain-kankana: tany mivongambongana na miangonangona avy amin'ny kankana. / Tain-kena: zavatra mitsiranorano voahidy ao anatin' ny tsinay kely amin'ny biby vonoina. / Tain-kilanjy: ny faika miafitra amin'ny fanambanin'ny tavy fifohan' ny mpifoka rongony. / Tainkoho: ny loto hita amin'ny hohon-tongotra sy tanana. / Tain-tany: ranontany avy amin'ny lavaka nohadina na noloahana. / Tain-tatatra: tany na fotapotaka nesorina avy amin'ny lalan-driaka na lakan-drano manondraka ny tanimbary. / Tain-toaka: ny faika miafitra amin'ny fanasitiliana fanaovan-toaka. / Tain-tombana: rano mivoaka ny tanimbary noho ny fahasimban'ny bainga niaro azy. / Tain-tsarika: ny potipotiky ny rmdra na silatsilaky ny kiran-dratsy nesorina tamin' izy ireo, nialoha ny handrariana sy hanenomana azy. / Tain-tsofa: ny vovoky ny hazo avy amin'ny nanatsofana azy./Tain-tsigara: ny lavenona mihintsana avy amin'ny sigara fohina. / Tain-tsofina na tain-tadiny: loto mitambatra mavomavo ao anaty sofina. / Tay tsy raha: zavatra tsy misy antony, tsinontsinona. / Homan-tain'orana: enti-milaza ireo olona fohy kely tsy mitombo halavana. / Tay be am-bauan'ny mpamosauy: teny ilazana ny zava-dratsy maharikoriko sy maloto eo am-pitantarana ny loza mety hihatra. / Tay manala sasatra: ilazana ny olona kamo ka manararaotra ny fandehanana mivalana any an-tranokely mba hakana ai-na, olona mijanona ela loatra ao an-tranokely rehefa mivalana. Ahitsio
Tazana: t. ih.: Hita na tsinjo lavitra: Tazanao ue irait fiaramanidina eny am-paravodilanitra irv? - t.i.f.: Tazanina, voatazana / mitazana, fitazana, mpitazana / itazanana, fitazanana / mahatazana 1 tazantazana. Ahitsio
Tazanina: (tazana) mt. ih. (tazano): Jerena lavidavitra: Tazano irv vorona ir? fa mihevingevina toa hianjera. Ahitsio