Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tafintohinina: (tafintohina) mt ih. (tafintohino): Entimilaza ny zavatra nidonan' ny tongotra, ny olona natao izay hahatezitra na hahasorena azy tamin'ny fiteny na toetra tsy mendrika naseho azy: Notafintohininao ny zanakao tamin'ny nanaouanao io asa io. Ahitsio
Tafioka: a.: Ny feon'ny rivotra mizozozozo rehefa mifampikasoka amin'ny ravinkazo na ny elakelaky ny hazo maniry na amin'ny hiriky ny varavarana. Ahitsio
Tafiotra: a.: Rivotra mahery. Ahitsio
Tafita: (ita) mt. ih.: Tonga ery an-dafin-drano, ery an-dafinkady., ? h.o.: Tody amin'izay riokendrena: Azo lazaina fa tafita daholo ny zanak ao. * Ohab.: Tafita uao rendrika: tapak'ohabolana io: Bo-ka milomano: tafita uao rendrika: enti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin'ny ho tonga amin'izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan'ny sampona tsy azo anoarana). / Tafita a?oha, alalan'ny aoriana: raha tafita aloha ny tena, narovan'ny avy aoriana no nahavitana izany. Ahitsio
Tafitafy: p. t.: (Varavarana) Mivoha sasaka, sady tsy mikatona tsara no tsy midanadana tanteraka. - t.i.f.: Atafitafy, voatafitafy, tafatafitafy / manafitafy, fanafitafy, mpanafitafy/ anafitafiana, fanafitafiana / mitafitafy, fitafitafy, mpitafitafy / mahatafitafy. bony indrindra: Vao nolokoana ny tafon'ity sarety ity. ? Zavatra entina mandrakotra, manarona ny trano, talla: O-hatrinona ny aria() amin'itony tafo itony? (rehefa mipetaka amin'ny trano izy no a-tao hoe tafontrano). ? Ny fitambaran'ny sarona na rakotry ny trano: Izao tsy mbola misy orana izao no fotoana tsara fanamboarana ny ta-fo (eto izy dia azo soloana hoe: tafontrano). - t.i.f.: Tafoana, atafo, voatafo / manafo, fanafo, mpanafo / anafoana, fanafoana / mitafo / itafoana, fitafoana / mahatafo. - F.-p.: Tafo be: fitambaran' ny ilan'ny tafo anankiroa. / Tafo bondrona: bozaka na herana alaina amin'ny trano efa raya. / Tafo lanitra: enti-milaza irony tafo efa simba izaitsizy ka tazana avy ao anaty trano ny lanitra. / Tafonanahary: ny lanitra, ny habakabaka. Karazan-tafo: tafo bozaka, tafo hazo, tafo fanitso, tafo kapila na tafo tanimanga. / Tafon-tranon' andriana: 1) ny trano rehetra, satria noheverina fa ny andriamanjaka no tompony voalohany; 2) ny trano ipetrahan'ny andriamanjaka; 3) enti-milaza ny olona nafahana tamin'ny fanandevozana na olom-potsy, satria ny mpanjaka ihany no noheverina ho tompony. / Nalefa ho tafon-tranon'andriana: enti-milaza ny mpanompo novotsorana tsy ho andevon' olona intsony. * Ohab.: Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka: entiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. Ahitsio
Tafoaka: ft.: Ilazana ny mihoatra, ny mitafotafo. - t.i.f.: Tafafoaka / manatafoaka, fanatafoaka, mpanatafoaka / anatafoahana, fanatafoahana / mitafoaka, fitafoaka, mpitafoaka / itafoahana, fitafoahana. Ahitsio
Tafoana: (tafo) mt. ih. (tafoy): Asiana tafo: Tafoana ny trano rehefa uoapetaka ny ?ohatrano sy ny uarivariny. Ahitsio
Tafofoka: Mitovy amin'ny Safofoka. Ahitsio
Tafoforana: a.: Fitaovan'ny mpanefy itsofany ny afo. Ahitsio
Tafoforina: (tafofotra) mt. ih. (tafofory): Itsofan'ny rivotra mafy. Ahitsio
Tafofotra: a.: Fifofofofon'ny rivotra mitsoka mafy. ? h.o.: Firimorimoana mafy. - t.i.f : Tafofôrina / mitafofotra, fitafofotra, mpitafofotra / itafoforana, fitafoforana / mahatafofotra. Ahitsio
Tafolo: a.: Enti-milaza ny isa mandeha tsifolofolo ny venty sy ny jotso na songatombo aminy. Ahitsio
Tafolorana: a.: Hazo lava misy tadivavarana haningorana vorona. Ahitsio
Tafondro: a.: Fiadiana lehibe fan defasam-baomba entina miady any an-tafika, izay matetika entina kodiarana. - F.-p.: Tafondro faham-bava: tafondro mifahana avy eny am-bavany. / Tafondro faham-body: tafondro izay any amin'ny vodiny no atsofoka ny baombany. / Tafondro manodidina: poa-tafon dro indroa ambin'ny folo izay natao taloha rehefa misy firavoravoan-dehibe na fandraisam-bahiny manankaja ambony. / Tafondro mandeha: tafondro misy kodiarana azo entina mifindrafindra. / Tafondro maro vaua: tafondro mahavoaka ba-,la maromaro sy ankisesy ao anatin'ny fotoana fohy. / Tafondro miandry tsena: entimilaza ireo saonjo milahadahatra toa tafondro eny antsena. Ahitsio
Tafontrano: a.: Sarona ambony amin'ny trano mipetaka amin'ny vovonana sy ny lohatrano ary ny haratra sy-ny varivariny. - F.-p.: Tafontrano-mpanjaha: fahizay, mpanompo nalefa ho olom-potsy tsy ho andevo intsony. Ahitsio
Tafotafo: p. t.: Feno avo loha, mihoatra ny vava farnarana (tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe: feno): Feno tafotafo. * t.i.f.: Mitafotafo, fitafotafo. Ahitsio
Tafotsiny: Jer. Tapotsiny. Ahitsio
Tafy: p. t. : Tsy mitovy ny ilany roa fa samy hafa; enti-milaza zavatra roa ka ny ankilany kely, na tailana, na misondrotra avo kokoa noho ny andaniny: Tafy ila ny tafon-tranon-dry zareo er9 ambony andrefana. * F.-p.: Tafy loha: ilazana zavatra izay ny tendrony ilany avo ary ny ilany iva. / Tafy rariny: tsy mitovy fitondra fa ny sasany omena tombon-tsoa, ny sasany kosa iangarana. / Axa tafy rariny: firariana fanaon'ny taloha: Enga anie ka ho tojo ny sahaza sy mendrika anao ianao. / Tafy soratra: misy pentina tsy mitovy fipetraka, toy ny omby izay misoratra lehibe amin'ny ilany havanana ary kely kosa amin'ny ilany havia. Ahitsio
Tafy: a.: Fandrakofan-damba na akanjo ny tena. * t. i.'f.: Tafina, tafiana, atafy, voatafy, tinafy / manafy, fanafy, mpanafy / anafiana, fanafiana / mitafy, fitafy, mpitafy / itafiana, fitafiana / mahatafy. Ahitsio
Taha: a.: Karazan-tsazy atao onitry ny zavatra tsy ara-dalàna natao tamin'olona. ? Vola na zavatra nomen'ny lehilahy ny vadiny voalohany raha manaiky ny hirafy amin'ny vehivavy hafa io vehivavy io. ? Onitra nomen' ny mpiampanga ilay olona narnpangaina raha ohatra ka voamarin'ny fampinomana fa tsy manan-tsiny ilay io. ? Fampitoviana olona na zavatra maro rnba hahafantarana izay tsars na lehibe na ambony kokoa. ? Vola alatsaka ao anaty renirano hitana mba ho tafita soa aman-tsara ireo mita. * t.i.f.: Tahana, ataha, voataha, tinaha / manaha, fana-ha, mpanaha / anahana, fanahana / mitaha, fitaha, mpitaha / itahana, fitahana / ampitahaina / mampitaha, farnpitaha, mpampitaha / ampitahana, fampitahana / mahataha. Ahitsio