Litera Z

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Zaitra: a.: Fampikambanana lamba amin'ny kofehy mba hahatonga azy ho akanjo: Tsy mbola mahay zaitra i Bozy kely. ~ Fomba nanjairana: Tzara zaitra it? akanjonao it? izany! i Zairina, voazaitra, zinaitra 1 manjaitra, fanjaitra, mpanjaitra 1 anjairana, fanjairana 1 mizaitra, fizaitra I izairana, fizairana 1 mahazaitra 1 zaijaitra. Ahitsio
Zaka: a: Dity, fitondràna: Fikasana an'olombelona fa ny zaka an-Janahary. 1 mt th. ft.: Azo entina fa tsy mavesatra amin'ny tena: Zakako io vota io. (t Lefitra: Tsy zakako intsony ny ataony ahy. ~ Tanty: Tsy zakany, hono, ny fahoriany fa mafy loatra. ~ Aritra: Zakanao ve izany hafanana 36° izany? ~ Hay alamina, karakaraina: Mbola kely izy ka tsy zakany ny fananany. - t.i.f.: Zakaina, voazaka I manjaka, fanjaka, mpanjaka ; anjakàna, fanjakàna ; mizaka, fizaka, mpizaka ; izakàna, fizakàna 1 mahazaka 1 ahazakàna, fahazakàna 1 zakazaka. - F.-p.: Mahery zaka: sarotra entina, sarotra fehezina. / Mihory zaka: manao araka ny faniriany, manaran-tsitrapo. / Olon-jako: olom-pehezina. * Ohab,: Ny fahoriana mahazaka maniraka: enti-milaza fa rehefa sendra fahoriana ny tena, mitotototo atsy, mitotototo ary, mitady izay hivelomana. Ahitsio
Zaka: a.: Teny, resaka, tafa. i tif: Mizaka, fizaka, mpizaka 1 izakàna, fizakàna. Ahitsio
Zakaina: (zaka) mt. ih. (zakao): Leferina: Zakao ny zava-tsarotra fa hisy ualiny ihany izany. 1 Entina, fehezina, didiana: Niala ilay mpampianatra fa tsy hainy zakaina, hono, ireo mpianatra maditra ireo. •Karakaraina, iantohana: Nozakain'ny fokonolona daholo ny sekoly tao amin'ny fokontany. Ahitsio
Zalahy: s.a.: Teny ilazan'ny tovolahy ny tovolahy tahaka azy, ka fomba roa no ampiasany azy: 1) enti-miantso: Andeho hiasa, ry zalahy a! 2) ilazana ny hala, ka ambara amin'izany fa tsy ao anatiny ny tena: Ry zalahy no nanao an'io koah! / Lazain-dry zalahy fa... Ahitsio
Zama: (Tsm) a.: Anadahin-dreny. Ahitsio
Zama: a.: Ahitra eny anaty rano. * F.-p.: Asa rama: asa be ahitra anaty rano. Ahitsio
Zambazamba: p.t:: Be dia be, ilazana isa mihoatra izay azo saintsainina. * F.-p.: Tsy hita zambazamba: 1) tsy hita isa; 2) tsy azo oharina, tsy manam-paharoa. Ahitsio
Zana-tsindrife: zanaky ny mpanompovavy tamin'ny tompolahiny. / Zanaka antrano: zanaka tsy nateraka fa velomina sy karakaraina toy ny zanaka. / Zana-bantony: ny zanaka nateraka voalohany. / Zana-baratra: enti-milaza ny zanaka na zaza notezaina, nefa tsy mahay mankasitraka ary manisy ratsy indray aza aty aoriana. / Zana-bohitra: vohitra kely. / Zana-bola: ilazana ny vola aloan'ny mpisambotra ambonin'izay nosamboriny. / Zana-dandy: soherina avy amin'ny landy. / Zana-dreniny: ilazana ny zaza zanaky ny vehivavy efa miandoha ho lehibe. f Zanakalo: olona hafahafa, sarotsarotiny. / Zanakazo (jer. io teny io). / Zanak'entana: zavajavatra amponosana manampy ny tena entana entina. / Zana-tany: ny teraka tao amin'ny tany niaviany. f Zana-tefY: ny zaza entin-drainy manaraka azy eny an-tsaha ka miara-misakafo aminy nefa tsy mba niasa akory. / Zanatohatra: ny hazo mitsivalana amin' ny renitohatra. / Zana-tsipika: hazo marani-doha alefa amin'ny tsipfka. / Zana-tstrika: hazo noranitina ka nofehezina volomborona madinika ny tapany mba hitsoriahany rehefa alefa ao anatin'ny renitsfrika. / Atao zanaky ny maty: enti-milaza olona tokony mba hotiavina, nefa toa hadinoina na tsy izarana soa. / Mivolo zanaka: enti-milaza ny ray aman-dreny izay miangatra amin'ny samy zanany na zana-kavany. / Mampihanta zanaka:mampanaram-po ny zanaka. * Ohab.: Manao zanaka anaty fo maharary: enti-milaza ny ray aman-dreny miangatra amin'ny zanany naterany, izay heveriny ho hany mahalala mangixifiry, fa ny an'ny hafa tsy ahoany na kely akory aza. / Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika: enti-milaza fa na dia izay tiana lndrindra aza, raha tafahoatra ny toetra asehony dia akipaka. ¶ M.h.: Nateraka, silaky ny aina, sombin'ny aina, menaky ny aina, naloakan'ny kibo. Hevitra iray tarika: Zana-drahalahy, zana-drahavavy, zanak'anadahy, zanak'anabavy, tsy omby kibo, solo, solofo, dimby, taranaka, teradRanona, zaza navelan-dRanona, zaza natsangana. Ahitsio
Zanabolana: a.: Antontan-javatra goavana alefan'ny olombelona eny amin'ny habakabaka, nefa tsy mihoatra ny faritra ahazoan'ny tany misintona azy, ka manjary toy ny volana kely manodidina ny tany ary ampiasain'ny olo-mahay amin'ny fikarohana ara-tsiansa. Ahitsio
Zanafaly: (Atm) a.: Zanatsirika misy poizina miharo voan-tsakay voatoto. Ahitsio
Zanahary: a.: Teny enti-milaza an' Andriamanitra, NatLahary. (Marihina fa ny Z sy N dia renisoratra azo am fanoloina indraindray, t ka ny hita, ohatra, aminj hoe: Zaotra sy Naotr Ahitsio
Zanahina: (zanaka) mt, ih. (zanaho): Atsangana ho zanaka: Nozanahin-dRakoto mivady Isambilo kely. • Ampiterahina, asiana zanany, hanaina: Hampisamboriko roa ariuo ianao fa hozanahinao anefa ny volako. Ahitsio
Zanaka: a.: Olona na biby nateraky ny hafa, na tokotokony ho izany ara-taona na dia tsy naloakan'ny kibony aza: Tokony hanaja sy ho tia ny ray aman-dreniny ny zanaka. / Zanak'omby. ? h. o.: Vola ateraky ny petrabola na vola nosamborina: Zana-bola. - t.i.f.: Zanahina I manjanaka, fanjanaka, mpanjanaka 1 anjanahana, fanjanahana 1 ampanjanahina 1 mampanianaka / fampanjanahana / mizanaka. - F.-p.: Zanaka naloakan'ny kibo: ny zaza nateraka. / Zanaka natsangana: olona nozanahina ho zanaka teo anatrehan'ny fanjakana. / Zana-bady: zanaky ny vady ta-min' olon-kafa. I Zana-dranitra: zanaky ny mpanompolahy tamin'ny tompovaviny. Ahitsio
Zanapeo: a.: Anarana omena ny zanatsoratra eo amin'ny fanononana. Misy karazany roa ny zanapeo, dia ny zanapeo tsotra ary ny zanapeo sosona (ao, ai, oi...). Ahitsio
Zanaraly: na Zaranaly a.: Tsy fampiasa intsony ireo teny ireo fa Jeneraly no fiteny ankehitriny (jer. io teny io). Ahitsio
Zanatany: a.: Tany izay zanahin'ny tany iray hafa, izany hoe alainy an-keriny na ankafetsena ho eo ambany fifehezany ka mifamatotra aminy amin'ny lafiny maro: ara-barotra, ara-toe-karena, ara-tsaina... Ahitsio
Zandary: (fr. gendarme) a.: Antokon'olona sady manao raharaha-miaramila no miandraikitra koa ny fandriampahalemana sy ny filaminana toy ny polisy. Ahitsio
Zandiana: (fr. indienne) a. na p, t.: Teny enti-milaza lamba somizo be soratra. Ahitsio
Zandrimpeny: a.: Ilay tonontaolana voalohany amin'ny ela-borona, atao koa hoe "solompeny". Ahitsio