Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atantavana: (tantauana) mt. fit, (atantavano): Entina manatantavana na manatsika, manadio rano amin'ny alalan'ny fanatantavanana, Ahitsio
Atanteraka: (tanteraka) mt, fit. (atanteraho): Entina manatanteraka, mandoaka hatrany ambadika. Ahitsio
Atanty: (tanty) mt. fit. (atantazo): Entina mananty, mandray avy eo ambany. Ahitsio
Atao: (tao) mt. at (ataouy): Karakaraina sy vitaina: Ataouy ny raharahanao fa aza be resaka eo. • Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy • Ampiasaina ho: Notaony mpampianatra ny zanany aho. • Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony. • Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra. • Ahosotra, apetaka: Fanafody a-tao amin'ny tongotra. • Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano, • Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? Ahitsio
Ataoma: (fr. atome) a.: Ny ilany kitika kely indrindra amin'ny fiforonan'ny tenanjavatra izay mizara roa: ny tenany, ary ny hery roa manodidina azy atao hoe "neutron" sy "proton". Misy tenan' ataoman-javatra sasantsasany izay rehefa misaratsaraka dia manan-kery faran'izay mafy, ka nampiasain'ny manam-pahaizana hanaovana ireo atao hoe baomba ataomika, baomba manan-kery tsy hita noanoa, Ahitsio
Ataomika: (fr, atomique) p. t.: Izay momba ny ataoma. Ahitsio
atapina:entina manapina, oh. atapina lavaka Ahitsio
Atapitapy: (tapitapy) mt, at. (atapitapio): Atao na alefa miatoato. Ahitsio
Atapoaka: (tapoaka) mt. fit. (atapoahy): Entina manapoaka. Ahitsio
Atapy: (tapy) mt, at. (atapio): Atanina amin'ny hainandro: Atapio ireto lamba ireto ho maina tsara. Ahitsio
Ataratra: (taratra) mt. fit. (atarafo): Entina mitaratra, izany hoe mijery zavatra ao ambadika lamba iray na mitily olona amin'ny tsirim-pahazavana alefan'ny fitaratra. Ahitsio
Atarazo: (tarazo) mt, at, (atarazoy): Ahantona, akirazorazo, ohatra ny lamba, amin' ny tady. Ahitsio
Atarika: (tarika) mt. fit, (atariho): Entina mitarika: Omby firy no atarikao it? sarety ir?? Ahitsio
Atataka: (tataka) mt. at.: Antsodina. Ahitsio
Atataka: (tataka) mt. fit (atataho): Entina manataka. Ahitsio
Atatao: (tatao) mt, at. (atataovy): Atao, apetraka eo ambony loba: Natataony ny sininy dia lasa izy fa tsy nila resaka tamin'ny mpantsaka namany, • Ampiana hametraka eo ambony loba: Natataon-jokiny izy fa tsy zakany ilay siny. / Atataouy aho, rey olona, fa mavesatra ny anjarako (Dox). Ahitsio
Atataro: (tataro) mt, fit. (atataroy): Entina manafo na manatataro: Labasy no natataro ilay tranoheva nametrahana ny razana havadika. Ahitsio
Atatatata: (tatatata) mt. at. (atatatatao): Atao mitatatata, maneno mafy toa manao hoe "tatatata, tatatata". Ahitsio
Atatatra: (tatatra) mt, fit. (atataro): Entina manatatra, manao tatatra. Ahitsio
Atatavoka: (tatavoka) mt, at. (atatavohy): Apotraka, azera. Ahitsio