Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ahaona: (haona), mt. at. (ahaony): Atao izay hifanenany, asaina mifanatrika: Nahaona ny an-kilany sy ny an-daniny teny amin'ny fitsarana. 1 A-kambana, ampiadina, atambatra, avitrana: Ahaony ireo hazo roa ireo. Ahitsio
Ahaotra: (haotra), mt. fit. (ahaory): Entina mihaotra, na mikiky amin'ny hoho ny faritra mangidihidy amin'ny tena: Kifafa kely no ahaotran'i Nenibe ny lamosiny fa tsy takany. Ahitsio
Aharatra: (haratra), mt. fit. (aharato) : Entina manaratra: It? hareza it? aharatra ny volombavanao fa maranitra tsara. Ahitsio
Aharatsaka: (haratsaka), 'nt. fit. (aharatsaho) : Entina manaratsaka, mamarana, manatsaka. Ahitsio
Aharihary: (harihary), mt. at. (aharihario): Aseho tsara manontolo fa tsy misy miafina: Naharihariny ny marina ha menatra foana ireo nanendrikendrika azy. Ahitsio
Aharo: (haro), mt. at. (aharoy) Afangaro, atao mikambana: Naharony tamin'ny gisanay ny gisany ka nanahirana ny nanauaka azy. * Ohab.: Vary zato naharon' ny sompitra: enti-milazaolona samy hafa toerana na fonenana nefa nakamban'ny ra maha-mpihavana. Ahitsio
Aharoka: (haroka), mt. fit. (aharofy): Entina mikaroka, mitady. Ahitsio
Aharona: (harona), mt. fit. (aharony): Entina mangarona, manatsoboka tanana ao anaty zavatra. Ahitsio
Ahasina: (hasina) mt. at. (ahasino): Omena hasina, ankatoavina ho masina: Nahasin'ny ambanilanitra tamin'ny uolatsivaky ny mpanjaka fahiny rehefa tonga ny Fandroana. Ahitsio
Ahasina: (hasina), mt. at. (ahasino): Aolana. ~ Akivilivily, rotsirotsina: Ahasino io zozo io fa voky loatra. Ahitsio
ahasiny:Jereo [hasina], [manasina], [ahasina] Ahitsio
Ahasohaso: (hasohaso), mt. fit. (ahasohasoy): Entina manasohaso, mandokadoka: Teny mirehidrehitra no nahasohason'ilay mpikabary ny lehiben'ny fokontany, Ahitsio
Ahataka: (hataka), mt. at. (ahataho): Atao mifanalavitra tsy ampifanakekezina: Tokony hahataka kely ny tongotr'it? latabatra it?. 1 Sarahina, atokana: Nahoana no nahatakareo at? izahay? Ahitsio
Ahàtra: (hatra), mt. at. (aharo) Atao mipaka amin'ny..., atao mianjera, miantefa amin'ny: Tsy azonao ahatra aminy izany lalàna izany satria olona marary sain izy. Ahitsio
Ahatsaka: (hatsaka), mt. fit. (ahatsaho): Entina manatsaka, izany hoe: a) mamarana, mikiky zavatra; b) mihady tany avoavo hanaovana lalana. Ahitsio
Ahatsika: (hatsika), mt. fit. (ahatsiho): Entina manatsika na miantso. ~ Ilazana koa ny basy vaikaina. Ahitsio
Ahavingavina: (hauingauina), mt, at. (ahavingauino): Atao kitoatoa, atao mosalahy. Ahitsio
Ahavitravitra: (hauitrauitra), mt. at, (ahauitraviro): Atao kitoatoa, atao mosalahy. Ahitsio
Ahay: p. mt.: Fara faharatsiny: Raha tsy hamahana io mahantra io ianao, omeo vola kely ahay izy hamidiny mofo. Ahitsio
Ahazakazaka: (hazakazaka), mt. fit. (ahazakazaho): Entina mihazakazaka, ampiasaina amin'ny hazakazaka. Ahitsio