Ahosina | : | (hosina), mt. at. (ahosino): Atao tonga boribory, na boribory lavalava.
Ahitsio |
Ahosina | : | (hosina), mt. fit. (ahoseno): Entina manafotetaka, atavona: Tsy manaiky a-ho fa nahosiny ny bokiko na arim-bilany. 1 mt. at.: Fotetahana loto, vovoka...: Ahoseno amin'ny vouoka ange iny akanjonao uaovao iny e!
Ahitsio |
Ahosotra | : | (hosotra), mt. at. (ahosory): Atao hosotra: Menaka manitra no nahosony ny volony ka nandraraka eran'ny trano.
Ahitsio |
Ahosy | : | (hosy), mt. fit. (ahoseo): Entina mihosy: Tsy nahita omby ahosy ny tanimbarinay aho. 1 mt. at.: Entimilaza ny zavatra asaina ho-sana: Ny tanimbarinaY amict hahosy uao ny anareo.
Ahitsio |
Ahotra | : | ft.: Ato, ianona, anona, anina. t.i.f.: Ahorina, voahotra I miahotra, fiahotra, mpiahotra / iahorana, fiahorana / mahahotra.
Ahitsio |
Ahotsaka | : | (hotsaka), mt. at. (ahotsahy): Alona, atsoboka, aroboka ao anaty rano.
Ahitsio |
Ahozongozona | : | (hozongozona) mt. fit. (ahozongozony): Entina manozongozona, manofokofoka: Baramina no nahozongozony ny vato. - mt. at.: Atao mihozongozona, mihetsiketsika: Nahozongozon'ny sasany ny fanjakana.
Ahitsio |
Ahy | : | ft.: Tahotra. - t.i.f.: ahina, voahy ) manahy, fanahy, mpanahy ) anahiana, fanahiana / miahy, fiahy, mpiahy / iahiana, fiahiana / ahiahy J miahiahy, fiahiahy, mpiahiahy / iahiahiana, fiahiahiana.
Ahitsio |
Ahy | : | mpisolo anarana misolo olona enti-milaza: ny olona miteny raha atao teny fameno: Raha van nahita ahy izy dia nandositra. •Raha milaza tompon-javatra: Ahy it? boky it?. ? Ny ahy: enti-misolo anaran-javatra ananana raha ny tena no tompony: La-fo kokoa ny satrokao noho ny ahy.
Ahitsio |
Aiay | : | a.: Karazan-gidro mpivoaka alina, tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara.
Ahitsio |
Aidina | : | (idina), mt. at. (aidino) Atao, alefa midina, entina ho amin'ny toerana iva na ambany kokoa: Aidino kely ilay latabatra ao ambony rihana. 1 Arotsaka (rano na voan-javatra): Aidino moramora ao an-tsinibe ny rano. / Naidina tao an-davabary ny vary rehetra. 1 Arendrika dia alatsaka ao anaty lasitra: Naidina fotsiny angamba it? antsy it? fa tsy mba notefena.
Ahitsio |
Aidinono | : | a.: Zavamaniry manampina ny fivalanan-dra (Euphorbia hirta).
Ahitsio |
Aiditra | : | (iditra), mt, at. (aidiro) Atsofoka ao anatin'ny...:Naiditro ny fanalahidy fa tsy nety. ? Ampidirina, alatsaka: Naiditro ao amin'ilay sekoly ao akaikinay ny zanako.
Ahitsio |
Aihina | : | na Ehina (aika), mt, ih. (aiho, eho): Atao mifatratra, rendrika: Noehina ny tany talohan'ny nananganan-trano. • Antsoina. vorina: Aiho (na eho) ny fokonolona fa hikabary ny filoha.
Ahitsio |
Aika | : | a.: Anaran-javamaniry fanao loko (Indigofera tinctoria).
Ahitsio |
Aika | : | a.: Toetran'ny zavatra tsara tery, mifanety tsara. ~ Fiantsoana olona maro ho vory; antso: Nanao aika atm ny mpiadidy ho ren'ny vahoaka. - t.i.f.: aihina na ehina, voaika, tafaika / manaika, fanai-ka, mpanaika 1 anehana, fanehana / miaika, fiaika, mpiaika 1 mahaika.
Ahitsio |
Aikany | : | na Ekany p. rat.: Eny, hay tokoa!
Ahitsio |
Aikany | : | p. mt.: Eny, ekany.
Ahitsio |
Aiky | : | na Eky ft.: Fankatoavana, tsy fandavana. t.i.f.: ekena, voaeky / manaiky, fanaiky, mpanaiky / anekena, fanekena / miaiky, fiaiky, mpiaiky / iekena, fiekena / mifanaiky 1 mampifanaiky / fifanekena 1 ampifanaikena.
Ahitsio |
Aila | : | (ila), mt. at. (ailao): Ivarotana ampahany na antsasany: Toa tsy amidin-dRabe daholo, hono, itY taniny itY fa ailany fotsiny. 1 Atokana: Ailao ireto boky ireto fa houidiko rahariva
Ahitsio |