Fanakaramana | : | (karama) a. Fakana olona hanao asa ho an'ny tena, izay omena vo-la amin' izany.
Ahitsio |
Fanakarana | : | (takatra) a : Fiezahana hahatratra zavatra ambony toerana ka manatsotra ny sandry.
Ahitsio |
Fanakararana | : | (kararana) a Fomba entina manakararana, mampidina rano hifantsitsitra.
Ahitsio |
Fanakararanana | : | (kararana) a. Fampidinana rano mba hampandeha azy mifantsitsitra.
Ahitsio |
Fanakarenjena | : | (karenjy) a. Fanenjehana; famelana ny biby (omby, ondry) hifalihavanja, hihenjy.
Ahitsio |
Fanakarenjy | : | (karenjy) o. : A-lefa hihenjy.
Ahitsio |
Fanakasohana | : | (kasoka) a Fampikasihana, fisafoana.
Ahitsio |
Fanakasoka | : | (kasoka) a. : Fomba entina manakasoka, mampikasika.
Ahitsio |
Fanakatona | : | (katona) a. : Fomba entina manakatona.
Ahitsio |
Fanakatonana | : | (katona) a. Fandrindrinana.
Ahitsio |
Fanakatra | : | (takatra) a : Fomba entina manakatra. 1 p. t. Azo takarina.
Ahitsio |
Fanakatrahana | : | (katraka) a. Fampikepohana.
Ahitsio |
Fanakatraka | : | (katraka) a.: Fomba entina manakatraka, mampikepoka.
Ahitsio |
Fanakebona | : | (kebona) a : Fomba entina manakebona, manetsiketsika ny rano; mitaona, mamoky.
Ahitsio |
Fanakebonana | : | (kebona) a. Fanetsiketsehana (ny rano); fitaomana, famokisana; fihatsiana.
Ahitsio |
Fanakekezana | : | (akaiky) a. : Fanatonana.
Ahitsio |
Fanakelezana | : | (kely) a: Fanaovana izay hahakely; fampihenana (habe, isa); fanafohezana.
Ahitsio |
Fanakely | : | (kely) a. : Fomba entina manakely, mampihena (habe, isa), manafohy.
Ahitsio |
Fanakema | : | (kema) a : Fomba fanasiana dembana, banga somaradimbana kely.
Ahitsio |
Fanakemana | : | (kema) a. : Fanasiana dembana.
Ahitsio |