Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanalady: (halady) a. : Fomba entina manalady, miala tsiny rehefa mitsapa alahelo. 1 p. t,: Enti-milaza ny olona tokony hialan-tsiny, hotsapaina alahelo. Ahitsio
Fanalafaritra: a, : Ody tety. Ahitsio
Fanalahidy: a. : Tapa-by voavoatra aiditra ao amin'ny hidim-baravarana ka mampihetsika ny lelan' ny hidim-baravarana mba hanidy na ham o-ha ny varavarana. Ahitsio
Fanalakalahana: (halaha, halakalaka) a. : Fampisarahana; fampihatahana, fanasiana elanelana. Ahitsio
Fanalakalaka: (halaka, halakalaka) a. : Fomba ampisarahana, ampihatahana. Ahitsio
Fanalalahana: (lalaka) o. : Fanabeazana sakana, velarana : Tery ny lalana mankany aminay ha voatery nikarahara ny fanalalahana azy ny fokontany. ~ Fanalehibeazana, fanitarana : Mihevitra ny fanalalahana ny tranony Rakoto fa mitombo mitombo ihany ny zanany. 1 Fanasiana elanelana : Asio fanalalahana ireto dabilio ireto fa tsy miss, handehanana. 1 Fanaketrahana : Tsy tokony hisy fanalalahana mihitsy ny fitsipiky ny Fikambanantsika sao tafiditra mora ao ny olona tsy dia manao ahoana. Ahitsio
Fanalalahy: a. : Ody mahatonga ny lehilahy tsy tia hiherika vehivavy. Ahitsio
Fanalalaka: (lalaka) a. : Fomba entina manalalaka, manabe sakana, manalehibe, manita-Pa. Ahitsio
Fanalalana: (alalana) a. : Fomba entina manalalana, manelanelana. Ahitsio
Fanalalanana: (alalana) a. : Fanelanelanana : Tamin'ny fanalalanany no uita ny fanekem-pihauanana. Ahitsio
Fanalamiady: a. : Loko na tsipika miloko mampisaraka tokotanin-doko roa samy hafa. Ahitsio
Fanalamote: (Ski) a. : Voronkely maintimainty izay manidintsidina tsy an-kijanona mandritra ny antoandro. Ahitsio
Fanalampiery: na Fangalam-piery a. : Karazan-daolao misy ankizy miery izay karohin' ny sasany ka izay hita dia mitady kosa indray ; raha mitady ka tsy mahita dia manao hoe : afa-po, ary dia miseho amin'izay kosa ilay niery. Ahitsio
Fanalana: (ala) a. : Fanesorana : Tsy nankasitrahan'ny olona ny fanalana ilay mpampianatra. Ahitsio
Fanalana: na Fangalana a. : Fanesorana isa iray amin'ny isa lehibe noho izy : Efa mahay fanalana (na fangalana) ny zafikeliko vao efa-taona. Ahitsio
Fanalanalana: (alanalana) a. : Fomba entina manalanalana, mametraka tsy homba ny atsy na ny aroa. Ahitsio
Fanalanalanana: (alanalana) a : Fametrahana (olona) tsy homba na iza na iza fa mijanona amin' izao fotsiny. Ahitsio
Fanalangalana: (halangalana) a : Fomba entina manalangalana, mampisaraka, mainpihataka tsy ho tratran'ny loza. ~ P.t. : Azo ahataka tsy ho tratran'ny loza. Ahitsio
Fanalangalanana: (halangalana) , a. : Fampisarahana (toerana), fampihatahana, fanalavirana tsy ho voan'ny loza. Ahitsio
Fanalasala: (salasala) a. : Toetran'ny zavatra manalasala; fomba entina manalasala. Ahitsio