Fanakosoka | : | (kosoka) a.: Fomba entina manakosoka, mikosoka mafy hialan' ny loto.
Ahitsio |
Fanakotana | : | (kotana) a. : Fomba entina manakotana, manakotaba.
Ahitsio |
Fanakotanana | : | (kotana) a:Fanakotabana, fanakorontanana, fampikomiana.
Ahitsio |
Fanakotikotehana | : | (kotika) a.: Fandrovitana sY famotipotehana zavatra.
Ahitsio |
Fanakotikotika | : | (kotika) a : Fomba entina manakotikotika, mandrovitra sy mamotipotika. ~p.t. : Azo kotikotehina.
Ahitsio |
Fanakotra | : | (takotra) a : Fomba entina manakotra, manarona amin'ny takotra. ? p, t.: Azo takofana.
Ahitsio |
Fanakotrana | : | (kotrana) a. : Fomba entina manakotrana, manofokofoka, manakorontana.
Ahitsio |
Fanakotràna | : | (kotra) a : Fandaniana tsiro ny tany amin' ny tsy fanovaovana ny fambolena atao aminy, fandevonana, fanimbana.
Ahitsio |
Fanakotranana | : | (kotrana) a. : Fanofokofohana, fanelingelenana, fanakorontanana, fampikorontanana.
Ahitsio |
Fanakotrehana | : | (kotrika) a : Fametrahana akoho mba hikotrika, fampikotrehana.
Ahitsio |
Fanakotrika | : | (kotrika) a. : Fomba entina manakotrika, mametraka akoho mba hikotrika. ? p.t. : Azo akotrika.
Ahitsio |
Fanakotsa | : | (kotsa) a. : Fomba entina manakotsa, mandena ho vonto. ~ Azo kotsaina.
Ahitsio |
Fanakotsana | : | (kotsa) a. : Fandemana tanteraka.
Ahitsio |
Fanakovilavila | : | (kovilavila) a : Fomba entina manakovilavila, izany hoe manao tarehy ratsy, na mampandeha tsy mahitsy tsara fa mivilambilana be ihany na manakovilivily (sandry) rehefa mande-ha.
Ahitsio |
Fanakovilavilana | : | (kovilavila) a. : Fampiolikolehan, fanasaviliviliana.
Ahitsio |
Fanala | : | (ala) a. : Fomba entina manala, manesotra. ~ P. t. : Azo alana, azo esorina : Tsy fanala ny harato roha tsy efa mitohy tsars ny taolana tapaka.
Ahitsio |
Fanala | : | Fanalana a. : Asa marika, fanesorana isa kely amin'ny isa Inhibe noho izy : Firy ny valin'ny fanalana te-Io ambin'ny folo amin'ny roapolo !
Ahitsio |
Fanala | : | a. : Jiro voafefy fitaratra miaro azy amin'ny rivotra.
Ahitsio |
Fanala | : | a. : Ranonando man-dry hita mivaingana fotsifotsy kely eny an-tendron'ny ahitra na miendrika tranonkala eny am-potony. • Hatsiaka fatratra : Matin'ny fanala ny tsaramasonay.
Ahitsio |
Fanaladiana | : | (halady) a. : Fialan-tsiny, fitsapana alahelo, famangiana amin'ny fahoriana.
Ahitsio |