Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Intsiao: t.p.: Tenim-piontanana fiteny raha mahita zazakely mahafatifaty, ohatra. Ahitsio
Intsivy: p. mt.: Enti-milaza fiverenan-javatra na asa imbalo ampiana indray mandeha. i t.if•: Manintsivy, fanintsiviny. Ahitsio
Intsony: na Intsotry p. mt.: Miaraka amin'ny "tsy" mandrakariva (tsy...intsony) entimilaza zavatra tsy hitohy na hisy famerenana, fa vita tapitra hatreo: Nivoadivoady Ra-koto fa tsy hiteny imasombahoaka intsony. Ahitsio
Intsy: p.mt.: Manondro sy ma nolotra tahaka ny "Int?", saingy enti-milaza olona na zavatra hita etsy akaikikaiky etsy: Intsy misy sary novidiko ho anao. / Intsy ny satrokao. Ahitsio
Inty: p. mt,: Enti-milaza zavatra eny an-tanana ka tondroina amin'olona itenenana: Inty ny satrokao. • Enti-milaza zavatra na olona aseho eo no ho eo amin'olona itenenana: Inty misy hira kely iray tolotro ho an'i Neny. Ahitsio
Iny: p.mdr na s.mdr.: Enti-manondro olona na zavatra tokana lavitra dia lavitra, zara raha tua-maso: Handalo any amintsika mantsy izao iny vorona iny. Matetika koa anefa ny iny dia enti-manondro zavatra akaiky eny an-tanan'ilay olona itenenana mihitsy: Omeo ahy kely aza fady iny boky aminao iny. Ahitsio
Io: p. mdr. na s. mdr.: Enti-manondro akaiky nefs tsy voafaritra tsars ny halavitany: Tsy tiako io sary io, Omeo azy io raha tian y. logoslavy (fr. Yougoslave) a: Ny firenena na tompon-tany any amin'ny tanin'i logoslavia: I Belgrady no renivohitry ny Iogoslauy. ? p.t.: Momba an'i Iogoslavia, an'i Iogoslavia na avy any Iogoslavia: Repoblika enina no miforona ho fanjakana logoslavy. lombonana (ombona) mt.pt. (10m bony): Iarahana manao: lombonanay telo tonta ny varotra ataonay. 1 Ikamba nana manana: lombonanay Tito mianadahy ity trano Ahitsio
Ira: a: Landy voafoly voantsody, izany hoe efa nahodidina ny tolotra ka mby efa hatao amin'ny fantaka. - t.i.f.: Aira, voaira 1 manira, fanira, mpanira 1 aniràna, faniràna 1 mifanira I mahira. Ahitsio
Irà: na Erà a.: Toerana avo iavian'ny rano amin'ny renirano (mifanohitra amin'ny a-va): Tany irà ilay amboadia no nisotro, ary tany ava ilay zanak'ondry, kanefa dia ilay zanak'ondry indray no nolazainy fa nandoto ny rano noso tro in y. Ahitsio
Irahina: (iraka) mt.ih. (iraho): Alefa hitondra iraka na hanao asa iray: Ikoto no nira hina ho any amin-dry dadatoa / Iza no nirahina haka Dokotera? 1 Tendrena, orne-na fahefana: Nirahin'ny fanjakana at? amintsika izy. Ahitsio
Iraika: p. L: Mitovy amin'ny "iray" ihany, saingy fampiasa rehefa miaraka amin'ny isa hafa izay mitohy aminy amin'ny alalan'ny "ambin' ny", "amby": Iraika ambin' ny folo. / Iraika amby zato. Ahitsio
Iraimbilanja: a.: Anaram-bola izay ampahadimin'ny ariary na ilavoamena folo ny sandany: Iraimbilanja telo no sikajy dimy. Ahitsio
Iraizodafy: a.: Efadafy manana lafy roa iraizotra. Fototra no ilazana ireo lafy iraizotra ireo. Ahitsio
Iraizopototra: a.: Velarana efadafy ka ny lafy roa iraizotra. Ahitsio
Iraizotongotra: a.: Karazana goba izay ny fotony mety ho telolafy na efadafy na dimilafy,.. Ahitsio
Iraizotra: a.: Ny tsipika roa mitovy elanelana hatrany. Ahitsio
Iraka: a.: Olona alefa amin'ny toerana iray mba hitondra teny na haka zavatra na olona, na handamin-draharaha: Iraka mahatoky no nampitondrainy hafatra i tif: Irahina, voairaka / maniraka, fanixaka, mpaniraka / anirahana, fanirahana 1 maha-iraka I irakiraka. Ahitsio
Iràna: (ira) a.: Foly eran'ny volotara na tolotra, izany hoe ireo tapaka bararata anodidinana ny landy voafoly ka izay mahafeno ny iray amin' ireny tapaka bararata ireny no atao hoe iràna. Ahitsio
Iray: p.i.: Tokana: Misy trano iray er? an-tampon-kavoana er?. it t.i.f.: Miray, fixay, mpiray 1 iraisana, firaisana I mahairay / irairay I anankiray. Ahitsio
Ireny: p.mdr. na s.mdr.: Entimanondro zavatra na olona maro; ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' ny tondroin'ny ft. niaviany "iny": Mba hananako, hono, ny elatr'ireny vorona manidina ireny! Ahitsio