Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lasitra: a.: Famelezana amin' ny rantsantanana roa avonkina ka terena ao ny hoditr' ilay vonoina ary dia aolana mafy. i Lasirina, alasitra j voalasftra I mandasitra, fandasitra, mpandasitra I andasirana, fandasirana 1 mahala• sitrs I lasidasitra. Ahitsio
Lasiventy: a.: (ilany sy ventY) Anaram-bola malagasy mitovy amin'ny ila (voamena) (0, 10) sy venty (0, 80), izany hoe 0,90 Fr na 90 santima. Ahitsio
Lasoa: (fr. la soie) a.: Lamba landy. Ahitsio
Lasopy: (fr. la soupe) a.: Karazan-tsakafo tsy misy ventiny firy fa ny ro no tena ilana azy. Ahitsio
Lasosy: (fr. la sauce) a: Ranondranon-javatra nandrahoina entina hampahatsiro na hampahafy hanina. Ahitsio
Lasy: a: Fitobiana, fandriana an-tsaha. ? Fivahiniana miaraka maro, mipetraka amin' olona ka manao parasy ho-mana ao. - t.i.f.: Milasy, filasy, mPilasy / ilasiana, filasiana / lasilasy I lasilasina, tafalasilasy / milasilasy, filasilasy, mpilasilasy / ilasilasiana, filasilasiana 1 mahalasilasy. Ahitsio
Latabatra: (fr. la table) a: Karazan'akalana lehibe sady a-vo tongotra atao fiasana, fanoratana, fihinanana: Lamban-databatra - F.-p.: Mamelatra latabatra: mametraka sy mandamina eo ambony latabatra ny vilia sy ny forongony hisakafoana. Ahitsio
Latasy: (fr. tâche) a.: Asa efa ifanarahana fa hovitaina amin'ny fotoana voafetra. Ahitsio
Latopo: (Ski) a: Kofehy rongony anentsenana ny ady rafitra amin'ny botry. Ahitsio
Latotra: a: Feta na sokay atao amin'ny rindrina ka lamaina tsar& - t.i.f.: Lalorina, alalotra / voalalotra / mandalotra, fandalotra, mpandalotra / andalorana, fandalorana / milalotra, fflalotra, mpilalotra / ilalorana, filalorana / mahalalotra / lalodalotra. - F.-p.: Efa milalotra ery ianao izany: ilazana olona mandeha tsy rototra na manao raharaha mirefarefa no-ho ny hakamoana. / Fandalo-drary: vazan'omby entina manalama ny tsihy rarina na mampiray tsara ny masondrara. Ahitsio
Latsa: a.: Teny maharary entimaneso na manakora olona voa; teny atao amin'izay voa tamin'ny zavatra nandrarana azy; fitenenana olona tsy mahay mankasitraka ka ampahatsiahivina azy amin'izany ny soanatao taminy. i tif : Latsaina, alatsa, voalatsa 1 mandatas, fandatsa, mpandatsa I andatsana, f andatsana I mahalatsa I latsalatsa. Ahitsio
Latsahana: na Latsafana (latsaka) mt ih. (latsaho, latsafo): lanjerana: Nolatsahan'ny antsy ny tongony ka nantira. ? Asiana: Nolatsahako diamanga ilay mpangalatra ka nidaraboka. Ahitsio
Latsaina: (latsa) mtih. (latsao): Esoina ka akoraina amin'ny fahoriana mahazo azy. Ahitsio
Latsaka: p.t.: (zavatra) Mianjera amin'ny tany: Latsaka ny satrony ka niondrika izy ha-ka azy. 1 Mianjera ao anaty lavaka: Latsaka tao anaty fantsakana ny zanaky ry zareo ao atsimo. —h.o.: Aza auelanao ho latsaka ao anatin' ny fakam-panahy izahay. ~ Midina ambany, mitambotsotra: Latsaka ambany ny naotinao tamin'ny fanadinana farany. ? (olona) Tonga mahia kely noho ny aretina: Latsaka er? ianao izany hatramin'ny nahararianao. ? Mitete, mikoriana: Latsaka ny ranomasony teo am pitantarana izany. ? Tafiditra, tafalentika: Latsaka ao antsaiko ny teninao. ~ Ambany, ambaka: Tsy latsaka no-ho ny zokiny izy. •Ambany noho , kely noho: Tsy latsaka ny ariary zato no niuidianako io boky io. ~ Fiteny amin'ny filazana ora raha mihoatra ny antsasany ka amin'izay atao fanalana amin' ny ora manaraka ny fotoana lazaina: Amin'ny siuy latsaka fahatelony izy no handeha - t.i.f.: Latsahana, na latsafana, alatsaka, tafalatsaka / mandatsaka, fandatsaka, mpandatsaka / andatsahana, fandatsahana / milatsaka, filatsaka, mpilatsaka / ilatsahana, filatsahana 1 mahalatsaka I latsadatsaka. - F.-p.: Latsa-bato an-tanana: enti-milaza olona mby efa nahazo soa, nefs votsotra sy tsy azo indxay izany. / Latsa-boa: voasesiky ny totohondry mafy eo amin'ny loha vaniany ka mitangolika na safotra. / Latsa-damba: der. Lamba). / Latsaka antany: vao teraka. / Latsapaka: tsara mina. / Latsaka auara-patana: saro-miala. / Latsa-bava: enti-milaza` ny olona manambara zavatra nafenina na tsy voahevitra loatra. / Latsaka am-bouo: tafiditra amin'ny fandrika sarotra ialana. / Miandry voua latsaka: miandry fiteny kely horiritina. f Latsaka ondana: ilazana ireo nisy fahavoazana tamin'ny harena na ny fahefana ka zary nitambororotra sy lasa ambany noho ireo namany. * Ohab.: Volamena latsaka am-bouoka; tsy auelan'ny volony tsy hihiratra: enti-milaza ireo olona mendrika sy marina, ka na haratsina aza dia tsy maintsy miseho ihany ny hasoany. Ahitsio
Latsakafitoventy: a: Anarambola ambanin'ny voarnena ka ny heviny dia hoe: voamena latsaka varifitoventY na 0,15Fr. Ahitsio
latsakemboka:Vola aloa indray mandeha na miverimberina, ohatra isam-bolana na isan-taona, amina fikambanana na fivondronan'olona maromaro mba ho fampandehanana ny fikambanana na ho fanatrarana tanjona iray Ahitsio
Latsapaheniny: a: Anaram-bola ambanin'ny voamena ka ny heviny dia hoe: voamena latsaka ny ampaheninY (ampahenin'ny voamena), na 0,166 Fr. Ahitsio
Latsiana: na Latsina (latsy) mt ih. (latsio): Asiana latsy, hamafisina amin'ny latsy. Ahitsio
Latsy: a: Hazo atsivalana entina hanamafy ny rafitra na ny tohan-javatra. Hazo atsivalana any anatin'ny rindrin-trano mba tsy hampilefitra azy na hanatanjahana ny firarin' ny takelaka. - t.i.f : Latsiana, na latsina, alatsy, voalatsy I mandatsy, fandatsy, mpandatsy 1 andatsiana, fandatsiana / milatsY, filatsy, mpilatsY / iletsiana, filatsiana 1 mahalatsy 1 latsikely. Ahitsio
Lava: p.t: Tsy fohy: Lava be izany akanjonao Iran y. ? Mitohitohy maharitra: Lava ny fotoam-pialan-tsasatra tamin' ital. ? a: Ny ilan-javatra be refy indrindra: Refeso kely ny lauan'ity trano it?. / NY sakany sy ny lavany. - t.i.f : Halavaina 1 manalava, fanalava, mpanalava 1 analavana, fanalavana I mahalava 1 lavalava I halavana, fahalavana 1 mihalava I halava, fahalava. ~ M. h.: Avo dia, avo ranjanana, lava ranjanana, lavatsindakana, lavatsipaikona, pakapaka, jango, ranga, jakojako, fizofizo, ezoezo, mitezotezo, lava mitaikotaiko, rapeto, la-va fe, lava sirana, lava dingana, tsy mindran-tohatra, mivahan-tsindrano, mitsororika, fezafeza, joaka (joroaka), mitsororoaka, marezoka, m'r rijarija, mandrindrina, milangalanga, tsy miery an-tsena, jaobe. Ahitsio