Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Gineja: (geja) mt. ih. misy tsofoka in: Voageja, gejaina, tazonina mafy: Noginejany ny tanako. 1 Tanana: Raha tsy nogineja tao am-pahitra ny omby mety ho nilatsahan' ny varatra. Ahitsio
Gioka: o.: Fitseforana mamoaka rivotra, fivalanan-drivotra, hetotra misy tao mivoaka izay tsy tokony ho ren' ny olona. - t.i.f.: Agioka, tafagioka f migioka, figloka, mpigioka / giogioka. Ahitsio
Girampa: a.: Jer. Gorampa. Ahitsio
Girandine: (fr. grand dtser) a.: Fihinanam-be (teny tsy misy mpiteny intsony). Ahitsio
Girigirihana: (girigirika) mt. ih. (girigirio): Marihina. Ahitsio
Girigirika: a.: Teboka, fanamarihana ny tsy tonga. - t.i.f.: Girigirihana, voagirigirika / mangirigirika, fangirigirika, mpangirigirika f angirigirihana, fangirigirihana / mahagirigirika. Ahitsio
Girika: a.: Mponina avy any Gresy. 1 Mpivaro-toaka: La-sa niditra ao amin'ny girika ao Rakoto. Ahitsio
Girio: (fr, gris) p.t.: Volombatolalaka antitra: Lopotra girio. Ahitsio
Giririoka: a.: Feo kely lavareny mahadilo sofina, kiririoka sesilany sady mlkarantsana, feon'angely. i f.: Migiririoka, figiririoka, mpigiririoka / mahagiririoka 1 giririodrioka. Ahitsio
Gisa: (angl. gus) a.: Vorona anisan'ny lehibe amin'ny vara-na ompiana ka nahatonga ny anarany hoe Vorombe; efadrantsana miraikitra sy mitapelaka ny gisa ary fisa-bava lavalava; vorona tsars hena na dia somary sarotsaro-devonina ihany aza. - t.i.f.: Gisagisa, migisagisa. - F,-p.: Tsy fahita firy ohatra ny gisa mainty: enti-milaza zavatra mahalana dia mahalana no ahitana azy na ho hita aza. f Misoko ohatra ny ron-gisa: enti-milaza zavatra izay tsy hita maso ny fiasany nefa ny vokany ao ihany. * Ohab.: Gisalahy homanketsa ka ny maka ny an'olona indray no avo feo: entimilaza ireo olona ratsy nefa be vava ka mova tsy ny mitolo-tena. ¶ M.h,: Ny mamo indmy no miantso polisy. Ahitsio
Gisagisa: a.: Teny fiantsoana ny gisa. Ahitsio
Gisitra: (f.t.m,) p.t.: Farany amin'ny filaharan'ny mpianatra ara-pahaizana; faxa gidrony. Ahitsio
Gitara: (fr. guitare) a,: Zavama- ~ neno mitovitovy amin'ny lokanga saingy izy lehibe vatana sy lava sady kltihin'ny rantsantanana toy ny valihy ny tadiny fa tsy mba didiana. Ahitsio
Goaika: a.: Vorona lehibebe salasalany, mainty ny volony, fa eo amin'ny tendany no misy fotsy mihodidina toa fehivozona; vorona mihinana nofom-biby ny goaika ary malaza ho mpihinana ny voanjon'olona maniry koa. - F.•p.: Akanjon-goaika: enti-milaza zavatra nentim-paharazana. * Ohab.: Maro ny vorona fa ny goaika ihany no nihinana ny uoanjo: rehefa misy toetra ratsy ahafantaran'ny olona anao, raha tahirly misy a-sa mifandray amin'io, dia ianao ihany no ho voatomboka nanao na dia tsy nanao aza. / Fotoan-goaika ka anyan-tanim-boanjo mifankahita: enti-milaza olona mananjava-tiana iray: samy tsY maintsy ho hita any amin'izay misy an'io zavatraio izy ireo. Ahitsio
goaika:goaiky, karazam-borona mainty, fotsy tenda. oh: Ny feon-goaika no annaitra azy ireo ka nahatrarany ireto fahavalo. Ahitsio
Goana: a.: Feo re avy amin'ny varavarana harafesin-tsavily mivoha na mirindrina. ~ Famohana miriadriatra ny varavarana. - t.i.f.: Goanana, agoana, voagoana 1 managoana, fanagoana, mpanagoana 1 anagoanana, fanagoanana 1 igoanana, figoanana 1 mahagoana 1 goangoana. Ahitsio
Goanana: (goana) mt. ih. (goany): Vohaina mafy miriadriatra: Nogoanany ny varavarana ka taitra ny zazakely. Atomboka, tohizina: Goany kosa indray ny anjaranao. Ahitsio
Goatemalteka: (fr. guatémala) a.: Ny firenena tompon-tany amin'ny tanin'i Goatemala: 5 tapitrisa eo ho eo no isan' ny Goatelmateka ? p.t.: Momba an'i Goatemalà, an'i Goatemalà na avy any Goatemalà: Kafe sy hasy ary akondro no vokatra goatelmateka be indrindra Ahitsio
Goavana: p.t.: Lehibe makadiry sady lava, ngezabe. Ahitsio
Goavy: a.: Karazan-kazo fihinam-boa tsy dia lehibe loatra, toa maniriniry foana eny, misy voany madinika maro. (Misy telo karazana ny goavy: ny goavy fotsy, fotsy ny atiny; ny goavy mena, mena ny atiny, ary ny goavitsinà na goavitsinahy, madini-boa ary marikivy raha soamaravo fa mamy kosa rehefa masaka). - F.-p.: Goavin'Ilaihavana: ilazana ny zavatra izay no-mena fotsiny tamin'izay ni-la fa tsy nisy takalony. Ahitsio