Tiorka | : | (fr. turc) a.: Ny firenena tompon-tany any amin' ny tanin'i Torkia: Fanoharana ny hoe "matanjaka tahaka ny Tiorka", 1 p.t.: Mikasika an'i Torkia, an'i Torkia, na avy any Torkia: Izany Mustapha Kémal izany no nanauao sy nanatsara ny fitondram-panjak ana tiorka.
Ahitsio |
Tipika | : | a.: Mitovy hevitra sy fomba fiovaovana amin'ny Tifika.
Ahitsio |
Titina | : | (tity) mt. ih. (titio): Atao "ity, ity": Notitiny a-ho ka tezitra.
Ahitsio |
Tititre | : | a.: Ny fidridroky ny gorodona voahitsaka: Mampatahotra ahy izany tititran' ny gorodonao izany. i t, Cf.: Mitititra, fitititra.
Ahitsio |
Titý | : | a.: Fanaovana olona hoe "ity, ity"; filazalazana matetika ny teny tsy manaja hoe "ity, ity". i tif: Titina / mitity, fitity, mpitity / ititiana, fititiana.
Ahitsio |
To | : | p.t.: Marina,,mifanaraka amin'ny rariny sy ny hitsiny: Teny to. 1 Tanteraka: To ny faniriany fa afa-panadinana ny zanany ary nisondro-boninahitra izy. - t.i.f.: Tovina 1 mankato / ankatoavina 1 ankatoavana / fankatoavana / mahato. - Manao marina tsy to: mandainga. / Mahazo to: itokiana, mahatoky. / Mianiana tsy tes: manao fianianana tsy marina.
Ahitsio |
To | : | Teny hita amin'ilay fitenenana hoe to fo, izay azo heveritra, araka ny filazandRamino, fa avy amin'ny hoe "tono fo", ka ny heviny dia: mafy fo ka tsy azo ahodina amin'izay nahatezitra azy, mikiribiby amin'ny heviny ary tsy mety hihavana na h{fampiraharaha. * Ohab.: Izay tsy miady oiom-bodo, fa izay to fo mpamosauy: enti-milaza fa tsy misy tsy miady afa-tsy ny zaza tsy manan-tsaina, fa rehefa vita ny fifanazavana, olondratsy (mpamosavy) izay mbola mitahiry hatezerana na manao an-dolompo.
Ahitsio |
To | : | na Toa a.: Teny enti-miantso ny alika.
Ahitsio |
To- | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa mampitombo ny hevitry ny fototeny voalohany: Tohika (hika), toletsy (letsy).
Ahitsio |
Toa | : | ppk.: Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja... fa ny "toy" kosa fifanahafana, fifandraikana: Izay adala no toaan-drainy — (Be maso toy ny rainy ity zaza ity). (Samy hafa ny fampiasa ny toa sy ny toy ankoatra ny heviny mitovitovy: ny toa dia fampiasa: a) -eo alohan' ny anaran-tsamirery: Manantsaina toa an-dRabe ny zanany -b) eo alohan'ny mpisolo anarana misolo olona: Tsy misy mahay toa azy -d) eo alohan'ny anarana iombonana tsy voafaritry ny mpanondro: Maty toa tantely. Ny toy kosa dia fampiasa: a) eo alohan'ny anarana iombonana voafaritry ny mpanoritra: Mamy toy ny tantely -b) eo alohan'ny mpamaritra na mpisolo anarana manondro: Tsy mbola nisy toy izany, / Toy izao ny fandehan'i Fano kely.
Ahitsio |
Toa | : | ft.: Voalohany, Inhibe, niavian'ny hoe: Dadatoa, Nenitoa, matoa.
Ahitsio |
Toa | : | p. mt.: Ohatra ny: Toa manauy aho izany! ? Angamba: Toa lasa omaly Rakoto.
Ahitsio |
Toabody | : | a.: (ohatra ny tsy misy afa-tsy ny vodiny) Harona izay tsy mizaitra ny vodiny fa tena iray amin'ny vatany.
Ahitsio |
Toaka | : | a.: Zavapisotro misy aikaola mahamamo: Mpisotro toaka. - F.-p.: Mamon-toaka ambavan'olona: ara-bakiteny: Olon-kafa no nisotro toaka ka ny tena no toa mamo. 1 h.o.: Ny hafa no nanao ny nataony ka ny tena no iharan'ny asany.
Ahitsio |
Toantoana | : | a.: Tsy fahazoanteny, fifandisoan-kevitra; fanaovana kitoatoa. - t.i.f.: Mitoantoana na manoantoana, fitoantoana na fanoantoana.
Ahitsio |
Toatoa | : | ft.: Fikasakasana hanao zavatra na handeha. 1 Manoatoa, fanoatoa, mpanoatoa 1 anoatoavana, fanoatoavana.
Ahitsio |
Tobahana | : | (tobaka) mt. pdr. (tobahy): Anipazana rano: Notobahany rano aho ka kotsa hatrany amin'ny atin' akanjoko,
Ahitsio |
Tobahina | : | (tobaka) mt. ih, (tobahy): Atao mitobaka, izany hoe mitipy ka tafahoatra: A-za tobahina ny rano.
Ahitsio |
Tobaina | : | (toba) mt ih. (tobao): Anovozan'ny olon-drehetra: Hotobain-tsy ho lany anie jreto vary miakatra ireto!
Ahitsio |
Tobaka | : | a.: Enti-milaza fiantopazan-drano mibosasaka, mihoa-pefy. - t.i.f.: Tobahina, tobahana, atobaka, voatobaka, tafatobaka 1 manatobaka, fanatobaka, mpanatobaka 1 anatobahana, fanatobahana 1 mitobaka, fitobaka, mpitobaka 1 itobahana, fitobahana / mahatobaka / tobatobaka.
Ahitsio |