T | : | a.: Tarehintsoratra fahavalo ambin'ny folo ary renisoratra fahefatra ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-m?n'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny, ny t manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man-taitra >manaitra.
Ahitsio |
T- | : | Tovona fametraka eo alohan'ny teny sasantsasany (mpamaritra matoanteny na teny mpampiankin-teny milaza fotoana na toerana) ka mahatonga azy ireo hanambara ny efa lasa: aloha - ta-loba; aiza - taiza; eto - teto; amin'ny - tamin'ny.
Ahitsio |
Ta | : | a.: Ny feo heno avy amin' ny fidonan'ny fively na ny zavatra roa mifampipoka, na teny enti-milaza ny fipiakan' ny hazo tapaka ka mamoaka feo mirefotra eo am-pianjerana.
Ahitsio |
Ta | : | a.: Fanahafana feon-javatra toy ny an'ny tantanana mipaika amin'ny hazo, basy mitefoka, sns...
Ahitsio |
Ta | : | na Te: Fanafohezana ny "Tia", izay apetraka eo alohan'ny mt. milaza faniriana hanao ilay asa lazain'ny mt., ka ny Ta no ampiasaina raha manomboka amin'ny Ha ny milaza ny ho avin'ilay mt. ary ny Te raha manomboka amin'ny Hi na Ho: Ta hatory, Te hisotro, Te hody.
Ahitsio |
Ta- | : | Tovona mahaforona teny vaovao rehefa atambatra amin'ny fototeny voalohany na faharoa sasany, ka manamafy ny hevitr'ilay teny voalohany, na manome endrika toa benahaona azy: Boretaka manjary taboretaka, bonaka tonga tabonaka.
Ahitsio |
Taba | : | a.: Korontana, fitsako sy fambosibosika eo am-pihinanana. - t.i.f.: Tabaina, voataba / mitaba, fitaba, mpitaba / itabana, fitabana / mahataba /, tabataba.
Ahitsio |
Tabaina | : | (taba) mt ih. (tabao): Akorontana: Notabain'i Fara kely ny bokiko rehetra teo ambony latabatra. ? Lotoina amin'ny fitsabahana amin'ny tanana: Aza tabainareo ny rano ao am-pantsakana. ? Hanina amim-piosanosanana: Mahasosotra ny mijery ireto ankizy ireto fa tabainy ny fihinana vary. ? Tairina, tsy avala hipetrapetraka fa horakorahina: Notabain-dry zalahy ny vorona ka lasa.
Ahitsio |
Tabaka | : | a.: Enti-milaza fidiran' olona na biby na zavatra indray miaraka betsaka. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka.
Ahitsio |
Tabaka | : | a.: Fahabetsahana azo anaranam-po. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka.
Ahitsio |
Tabaka | : | a.: Tehina be, langilangy na kibay. ¶ M. h, : Jar. Tehina.
Ahitsio |
Tabakoly | : | a: Vakim-bakoly, tavilotra.
Ahitsio |
Tabariaka | : | a.: Fiparitadritahanjavatra etsy sy eroa. - t.i.f.: Atabariaka, voatabariaka, tafatabariaka / manatabariaka, fanatabariaka, mpanatabariaka / anatabariahana, fanatabariahana / mitabariaka, fitabariaka, mpitabariaka / itabariahana, fitabariahana / mahatabariaka.
Ahitsio |
Tabataba | : | a.: Horakoraka, kotaba: Aoka tsY hisy hanao tabataba fa matory ny marary. ? Fikorontanana, fihetsiketsehana: Noraran'ny fanjakana ny filaharan'ny mpianatra fa mety ho nampisy tabataba teto an-tanàna. ? Fikomiana na fanoherana ny fitondrana: Nahafaty olona an'aliny maro ny tabataba tamin'ny taona 1947. - t.i.f.: Tabatabaina, atabataba, voatabataba, tinabataba / manabataba, fanabataba, mpanabataba / anabatabana, fanabatabana / mitabataba, fitabataba, mpitabataba / itabatabana, fitabatabana / mahatabataba / mampitabataba / mikotaba.
Ahitsio |
Tabatabaina | : | (tabataba) mt. M. (tabatabao): Tairina amin' ny horakoraka na kotaba: Aza tabatabaina ny uoronkosamborina. ? Helingelenina: Notabatabainao, hono, izy ka nanjary tsy hainy ny fianarany.
Ahitsio |
Tabatera | : | (fr. tabatière) a.: Fitoeran'ny paraky kisoka arapaka;tongobolo.
Ahitsio |
Tabebaka | : | p. t.: Mivelatra sy makadiry ny vavany, nefa i-va ny halaliny: Haron-tabeb ak a. * Ohab.: Lasan-ko uauany toa haron-tabebaka: enti-milaza zavatra izay anarany fotsiny no toy izao sy toy izao fa tsy arakaraka izany ny tena izy.
Ahitsio |
Tabiha | : | na Voatabiha a.: Zavamaniry fihinam-boa, andrahoina mba hampahatsiro ny laoka.
Ahitsio |
Tabiha | : | a.: Olona heverina ho voninahitra ny fananana azy, rehareha: Ho tabihan'ny tanindrazana ianao rahatrizay raha mianatra tsara.
Ahitsio |
Tabika | : | (fit.-p.) a.: Lakan-drano.
Ahitsio |