Tongo-dovia | : | a.: Fomba fijoro amin'ny tongotra an'ila fotsiny ihany, izany hoe ny tongotra iray mijoro, ny ilany akarina mivonkina: Manao tongo-douia. * Fiten.: Malama maina ny fiainana ka tsy azo anaouana tongo-dovia: (jar. Malama). ¶ M. h.: Manao tongo-dovia, manao gisalahy maty vady.
Ahitsio |
Tongoa | : | a.: Zavatra mitaingina eo ambonin'ny tena izy. ? Teny nilazana ny trafon'omby fahiny. 1 Tatao na fanampy. 1 Teny fanafohezana ny hoe: "Tongoamihonkona" (jer. io teny io). - t.i.f.: Tongoavana, tongoavina, atongoa, voatongoa, tafatongoa / manongoa, fanongoa, mpanongoa J anongoavana, fanongoavana / mifanongoa / mitongoa, fitongoa, mpitongoa J itongoavana, fitongoavana / mahatongoa.
Ahitsio |
Tongoamihonkona | : | a.:Tenyenti-milaza ny vodihena, ny isam-pangady, ny hasina, ny, variraiventy isan'olo-miaina, ny haren'ny maty momba, izay tongoa na fanampin'ny efa an'ny fanjakana tsy azo avala, ka tsy maintsy aloa fa voahonkona na vita mafy tsy azo sarahina amin'ny fanjakana.
Ahitsio |
Tongoany | : | (fit.-p.) a.: Trafo.
Ahitsio |
Tongoavana | : | (tongoa) mt, pdr. (tongoauo): Ampiana, asiana zavatra mitatao eo ambony: Tongoavo anentany telo ireto antonta-mololo ireto.
Ahitsio |
Tongoavina | : | (tongoa) mt. ih. (tongoavy): Anampy: Ariary telo monja no notongoaviny tamin'ny karamako kanefa raharaha izaitratra no fanampin'asa nampanaouiny ahy.
Ahitsio |
Tongobalady | : | a: Tongo-malady na olona faingam-pandeha (tenY fahita amin'ny angano ).
Ahitsio |
Tongobolo | : | a.: Fitoeram-paraky (avy amin'ny teny hoe: tongotra sy volo satria tamin'ny tongotra na vodin' ny volo — karazana volotsangana — no nanaovana azy taloha). - F.-p.: Tongobolo tampenam-bava: enti-milaza olona tsy avala hilaza ny heviny na izay tiany holazaina fa tsentsenana avy hatrany.
Ahitsio |
Tongolo | : | a.: Karazan'anana maherihery fofona fanao fangaron-daoka ka manome tsiro tsara somary masiatsiaka; misy karazany maro ny tongolo: tongolo lay na tongolo gasy na tongolo ejipta, tongolobe na tongolo vazaha, tongolo maltso na tongolo raviny.
Ahitsio |
Tongomby | : | a.: Enti-milaza ny fivikinana atao rehefa te hianjera amin'olona na zavatra ka ny tongotra no alefa aloha (jer. Antongomby).
Ahitsio |
Tongona | : | a: Bainga avovona eny an-tanfmbary. • Tongom-bato: vato asavovon'ny mpandalo eny amoron-dalana ho fanatanteraham-boady na fangataham-pitahiana.
Ahitsio |
Tongorana | : | (tongotra) mt. ih. (tongory): Raisina amin'ny tongony ka alavo.
Ahitsio |
Tongorondambo | : | a.: Karazan' ahitra (karazana Chlorophytum).
Ahitsio |
Tongotakotra | : | a.: Fitoeran-jiro taloha natao tamin'ny tongotry ny takotra, izay tsy inona fa ilay vozona takotra tanimanga ihany.
Ahitsio |
Tongotra | : | a.: Rantsambatana entin'ny olona na biby mamindra sy mandeha no sady manohana mampijoro azy: Roa ny tongotry ny olombelona rehetra fa ny an'ny biby kosa misy roa, misy efatra. ? h.o,: Faritra amin' ny tenan'ny zavatra sasantsasany, toy ny fanaka, lavarangana..., izay mitondra azy: Tongo-parafara, tongodavarangana. - t.i.f.: Tongorana, voatongotra, tinongotra / manongotra, fanongotra, mpanongotra / anongorana, fanongorana J mitongotra / mahatongotra. - F,-p,: Tongo-day: tsato-kazo ifatoran'ny lay mitsangana. / Tongo-dauarangana: andry milanja ny lavarangana. / Tongo-drihana: ny tohatra fiakarana mankany ambony rihana. / Tongo-jauona: ilazana ny erikerika manjavozavo izay mirefarefa ambany. / Tongo-kazo: hazo atao solon'ny tongotra tapa-ka, na hazo misy fitoerantongotra ka andehanana misababaka avo be ambonin' ny tany. / Tongo-papango: vy mifaraingo fitazonana ny varavarankely tsy hikapokapoka. / Tongo-takotra: ny fanaingana na fandraisana ny takotra. J Tongotr'olona: enti-milaza ny olona atao fanirakiraka, J Tongo-bak ivak y: tongotra mitriatriatra ary maharary. / Tongo-malady: ilazana ny olona haingampandeha ary fanirakiraka; anarana ilazana koa ny bisikileta. J Tongo-tanany: ny tongotry ny biby roa aloha. / Tongobeny: ny tongony aonana. J Tongo-douia: ny tongotra iray mijoro, ny ilany akarina avonkina. * Ohab,: Tongo-bakivaky: sady maharary no mahamenatra: ilazana toetra ratsy izay sady ahitam-pahavoazana ho an'ny ankohonana no mahafa-baraka amin'ny any ivelany. / Tongotra mby andakana: enti-milaza ny olona efa eo am-pivononana handeha ka saro-miverina. / Sitraka andro anaouana ohatra ny tongotr'omby mihosy: enti-milaza ny olona ankasitrahana, fa amin'ny fotoana anaovany raharaha ihany, fa tsy tsaroana kosa ankoatra an'io.
Ahitsio |
Tongtilany | : | a.: Tohana, tambiny: Asio tongdiany ity rindrina ity. 1 Kaka, tsikalany fanao ao ambany rambaramba.
Ahitsio |
Tonia | : | a.: Olona mpiandraikitra raharaha iray: Iza no tonian'ity gazety ity? Toniany: tena antony, fotony, foibeny.
Ahitsio |
Toniny | : | Jer. Tonona.
Ahitsio |
Tonizianina | : | (fr. tunisien) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'ny Tonizia (A-frika avaratra, atsinanana): Lazao ny anaran'ny mpanjakan'ny Tonizianina raha fantatrao. • p.t.: Momba an'i Tonizia na an'i Tonizia na avy any Tonizia: Mahatratra enina hetsy ny mponina ao Tonisy, reniuohitra tonizianina.
Ahitsio |
Tonjana | : | na Tonjina p.t.: Vizana, valaka. / Miraidraika, mihilangilana miankavia miankavanana, mialoha miaoriana.
Ahitsio |