A | : | Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy.
Ahitsio |
A | : | t.p, : Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy na olona tsy dia hajaina firy: 0 ry Koto a, ento aty ny famaky. •Enti-milaza fahatairana, figagana: A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa! ~ Entimiangavy somary mihanta ary manantitrantitra: Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny; izany ange, ry neny a!
Ahitsio |
A | : | : Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia: a) ny matoantenin'ny atao (mt. at. J, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao" na "asaina" na "avela"...: Aato: asaina miato; ajaridina: avala hijaridina. b) ny matoantenin'ny fitaovana (mt. fit.), izay enti-milaza ny zavatra "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray: Adaka: entina mandaka, adidy: ampiasaina handidy.
Ahitsio |
A | : | Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray manomboka amin'ny m na n: Amorona (an-morona), anosy (annosY)
Ahitsio |
Aainginaingina | : | (ainginaingina), mt. at. (aainginaingeno): Apetraka amin'ny toerana avo: Aza aainginaingina eny io tavim-boninkazo io.
Ahitsio |
Aaloka | : | (aloka) mt. at. (aatofy): Atao fialofana: Ireto ampanga ireto aaloka ny zanakazo.
Ahitsio |
Aampatra | : | (ampatra), ma at. (aamparo): Atsotra mandry mivalampatra; avalandotra: Andeha haampatra etsy ambony ahi-maitso aloha ny marary.
Ahitsio |
Aankina | : | (ankina), mt. at. (aankino): Atao miankina (amin' ny hevitra ara-bakiteny): Aza aankina amin'ny rindrina ny sahafa sao maloto ny rindrina.
Ahitsio |
Aantsona | : | (antsona), mt. at. (aantsony): Atao miantsona, ajanona amin'ny toerana iray amoron-dranomasina: Naantsona tsy fidiny tao Toamasina ilay sambo noho ny tafiodrivotra.
Ahitsio |
Aapanapana | : | (apanapana), mt. at. (aapanapano): Atotototo, avezivezy: Mba ratsy koa Rangahy iny; naapanapany eran'ny birao ity olona ity.
Ahitsio |
Aato | : | (ato), mt. at. (aato), mandidy (aatoy): Ajanona kely fa tsy tohizina; tapahina: Naato ny fivoriana mba hahafahana mifanakalo hevitra. Aatoy ny fiara fa misy miala.
Ahitsio |
Aatoka | : | (atoka), mt. at. (aatohy): Hetsehina midina sy miakatra ny loha ho mari-panekena na fiantsoana: Tsy niteny izy fa ny lohany fotsiny
Ahitsio |
Aatokatoka | : | (atokatoka) mt.at. (aatokatohy): Ahetsiketsika mba ho mari-pandavana: Ny lohany naatokatony no mariky ny fandauany.
Ahitsio |
Aatrana | : | (atrana), mt.at. (aatrano): Fiteny amin'nY basy izay raisina ka ajoro tsara: Naatran'ny miaramila ny basy nandritra ny porizenitra.
Ahitsio |
Aba | : | a. Teny fahita indrindra amin'ny fitenim-paritra, mitovy hevitra amin'ny hoe:dada, kaky: Ey, abako be, hoy Iboina tamin-dRanakombe, izaho no izy. (Jar. Dada).
Ahitsio |
Ababy | : | (baby), mt. at. (ababeo): Atao am-babena.
Ahitsio |
abado | : | soherin-jorery (anaty tany), tsikovopotsy Ahitsio |
Abafoka | : | (bafoka), mt. at. (abafohy): Avala hitsilailay eo am-pandriana: Aiza no tsy ho kamo i Solo kely? zauatra abafok'i reniny hatramin'ny valo maraina ny adala lahy.
Ahitsio |
Abahana | : | (bahana), mt. at. (abahano): Atao mibahana, atsivetraka mba haka toerana be, asakana: Aza abahana eo ny tongotrao fa andehanan' ny olona eo.
Ahitsio |
Abaiko | : | (baiko), mt, fit. (abaikoy): Entina manome baiko: Py maso fotsiny no abaikony ny alikany.
Ahitsio |