Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bangaina: (banga) mt. ih. (bangao): Asiana banga, atao tsy ampy: Tandremo bangainao ny volako amin'ny faran'ny uoiana fa tsy nanapaka mihitsy aho na dia indray andro aza Ahitsio
Bango: a.: Ny volo voaraotra sy voatambatra ho randrana tokana na roa, na efatra. - t.i.f.: Bangoina, voabango, nobinango / mambango na manabango, fambango na fanabango, mpambango na mpanabango / ambangoana na anabangoana, fambangoana na fanabangoana / mibango, fibango, mpibango / ibangoana, fibangoana 1 mahabango. - F.-p.: Bango roa: randrambolo roa mirotsaka an-kavia sy an-kavanan'ny loba. / Ban-go an-katoka: randram-bolo tokana manomboka eo ankatoka ka mirotsaka manaraka ny lamosina, fanao raha misaona. 1 Raha atao bango tokana: raha atao indray milaza fa tsy miditra amin'ny antsipiriany. Ahitsio
Bango: (BI) a.: Randram-bolo betsileo fanaon'ny vehivavy maro ankehitriny; mivona ao an-katoka ny volo. -0Bango Anakova (Bi) a: Randram-bolon'ny zanak'andriana betsileo, mipetaka manodidina ny sofina sy ny hatoka ny randrana. Bango (Sih) a.: Fomba fanaovana moraingy amin'ny fomba miadana sy milamina (mi-fan: Dodoria). Ahitsio
Bangoana: a.: Eran-tanana ila. Bangoankatoka a.: Fombandrandram-bolo tsotra: bangoina ny volo dia atambatra amin'ny randrana telo ao aonana ka izay halavan'ny volo no fetrany; mari-pisaonana ny bangoankatoka. Ahitsio
Bangoina: (bango) mt. ih. (ban-goy): Raotina dia randranina: Mba bangoy ny vobonao, ry Ketaka, uao miantsena! Ahitsio
Banjina: a.: Fijerena mifantoka tsara amin'izay jerena; filera-na tsara maharitra, tsy mipy; fijerena ombam-pandinihana feno fisainana fatratra. - t.i.f.: Banjinina, abanjina, voabanjina ) mibanjina, fibanjina, mpibanjina ( ibanjinana, fibanjinana ) mahabanBanjinina (banjina) oit. ih. (banjino): Jerena maharitra tsy mipy: Mankarary maso ny masoandro raha banjinina. • Jerena ombam-pandinihana feno fisainana fatratra: Banjino ny sarin'i Kristy mihantona eo amin'ny hazo fijaliana. Ahitsio
banjino:jereo [banjina] : jereo, itodiho. oh : aza variana miondrika intsony fa banjino amin'izay ny ho avinao anaka! Ahitsio
Bankirompitra: na Bankiroty a.: Olona tapi-pananana na olona tsy nahaloa trosa ka namidy ny fananany rehetra. Ahitsio
Bankiroty: p. t.: (Jer, Bankirompitra). Ahitsio
Banky: p. t.: Enti-milaza olona tsy manana na inona na inona intsony noho ny fahavoazana nihatra taminy. (Jan Bankirompitra, bankiroty). ¶ M. h.: Foan-tanana, man-fa ny fananana, lany fatotra amam-pondrana, tsy am-bariraiventy, kisoa bory rambo, tsy kitay tsy vary maina, tsy filo tsy fihatsaka, tsy kibay tsy fively, mangadihady toy ny vilany nahandroam-patsa. Ahitsio
Banky: a.: Trano fitehirizambola izay ametrahan'ny olona vola, isamboram-bola misy antoka, miraharaha ny fifamoivoizan'ny vola, ary manonta vola koa aza indraindray. Ahitsio
Bantina: (banty) mt. ih. (bantio): Haratsina, hamavoina, esoina. Ahitsio
Bantsilana: a.: Karazan-kazo. Vaky bantsilana: Amin'ny fotoana amonian'ny bantsilana. 1 H. o.: Miseho miharihary ny nafenina. ¶ M. h.: Vaky am-batolampy, vaky barara, vaky betroka. Ahitsio
Banty: a.: Fanaratsiana, fanamavoana, fanesoana. - t.i.f: Bantina, voabanty 1 manabanty, fanabanty, mpanabanty / anabantiana, fanabantiana. Ahitsio
Banty: a.: Teny tsy fampiasa afa-tsy raha miaraka amin'ny Any: Any banty, any banty any: Any lavitra any, any andakira. Ahitsio
Banty: a.: Angelivavy. ¶ M. h.: Kabatritra. Ahitsio
Bao: a.: Tahon-drofia izay ma-teinta ampiasaina hitondrana entana an-tsoroka, izany hoe hilanjana azy. Ahitsio
Baobaba: (fr. baobab) a.: Hazo makadiry indrindra eto Madagasikara, fahita amin'ny faritra andrefana sy avaratra andrefana; fohifohy fa be vatana ny baobaba, fa mahatratra hatramin'ny 20 m ny faribolana manodidina ny vatany. Ahitsio
Baodika: Baodibaodika a.: (jar. Bodika). Ahitsio
Baolina: a.: Hoditra na fingotra boribory nosesehana rivotra ao anatiny ka ilalaovana ifampitorahana na dakana: Milalao baolina, mandaka baolina. a F.-p.: Baolina boribory: Karazana baolina fanaovana kitra ka tsy fandray tanana fa ny dakan-tongotra ihany. / Baolina lavalava: karazana baolina fampiasa rehefa baolina entin-tanana no atao. 1 Izay rehetra miendri-javatra boribory: Mofo baolina: mofo boribory ohatra ny totohondry atao amin'ny lafarinina ka endasina tsy atao be menaka. / Hena baolina: toton-kena boribory kely nasiana tavin-kjsoa sy tongolo na dipoavatra ka endasina atao mendimendy tsara. Ahitsio