Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dihy: a. : Toetran'ny fanidin' ny vorona eny amin'ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany. Ahitsio
Dika: ft. : Enti-milaza fihoarana; tsy fanarahan-dalàna; fakàna tahaka soratra; fanovaria tenim-pirenena iray ho amin'ny teny hafa. - t.i.f. : Dikaina, adika / mandika, fandika, mpandika / andikana, fandikana / midika / mahadika. ? F.-p, : Dika soratra : Famerenana na fakana tahaka soratra ao anaty boky na eny amin'ny solaitrabe. / Di-ka teny : fandikan-teny : Sarotra ny manao dika teny. / Dikan-teny : teny namadihana teny hafa : Ataoko fa diso io dikan-teny io. / Manao dika uilana : mandika teny tsy araka ny tokony ho izy. / Tsy misy dikany : tsy misy antony, tsy misy fotony. Ahitsio
Dikaina: (dika) mt.ih. (dikao) : Ihoarana avy eo ambony : Dia tsy ho hainao dikaina ve io tatatra io F ? Seranana na salovanana eo anoloana na eo ambony : Aza dikainao it? dadatoanao, anaka. ? Andalovana fotsiny, tsy raharahaina : Loza fa nodikainao ny lehibenao, hadinonao angaha ny hoe : aza manao rano dihain-jinga F ? Nodinganina, navela fa hadino : Andalana tala no nodikain'ny mpanoratra amin'ny milina. ? Tsy narahina : Nodikainao ny lalàna ha hofaizina ianao. Ahitsio
Dikatra: ft. : Enti-milaza fanaovana zavatra tsy ara-pilaharana fa mandingandingana etsY sy eroa. - t.i.f. : Mandikatra, fandikatra, mpandikatra / andikarana, fandikarana I midikatra, fidikatra. Ahitsio
Dikisionera: (fr. dictionnaire) a. : Boky ahitana ny teny rehetra ao amin'ny fiteny iray, voalahatra araka ny fisesin' ny abidy ka misy fanazavana azy ireo tsirairay avy, na ny dikany amin'ny fiteny hafa; rakibolana : Ramino no nanao dikisionera malagasymalagasy voalohany. / Dikisionera malagasy-frantsay. / Mijere dikisionera raha misy teny tsy fantatrao. Ahitsio
Dikitra: p.t. : Sosotra, tsy faly, tezitra. i ai f. : Mahadikitra. Ahitsio
Diky: a. : Fivalanana, tay : Dikin-tsoaualy. Ahitsio
Diky: Dikidiky a. : Hasosorana. - t.i.f. : Madiky, mahadiky, mahadikidikY. Ahitsio
Dilana: a. : Lempona na keoka eo afovoany ; faritra kely na manify noho ny eo akaikiny mifampitohy aminy. - t.i.f. : Dilanina, adilana / mandilana, fandilana, mpandilana / andilanana, fandilanana / madilana, andilana, hadilanana. - F,-p. : Mitsako dilana : manao fihetsehan'ny vava toa mitsako nefa tsy mihinana na inona na inona. Ahitsio
Dilanina: (dilana) mt.ih. (dilano) : Etena, fintinina eo afovoany. Ahitsio
Dilatra: ft. : Enti-milaza fandalovan-javatra mahakasika kely. - t.i.f. : Mandilatra. Ahitsio
Dilatra: a. : Vovo-tany maivana entin'ny rano amin'ny renirano ka mandry eny ho eny, manarona sy mahalonaka ny tany : Tany dilatra. Ahitsio
Dilo: ft. : Enti-milaza fangintsingintsinana amin'ny nify na ny sofina noho ny zavamarikivy nohanina na feonjavatra mikiaka sy mikarantsana henon'ny sofina. * : Madilo / mahadilo, mankadilo, mampahadilo. Ahitsio
Diloilo: (fr. de l'huile) a. : Menaka avy amin'ny zavamaniry : Ny mena-boanio dia a-tao koa hoe diloilo coco. Ahitsio
Dilorina: (dilotra) mt.ih. (dilory) : Kosehina, kitrohina, ampifampikasohina : Rehefa manasa io tavy io ianao, di-tory tsara mba ho afaka ny loto. Ahitsio
Dilotra: a. : Feo re avy amin' ny fifampikasohan'ny zavatra roa samy mafy; feo midridroka, na mikarantsana noho ny fikasohana. * t.i.f. : Dilorina, adilotra, voadilotra / mandilotra, fandilotra, mpandilotra / andilorana, fandilorana / midilotra, fidilotra, mpidilotra / idilorana, fidilorana. Ahitsio
Dimatika: a. : Bibikely iray tarika amin'ny dilata, izay hita any an'ala, eny amin'ny hazo na eny amin'ny ahitra, ary manao fandehan'ny olimpanjehy ; dintanala. Ahitsio
Dimba: (Ski) p.t. : Enti-milaza ny tandrok'omby, raha tsy mitovy fandry izy roa. Ahitsio
Dimbana: p.t. : Tsy mitovy tantana, tsy milahatra mahitsy ka misy avo sy iva; ilazana ny tandroka izay ny iray miakatra, ny iray midina : Dimbana ny tandrok'it9 omby it?. ? Misy banga ka tsy mitovy tantana, misy nifinifiny : Dimbana ny lelan'iny antsy iny ha tsy mahadidy tsara. - t.i.f. : Voadimbana / mandimbana, fandimbana, mpandimbana / andimbanana, fandimbanana / mahadimbana. Ahitsio
Dimbasana: na Diasana (dimbY) mt.ih (dimbaso na diaso) : Soloana toerana : Sarotra dimbasana ny olona tahaka an'ireny. Ahitsio