Dodoka | : | p. t. : Maika, tery, na maimay ; tsy manam-potoana betsaka azo ivalamparana. ¶ M. h. : Dodona.
Ahitsio |
Dodona | : | p. t. : Maika fatratra, maimay te-hanao zavatra na hiteny eo no ho eo na handeha avy hatrany : Dodona ers) Rakoto handeha hody. ~ H. i. : Rototra, mafana fo : Tsy dodona akory izy nilazako izany. - t.i.f. : Dodonana, voadodona 1 mandodona, fandodona, mPandodona I andodonana, fandodonana 1 mahadodona.
Ahitsio |
Dodonana | : | (dodona) mt. ih. (dodony) : Asaina mandeha haingana : Dodony izy fa ha-riva ny andro. ~ Terena, po-ratina : Tsy navelako fa nododonako mba handoa ny volako ilay Rangahy.
Ahitsio |
Dodoria | : | a. : I1azan'ny foko sasany ny ady totohondry. ? P. t. na p. mt. : Haingana dia haingana, tsy misy fiatoana, maika dia maika : Tsy nisy fotoana nisakafoana akory fa tsy maintsy nouitaina dodo-ria ilay asa.
Ahitsio |
Dodosina | : | mt, th, tsy manaradalàna, avy amin'ny Dodododododo: Hafainganina, atao haingana dia haingana. ¶ M, h. : Dodosina, korododosina, korododosana, korodoboina, mehina, rodorodoina, ezakezahina, laizina, rotorotoina, ketsaketsaina, baibaizina.
Ahitsio |
Dofa | : | p. t. : Vaventy sy bolangina, mifatrofatro, dobarabe.
Ahitsio |
Dofahana | : | (dofaka) mt. pdr. (dofahy) : Enti-milaza dy zavatra rarahana (vovoka).
Ahitsio |
Dofaka | : | ft. : Enti-milaza setroka na vovoka mipololotra miakatra na fofona manetona lavitra. 1 t.if. : Dofahana 1 manadofaka, fanadofaka, mpanadofaka 1 anadofahana,fanadofahana 1 midofaka, fidofaka, mpidofaka 1 idofahana, fidofahana.
Ahitsio |
Dofitra | : | ft. : Eti-milaza fidonana amin-javatra, fiantraika na fipokan'ny zavatra roa, saingy ny iray manatona fa ny iray donina tsy mihontsina eo am-pitoerana fotsiny, na ny iray mandona mievotra fotsiny nony midona amin'ilay iray hafa. - t.i.f. : Adofitra, voadofitra, tafadofitra / midofitra, fidofitra.
Ahitsio |
Dofodofotra | : | p. t. : Ilazana ny zaza dongadonga na ny zavamaniry midoroboka maitso sy midokadoka.
Ahitsio |
Dofoka | : | p. t. : Donto loha na dombo. • N. o. : Ilazana koa ny votsa saina.
Ahitsio |
Dofotra | : | p. t. : Fonetana sady makadiry.
Ahitsio |
Dogaga | : | ft. : Enti-milaza fiandrasana, fitalanjonana.
Ahitsio |
Dogaga | : | ft. : Enti-milaza fiandrasana, fitalanjonana. - t.i.f. : Adogaga, tafadogaga / midogaga, fidogaga, mpidogaga / idogagana, fidogagana / mahadogaga.
Ahitsio |
Dohadoha | : | : Jer. Doadoa.
Ahitsio |
Dohàka | : | p.t. : Enti-milaza feo mangoboka sy mitrena. - t.i.f. : Adohàka / midohàka, fidohàka, mpidohàka / idohàfana, fidohàfana.
Ahitsio |
Dohaka | : | p.t. : Mpirehaka, mpirehareha ho manao izao sy izao. - t.i.f. : Midohaka, fidohaka, mpidohaka / idohafana, fidohafana.
Ahitsio |
Doka | : | a. : Karazan-javamaneno miendrika tehina vita amin' ny volotsangana, saingy olona iray ihany no mitondra azy, dia ny lehilahy mpitarika ny dihy amin'ny lanonan-dehibe toy ny famadihana : atontona anin'ny tany lzy mba hidoboka ary asiana korintsana eo an-tendrony.
Ahitsio |
Doka | : | a. : Fandoahana na fandavahana vato iray mba hahazoana manapoaka azy. i t.i.f. : Dokana, voadoka / mandoka na manadoka, fanadoka, mpanadoka / andokana, fandokana / mahadoka.
Ahitsio |
Doka | : | a. : Fanindrahindrana olona amin'ny fiderana azy; robo, fiderana olona, izay kendrena hamalifaliana azy, indraindray omban'ny fanantenana hahazo soa avy aminy : Tia doka loatra io mpitondra io ka manjary fatra-pisolelaka ny olona entiny. i t.i, f. : Dokafana, voadoka / mandoka, fandoka, mpandoka / andokafana,fandokafana / midoka, fidoka, mpidoka / idokafana, fidokafana.
Ahitsio |