Endrika | : | a. : Ny fandehan'nY taxehy, ny tokotanin-tarehy : Mitovy endrika amindreniny io zazavavy io. ? Ny fisehoana ivelany : Mamitaka ny endri-javatra matetika. ? Ny bika : Tsara endrika ny tranonay any ambanivohitra. - t.i.f. ' Endrehina / manendrika / fanendxehana 1 miendrika, fiendxika / mifanendrika / mendrika / hamendrehana. - F.-p, Fohy endrika; lava endrika : fohy tarehy; lava tarehy. / Manana endrika : tsara tarehy. / Manome endrika : mahatonga ho tsara tarehy. / Sadasada manana endrika enti-milaza zavatra tsy dia manahoana nefa mba misy maha-tsaratsara kely azy ihany; matetika io fombam-Pitenenana io dia lazaina aorian'ny hoe vangavanga manan-tsoratra.
Ahitsio |
Endrikendrehina | : | (endrikendriha) mt.ih. (endrikendreho) : Lazaina ho nanao ratsY tsy natao, hosoran-dratsy, tombotombohina.
Ahitsio |
Endrikendrika | : | a. : Filazana ho nataon' ny hafa ny ratsy tsy ntaony ; fanosoran-dratsY a min'izaY tsy natao. ¶ M.h, : Hoso-dratsY, hoso-potaka, tombotomboka. - t.i.f. : Endrikendrehina, voaendxikendrikal manendrikendrika, fanendrikendrika, mpanendrikendrika / anendrikendrehana, fanendrikendrehana.
Ahitsio |
Endrina | : | a. : Karazana varika lehibe (Jar. Varika, Simpona, Babakoto, AiaY na MakY, Gidxo, Amboanala).
Ahitsio |
Endrinendrina | : | p.t. : Mitahontahona, adaladala, tsy amPiampy saina, donendrinendrina. - t.i.f. : Aendxinendrina/miendrinendrina, fiendrinendrina, mpiendrinendrina / iendxinendrenana, fiendrinendrenana.
Ahitsio |
Endrisy | : | t.-p. : Fiovan'ny Indrisy.
Ahitsio |
Endry | : | a. Karazam-borona mitovy amin'ny fanindry (Bu teo brachyp taras).
Ahitsio |
Endry | : | (Br na Ats.) a. : Reny.
Ahitsio |
Endy | : | a. : Fandrahoan-kanina maina tsy misy rano fa asiana menaka : Tsara endy ve ny hena, rankizy? - t.i.f. : Endasina,voaendy I manendy, fanendy, mpanen. dy 1 anendasana, fanendasana ) mahendy 1 mendy. a F,-p, : Endin'anglisy : Anaram-bosotra omena ny vo- anjombazaha. / Endy vara-ka : enti-m?laza zavatra nendasina maimaika, faingana.
Ahitsio |
Enemina | : | (enina) mt.ih. (enemo) : Zaraina eriin8 : Enemo ital hena ital.
Ahitsio |
Enga | : | t.p. : Entina hanehoana ny faniriana ao am-po; ny Enga dia arahin'ny teny hoe anie, arY ny matoanteny milaza ny ho avy no atao eo aorianany mandrakariva : Enga anie ho afaka izy !
Ahitsio |
Engade | : | Angade! t.-p. : Fandre lazain' ny ankizy raha misy namanY manao zavatra tsy fampiseho masoandro, ka sady horahinY ilay izy amin' izay no tondroinY mba hahamenatra azy.
Ahitsio |
Enina | : | p.t. : Mahazo ny anjara sahaza ny tena : Enin-kaja izahay, tompoko, amin'izao fandraisana ataonareo izao ka misaotra indrindra.
Ahitsio |
Enina | : | p.i. : Dimy ampiana i- ray : Enim-bolana ny tapa-tao na. - t.i.f• : Enemina / mienina 1 fahenina / inenina / tsieninenina 1 maninenina / faninenina / ampaheniny I henemana.
Ahitsio |
Enjehina | : | (enjika) mt.ih. (enjeho) : Arahina : Nenjehiko moramora avy aoriana ry zalahy. ? Tratrarina an-kazakazaka avy aoriana : Nenjehin' ny polisy ilay mpangalatra ka azony ihany nony afaka folo minitra. ? Asiana an-kolaka na mivantana : Tay fantatro izay ratsy nataoko fa enjehin'ny namako aho. ? Ampijalijalina, trandrahina hatraiza hatraiza Nenjehina aoka izany ny mpikambana anisan' ny VVS.
Ahitsio |
Enjika | : | a. : Fanarahana avy aoriana mba hanatratrarana : Enjika papelika. - t.i.f. : Enjehina, voaenjika / manenjika, fanenjika, mpanenjika / anenjehana, fanenjehana / mienjika, fienjika, mpienjika 1 ienjehana, fienjehana.
Ahitsio |
Enjina | : | ft. : Enti-milaza fihetsik' olona mamomamo na varivarin' ny toaka. - t.i.f. : Mienjina, fienjina / enjinenjina / mienjinenjina.
Ahitsio |
Enjinenjina | : | a. : Fiandranandran'ny olona marna, misavoamboana na entanim-piavonavonana.
Ahitsio |
Entana | : | a. : Zavatra entina amin'ny tanna : Mitondra entana mavesatra izy fa ampio. ? Ireo zavatra tsy misaraka amin' ny tena raha mivahiny na mifindra transi (akanjo, firakofana, fanaka...) : Aza hadinoina ny entanareo rehefa mivoaka ny fiaran-dalamby. ? Izay amidy ao ampivarotana (matetika anefa amin'ity hevitra ity, ampiana ny teny hoe Varotra): Aza kasikasihina na entako, ny entam-barotro, raha tsy hividy ianao. ? H. o. : Ohana miankina amin' ny tena ka velomina sy iadidiana : Entana ho azy tokoa ireo iray tam-po amin'ny vadiny mipetraka ao aminy. ¶ M.h. : Loloha. ? Ny faty entina halevina lavitra : Napetraka tao an'efitra madio ny entana raha vao tonga. ? Fehezan-javatra atao indray mi-tondra : Kitay tala entana (atao koa hoe anentana). - t.i.f. : Entanina, voaentana / manentana, fanentana, mpanentana / anentanana, fanentanana / mientana, fientana, mpientana / ientanana, fientanana. - F,-p.: Anentana: am-pehezana: Ataovy anentany dimy ireo mololo ireo, / Manao entan'olo-malaina (na entan'ny malaina) • enti-milaza olona mitondra entana maro indray mandeha mba tsy hiverimberenany, ka misy simba na vaky ireo entana ireo. / Manentan-tay ritra : (a.b.t. : mibdta vary na laoka ao am-bilany mbola tsy masaka na ritra) : manao zavatra maimaika. / Mitondra entana My voafehy : manao zavatra am-pirotorotoana, tsy ampitandremana.
Ahitsio |
Entanina | : | (entana) mt. ih. (entano): Aingaina, bataina: Noentaniny mbola tsy ritra ny vary. ? h.o,: Hetsehina tampotampoka: Entanin-kafaliana ny foko. / Noentanin'ny hambompo izy ka nahauita zavatra tsy nampoizina.
Ahitsio |