Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hafainganina: (faingana) mt. ih (hafaingano): Atao tonga na vita haingana. Ahitsio
Hafaitra: (faitra) a: Hangidy. Ahitsio
Hafaladia: p.mk: Hatreo amin' ny faladia no halaliny (fer, Ha). Ahitsio
Hafana: (fana) a.: Toetran'ny zavatra mafana: Arakaraka ny hafanan'ny andro no tokony hanaovana akanjo maiuana Ahitsio
Hafanana: (fana) a.: Firehidrehitra, fangotrakotraka: Ny hafanan'ny afo no mahamasaka ny nahandro. •Fanevokevoka, figaingaina: Milet tsy ho tanty ny hafanàn'ny andro amin'ny aty fahavaratra. Ahitsio
Hafanana: tsy anerany. 1 Fahavorlam-bahoaka betsaka misy lanonana malaza. - t.i.f.: Mangetrika, mangetriketrika / manetriketrika, fanetriketrika / angetriketrehana, anetriketrehana, fangetriketrehana, fanetriketrehana. Ahitsio
Hafaraka: a: Toetran'ny zavatra mafaraka, mampangagaka ny tenda. Ahitsio
Hafarana: (hafatra) mt, ih. (hafaro): Omena raharaha, ampiandraiketina asa, anankinana zavatra: Nohafaran'i Neny aho mba hijer(iery tsara ny trano. ~ Asaina tonga: Hafaro izy fa marary reniny. * Vidina any lavitra ka asaina alefa: Satroka sy lamba no hohafarako any Antananarioo. Ahitsio
Hafarana: ahafatra, voahafatra 1 manafatra, fanafatra, mpanafatra 1 anafarana, fanafarana 1 mahafatra i hafatrafatra. - F,-p. :Hafa-baua:teny nampitondraina am-bava, fa tsy nisy taratasy na zavatra hafa ho porofo. I Fara hafatra: teny atao alohan'ny hisaraka. I Mitelin-kafatra: manadino izay nolazaina taminy nanafarana azy. / Vato namelan-kafatra: entf-milaza ireo olona mahatana tsy miova izay teny napetraka taminy, I Tangen-tsara hafatra: tangena tsy nanao afa-tsy ny rariny ka nnameloka ny diso. Ahitsio
Hafatra: a.: Teny apetraka amin'olona iray mba hampitainy amin'ny olon-kafa iray: Lasa nitondra hafatra izy. ~ Torohevitra, didy, teny apetraka: Izao no hafatr' i Dada tamiko talohan'ny handehanany. Ahitsio
Hafeno: Hafenoana, Fahafenoana (feno) a.: Toetran'ny zavatra (rano na voa) betsaka ka tonga hatramin'ny moron'ny toerana misy azy:Ny hafenoan'ny ro no nahatonga azy hitobaka. Matetika koa anefa ny hafenoana dia entl-milaza ny zavatra misy ny rano na ny voa izay tonga hatreny amin'ny molony: Ny hafenoan'ny tsangambaoa no nahatonga ny ro hitobaka. ~ H.o.: Habetsahana (fihetseham-po): Mila tsy ho tanako ny sandriko hamely anao noho ny hafenoan'ny foko. * F,-p,: Noho ny hafenoandrano be loatra: fialan-tsiny ataon'ny mana-manjo tsy afaka nampandre ny havana aman-tsakaiza rehetra noho ny ranomaso na alahelo be loatra tsy nahafahana nikarakara izany. Ahitsio
Hafetsena: (fetsy) a.: Fahaizana, hakingana. * F,-p.: An-kafetsena: amimpahakingana. Ahitsio
Hafina: (hafy) mt. ih. (hafio): Iaretana: Hafio ny hatsiaka, anaka,fa tsy manana afa-tsy ireo lamba ireo isika. Ahitsio
Hafina: a.: Karazan-kazo fianakavian'ny rofia sy ny ravinala, izay fihinana ny fakany. Ahitsio
Hafinaretana: Fahafinaretana (finaritra) a.: Hafaliana: A-kory ny hafinaretako namaky ny taratasinareo, ry Dada sy Neny. ? Hasambarana, fahasambarana, fahatretrehana: Ao anatin'ny fifankatiavana ihany no misy ny hafinaretana Ahitsio
Hafiriana: p.mt,: Enti-manontany ny isan'ny andro naharetan'ny zavatra na asa iray: Hafiriana no nipetrahanareo tany Toamasina? Ahitsio
Hafitoana: (fito) p.mt.: Mandritra ny fito andro: Naharitra hafitoana ilay orana tamin'ny tapa-bolana. ? a.: Halavam-potoana fito andro: Rehefa afaka ny hafitoana hiuerina izahay. Ahitsio
Hafitra: a.: Jer. Hafotra. Ahitsio
Hafohezana: (fohy) a: Toetran' ny zavatra fohy: Tsy afaka hiresaka be aho noho ny hafohezan'ny fotoana Ahitsio
Hafohezina: (fohy) mt. ih, (hafohezo): Atao fohifohy kokoa, hakelezina ny halavany: Hafohezo araka izay azo a-tao ny teninao. Ahitsio