Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hembahemba: a.: Fihofahofana (fiteny amin'ny saina mikopakopaka indrindra). • Fambaran'aretina. i tif: Hembahembaina, ahembahemba, voahembahemba I manembahemba I anembahembana, fanembahembana j fihemba. Ahitsio
Hembahembaina: (hembahemba) mtih. (hembahembao): Hetsiketsehina mba hihofahofa. Ahitsio
Hembitra: a.: Fiantsambotra, fiontanan'ny vatana na ny saina, fahatairana. - t.i.f: tafahembitra / mihembitra, fihembitra, mpihembitra. Ahitsio
Hemo: ft.: Mitovy hevitra amin' ny Hemotra. 1 tif: Manemo I fanemoana. Ahitsio
Hemorina: (hemotra) mt.ih. (hemory): Ampanalavitina, akisaka miaoriana: Hemory ny sezanao. Ahitsio
Hemoroida: (fr. hémorroide) a: Aretina atao koa hoe "mivoaka tsinaim-body", a vy amin'ny fivontosan'ny vena amin'ny tapany farany amin'ny tsinay ka manomboka amin'ny hidihidy, na ao anaty na eo ivelany, ary misy ra mandeha; kitso. Ahitsio
Hemotra: ft.: Tsy fandrosoana fa fandehanana miverina, fitambotsorana. - t.i.f.: Hemorina, ahemotra, voahemotra, tafahemotra I manemotra, fanemotra, mpanemotra I anemorana, fanemorana / mihernotra, fihemotra, mpihemotra I ihemorana, fihemorana I mahahemotra / hemotremotra. Ahitsio
Hempa: Hempahempa p. t.: Mihetsiketsika, misavilivily. i t.i.f.: Mihempahempa, fihempahempa I ihempahempana, fihempahemp ana. Ahitsio
Hempona: a.: Jer. Emponempona. Ahitsio
Hena: ft.: Fihakelezana, fihavitsiana isa raha ampitahaina amin'ny teo aloha. I t. L f : Ahana, voahena, tafahena j mihena, fihena, mpihena / ihenàna, fihenàna I mahahena I henkena. Ahitsio
Hena: a. Nofom-biby efa maty: Mora ny henan-kisoa androany. • h.i.: Fery. - t.i.f.: Henahena 1 mangena hena, fangenahena 1 mihena velona. - F.-p.: Hena am-bifotsy: ha-na voavoatra tehirizina ambifotsy mba tsy ho simba J Hena ratsy, henam-paty: ila zana ny hena nozaraina tamin'ny mpandevina. / Hena ritra: hena noritina ka tsy misy rano intsony fa menaka sisa. /Hena vao: hena tsy nialina andro, ary ilazana koa ny hena raisina aorian'ny fandroana. /Hena varanga: flazana ny henam-pandroana notehirizina tamin'ny mena-ka nahandroana azy ka naharitra tamin'ny fandroana manaraka. J Nofon-kena mitam-pihavanana: Jer. Havana. /Hena velona aho nandre izany: (ny hena vao noraisina dia mihararetra kely): enti-milaza fa nangovitra iray ihany ny tena nandre izany. * Ohab.: Faran'ny omby hena: enti-milaza fa misy faxa ny ny zava-drehetra. J Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro : ilazana ny fisehoanjavatra izay mamohafoha ny fotoana teo aloha; zavatra kely mampahatsiahy ny lasa, na soa izany na ratsy. J Mitomany hena momba famaky: milaza fahihirana tafahoatra ka malahelo nony mahita poti-kena bitika kely manaraka ny famaky nikapana. J Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana: entina mandatsa ireo mpirobaroba tsy mahay mitsitsy ka mipitrapitra nony farany. J Tolokena maty jiro, ka vintana no andrasana: enti-milaza ny toe-javatra izay ny anjara tokana ihany no mety hahazoana na tsy hahazoana. Teny misy ifandraisany: atidohan-kena, atin-kena, fanangana, hofaka, ilikena, jabora, sabora, lela, lemy (leminy) lohomby, losony, mananety, masontanteliny, matomperiny, matom-perin-kisoa, mosavfnkena, roroha, soroka, taovany, tratra, trafo, traingo, tehezana, tsinainkena, vain-droroho, vavony, voankena, vodihena, vorivorinkena. Ahitsio
Henahena: a.: Tsy fetezana hiala eo amin'ny toerana misy ny tena; tsy fetezana hanao na handeha fa mitokona; fidongiana na fikiribibiana. - t.i.f: Henahenaina, ahenahena, voahenahena, tafahenahena / manenahena, fanenahena, mpanenahena I mihenahena, fihenahena, mpihenahena I ihenahenana , fihenahenana, mahahenahena. Ahitsio
Henahenaina: (henahena) mt. ih. (henahenao): Enti-milaza ny zavatra lavina, ikiribibiana. Ahitsio
Henamaso: a.: Fahatahorana izay holazain'ny olona momba ny tena: Tokony tsy ho resin-kenamaso fa izay efa voalanjalanjan'ny tena ka hi-ta fa tsara no hatao. • Haja, fanajana:Ny henamasoko andrainao no tsy nivoahako ny trano teo no ho eo. * F.-p.: Manao an-kenamaso: manao tsy fidiny, manao tsy an-tsitrapo. J Matin-kenamaso: resin'ny henamaso ka manao zavatra tsy tiana na tsy tokony hatao akory. /Mizara henamaso: minia mandefitra ary mampiseho fanajana noho ny fihavanana, fa tsy miziriziry manampatra ny zo ananana. J Tsy mizara henamaso: tsy mahay mana ja, tsy miraharaha izay fihavanana fa manararaotra tsy misy indrafo raha vao misy hadisoana kely ataon'ny ha-fa. J Tsy izaran'ny olona henamaso: tsy mahamenatra ny olona, tsy hajain'ny olona. * Ohab.: Ny henamaso ombalahy: ny ombalahy dia voalaza ho masiaka sy manoto ka zary matahotra azy ny olona: enti-manala tsiny ny olona resin-kenamaso eo anoloan'ny mahery noho izy, na enti-milaza ny herin'ny henamaso eo amin'ny olombelona J Matin-kenamaso ka homam-barim-boka: enti-milaza olona apanaikinaiky foana noho ny henatra, na dia zava-dratsy aza no atolotra azy. Ahitsio
Henarana: (henatra) mt ih. (henaro): Enti-milaza ny olona izay mahamenatra noho ny fanajana be loatra ananana aminy: Ny reniny no henaran'Ikoto noho ny rainy. Ahitsio
Henatra: a.: Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra : Henatr'olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan'ny olona. ? Fahatsiarovana ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran'ny fokonolona nangalatra teo an-tsena. • Fahafaham-baraka: Henatra ho an'ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny, • Fanajana be loatra amin'ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy. * F.-p.: Henatra iombonana: ilazana fahafaham-baraka mahazo ny fianakaviana ka heverina ho mihatra amin' ireo havana rehetra. j Henatry ny razana: enti-milaza ny mahantra fadiranovana ao amin'ny fianakaviana, izay toy ny henatry ny razana ka tokony hampian'ny havana rehetra. J Saro-kenatra: mora menatra, mivoara-mena vetivety raha vao misy resaka na teny momba azy. J Takonkenatra: enti-milaza ny varavaran-tapaka natao mba tsy hivantanan'ny mason'ny olona amin'ny ao an-trano; ilazana koa ny fitafiana silany kely tsy mahasarona afa-tsy izay faritry ny tena mahamenatra. * Ohab:Ny handrina no tsy naniry volo: ny henatra (Jer. Handrina). Ahitsio
Hendrahendra: a.: Jer. Hendratra. Ahitsio
Hendratina: (hendratra) mt.ih. (hendrato): Ampientanina. Ahitsio
Hendratra: p. t: Taitra ka mitraka tampoka ny loha, mientana, miantsambotra: Hendratra izy nahita ilay hazavana teo ambon y lohany. - t.i.f.: Hendratina, ahendratra, tafahendratra / mihendratra 1 ihendratana, fihendratanalmihahendratra, hendratrendratra I hendratrendrany. Ahitsio
Hendratrendrany: a: Anarana omena ny fonon'ny atidoha. Ahitsio