Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hobaka: p.(.: Poaka aty, nefa lehibe. - t.i.f.: Mangobaka sy mangobakobaka. * F-p.: Fery mangobakobaka: fery be mitanatana/Tenda mangobakobaka: be tan-da, mahery homana. Ahitsio
Hobana: Jer. Kobana. Ahitsio
Hobana: sy Hobankobana a: Fibohiran-javatra toa trafo, fibontsinana. - t.i.f.: Ahobankobana, hobankobanina 1 mihobankobana, fihobankobana / ihobankobanana, fihobankobanana. Ahitsio
Hobina: na Hobena (hoby) mi ih. (hobio, hobeo): Deraina amin'ny antsoantsom-pifaliana: Nohobin'ny uahoaka ireo mpiantafika vao avy nandresy. * Ohab.: Adin'ombaiahin'ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina: Raha misy olona roa na antokon'olona roa tonte samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapanrpana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. Ahitsio
Hobohobo: ft.: Fiafenana, ankifonofono: Varotra an-kobohobo: varo-maizina 6 t.i. f.: Hobohoboina. Ahitsio
Hobohoboina: (hobohobo) mi ih. (hobohoboy): Afenina, a-tao an-kifonofono: Inona io zavatra hobohoboinao anaty lamba io? Ahitsio
Hoboka: p.t.: Foana, tsy misy na inona na inona. - t.i.f.: Mangoboka. - F.-p.: Hoboka aty: foana ny ao anatiny. ¶ M.h.: Hoa ka. / Manao an-koboka: ma nao an-tsokosoko, mangingina. Ahitsio
Hoby: a.: Antsoantsom-piravoana atao ho mari-piderana: Tsy nifandrenesana ny hoby nataon'ny vahoaka ny Filohan'ny Nosy. - t.i.f.: Hobina, hobena, voahoby / mihoby, fihoby, mpihoby 1 ihobiana, ihobena, fihobiana, fihobena 1 mahahoby 1 hobihoby. Ahitsio
Hoda: p. t.: Malemy, bodaka: Vomanga hoda Ahitsio
Hodahoda: a.: Fikodedehana raha miteny; fiakanakanana mahatonga tsy hahatonona tsara izay lazaina, na fiboredehana mahatonga hiteny an-kisesy sarotraraisina. - t.i.f.: Hodahodaina 1 mihodahoda, fihodahoda, mpihodahoda 1 ihodahodana, fihodahodana. Ahitsio
Hodahodaina: (hodahoda) mt. ih. (hodahodaino): Lazaina amin'ny fombamiboredika Ahitsio
Hodaka: Jer. Hotaka. Ahitsio
Hodiatra: (fit-p.) a: Enti-milaza asa ataon'izay mandalo a mfn'ny toerana mihataka la vitra mangingina. - F.-p.: An-kodiadiatra: a amin'ny toerana lavitramangingina. Ahitsio
Hodibalaza: a: Fono na saxon' ny balaza, izany hoe ilay sosony voalohany amin'ny hoditra et? ivelany mandrakotra ny balaza; manify izy io ary moramihofakofaka, nefa mora maniry koa. Ahitsio
Hodidina: a.: Ny sisiny mamaritra na mamefy zavatra iray. i t.i.f : Hodidinina, ahodidina, voahodidina, tafahodidina / manodidina, fanodidina, mpanodidina I anodidinana, fanodidinana / mihodidina, fihodidina, mpihodidina 1 ihodidinana, fihodidinana / mahahodidina / hodidindidina. Ahitsio
Hodidinina: (hodidina) mt.ih. (hodidino): Misy... mamaritra ny sisiny hatraiza hatraiza: Hodidinin'ny hazo ny tanànanay. 1 Fefena, sokeraina: Hodidinin'ny fahavalo ny tanàna ka aoka isika hiomana tsara, ? Otronina: Nohodidinin'ny minisitra ny Filohan'ny Nosy teo anoloan' ny lapan'ny tanàna. Ahitsio
Hodina: a: Fiverenana eo amin'ny toerana ihany mankany ivoho; fitodihan'ny 10-ha mankany aoriana na ao an-daniny; fitsimbadihana rehefa mikorisa, ka ny ambany tonga ambony ary dia mifandimby hatrany toy izany. 1 t.i.f.: Ahodina, voahodina, tafahodina / manodina, fanodlna, mpanodina / anodinana, fanodinana / mihodina, fihodina, mpihodina 1 ihodinana, fihodinana / mahahodina / hodinkodina, Ahitsio
Hodipotsy: a.: Pentimpentina fotsifotsy amin'ny tarehy. Ahitsio
Hodirina: (hoditra) mt. ih. (hodiro): Alana ny hoditra aminy: Hodiro io omby io. * h. o.: Tsara volon-koditra (entimi?aza olona). Ahitsio
Hoditra: a.: Ny fonony ivelany amin'ny tenan-javamananaina (olombelona, biby) na zavamaniry: Miuoaka amin'ny mason-koditra ny hatsembohana. / Volouoloina ny hodipaiso. 1 Ilazana ny volon'ny tenan'ny olombelona koa. - t.i.f.: Hodirina / manodi• tra, fanoditra, mpanoditra 1 anodirana, fanodicana / mihoditra / mahahoditra I hoditroditra. - F.-p.: Amboadia mitafy hodi-janak'ondry: entina milaza olona fatra-pihatsaravelatsihy lozan-tany. / Fanavakauaham-bolon-koditra: entina milaza fiangarana noho tsy fitovian'ny volon-koditra. / Hodi-potsy: aretina mahazo ny hoditra, izay manjary toy ny anakandroana. / Hodi-maso: ilay hoditra mahazo mikatona sy mivoha manarona ny maso. I Hodi-toho: fahamaintisan'ny hoditra amin'ny faritra kely amin'ny tena. / Mamy hoditra: tiam-bahoaka. / Manao hodi-tsirany sy hodi-peny: enti-milaza olona miangatra (samy hoditra tokony tsy hisy hafa ireo — ny sirana sy ny fe ka tsy azo avahana ho tsy maharary raha amin'ny iray, fa manaintaina kosa amin'ny ilany faharoa). / Mangidy hoditra: olon-doza sy efa nahavita ratsy tamin' ny mpiara-belona ka tsy tian' ny olona mainty. / Manolokoditra: enti-milaza fitafiana anatiny indrindra ka mikasika ny hoditra. I Maniry ma-nitra ohatra ny alika miambozon-koditra: entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. / Mari-koditra: ilazana ny olona mangatsiaka ka mangovingovitra hila hanavy. /,Mby ankoditra: enti-milaza loza na fahasahiranana mahazo ny tena ka tsy azo akifika. J Mihorona ny hodi-doha: mahatsiaro tahotra amin'ny zavatra iray ahina hihatra amin' ny tena ka toa mikainkona ny hodi-doha. / Tandra vadin-koditra: enti-milaza zavatra tsy azo sarahina fa miaraka mandra-pahafaty. / Mihodi-bola: mivolom-bolamena, nefa somary mavo antitra. Ahitsio