Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kaina: a sady p. t.: Olona mitofezaka noho ny fahiazana. Ahitsio
Kainkaina: p. t.: Karakaina, mai-na dia maina. Ahitsio
Kainkana: p.t.: Enti-milaza ny ankizy mahia sy hozatina. Ahitsio
Kainkona: a.: Fifintinana, fiforetana, fivonkonana. i tif: Akainkona, voakainkona, tafakainkona / manakainkona, fanakainkona, mpanakainkona / anakainkonana, fanakainkonana / mikainkona, fikainkona / ikainkonana, fikainkonana / mahakainkona / kainkonkainkona. Ahitsio
Kaitso: Jar. Kamaitso. Ahitsio
Kajakaja: (Ski) a: Masom-by na mason-tady amin'ny sisin' ny lay izay itanana azy amin' ny salazan'ny botry na ny sambo. Ahitsio
Kajakaja: a: Fikarakarana, fikolokoloana feno fitandremana. ii t,i.f•: Kajakajaina, voakaiakaja, kinajakaja / mikajakaja, manakajakaja, fikajakaja, mpikajakaja / ilrajakajana, fikajakajana / mahakajakaja. Ahitsio
Kajakajaina: (kajakaja) mt. ih. (kajakajao): Karakaraina, ahina, raharahaina, kolokoloina feno fitandremana: Kajakajao tsara ny fanakareo, rankizy, fa nandaniana vola be ireny. Ahitsio
Kajina: (kajy) mt. ih, (kajio): Tandremana, kolokoloina: Kajio tsara ny fihavanana, rankizy! 1 Kalina: Kajiny aoka izany ny sorany rehefa manoratra izy. Ahitsio
Kajomanta: (Skl) a: Hazo maranitra atao solon-defona;vy mirantsana efatra misy zarany fitorahana hazandrano. Ahitsio
Kajy: a.: Tandrina, kolokolo, kaly. 1 ti.f.: Kajina, voakaiy, kinajy / mikajY, fikajy, mpikajy / ikajiana, fikajiana / mahakajy 1 kajikajy. Ahitsio
Kajy: a: Anarana nomena vao haingana ny marika sy ny asa-marika fa tsy mahalaza kosa ny matematika. Ahitsio
Kaka: a: Zavatra atao anelanelan'ny rafitra hampihizina azy, na tohan-javatra asisika eo ambaniny mba hahamarin-toerana azy: Asio kakany ity latabatra ity fa mitoletsy. ¶ M.h.: Tsikalana. 1 Sombin-kanina kely tafasitrika anelanelan'ny nify. - t.i.f.: Kakàna, akaka, voakaka, kinaka 1 manakaka, fanakaka, mpanakaka 1 anakakana, fanakakana / mikaka, fikaka, mpikaka ! ikakana, fikakana I mahakaka I kakakaka. Ahitsio
Kakabemaso: a.: Karazana lolo lehibe izay misy soratra boribory toy ny maso eo ainsi' ny elany roa. 1 h.i.: Anara - biby izay fanao fampitahorana fotsiny fa toa tsy misy akory. (Misy milaza koa hoe Kakabenify). Ahitsio
Kakàka: a : Fanenon'ny akohovavy rehefa madiva hanatody izy. - t.i.f.: Mikakaka, fikakaka, mpikakaka. Ahitsio
Kakakaka: a.: Fihomehy lava tapatapaka sy mafy heno la-vitra. - t.i.f•: Akakakaka / mikakakaka, fikakakaka, mpikakakaka 1 ikakakakana, fikakakakana / mahakakakaka. Ahitsio
Kakana: (kaka) mt. ih. (kakao): Asiana kakany: Kakao ao ambanin'ny vata. Ahitsio
Kakao: (fr, cacao) a,: Karazankazo mety hahatratra 3-4m ny haavony, izay ahazoana voany antsoina koa hoe kakao. Ireo voa ireo, izay ao anatina voa lehibe, dia totoina ka rehefa afaka ny menaka aminy dia ahazoana vovoka mania mena anaovana ilay zavapisotro fantatra amin'ny anarana hoe kakao. Raha endasina kosa indray ireo voany madinidinika ire o, nefa tsy alana ny menaka ao aminy, ka totoina, dia ahazoana fetafeta mania mena volomparasy izay mihamafy ka anaovana ny sokolà, Ahitsio
Kakasana: mt.ih. (kakaso): (fihasimban'ny hoe kikisana) Haratana atao mangadihady tsy misy volo. Ahitsio
Kakay: a: Lolom-po, hatezerana miotrika: Tsy afaka hanao izany aho fa tonga hananan'ny zoky kakay. Ahitsio