Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kiso: Kisokiso a.: Teny entina miantso ny kisoa. - t.i.f : Kisokisoina, mahakisokiso. Ahitsio
Kisoa: a: Biby karazan'ny lambo, ompian'ny olona noho ny henany izay matsiro sy be taviny. Taloha ny kisoa no-mena ny anarana koa hoe "lambo resy". Ahitsio
Kisohina: (kisoka) mt. ih. (kisohy): Totoina (paraky). Ahitsio
Kisoka: a: Paraky vovony na totom-paraky. 1 t, i.f.: Kisohina, voakisoka, kinisoka / mikisoka, mpikisoka / ikisohana, fikisoharia / mahakisoka / kisokisoka. Ahitsio
Kisokisoina: (kiso) p.t.: Antsoina amin'ny teny hoe kisokiso. Ahitsio
Kisolosolo: Kisolosolya: Toerana somary solampilampy, izany hoe avo ila na mandry soroka kely; tehezan-kavoana mandry soroka kely solampilampy - t.i.f: Kisolosoloina, voakisolosolo / manakisolosolo, fanakisolosolo, mpanakisolosolo lanakisolosoloana,fanaldsolosoloana / mikisolosolo, fikisolosolo, mpildsolosolo / ikisolosoloana, fikisolosoloana 1 mahakisolosolo. Ahitsio
Kisolosoloina: (kisolosolo) mt ih. (kisolosoloy): Atao misolampilampy, mandry soroka. Ahitsio
Kisompa: (Ski) a: Anaran-javamaniry mangidy. • Karazan'antsantsa. Ahitsio
Kisosy: Kisoso a.: Aretinama hatonga ny tena hivoaka voampano, tahaka ny kitrotro na bonibony, rehefa avy voan'ny nendra. Ahitsio
Kisotrisotry: a.: Karazan-kazo fanao amin'ny toakambahahatsara ny tsirony, sy hampahamanimanitra ny fofony. Ahitsio
Kitaka: (Ski) a: Entana misy tsihy fehezina ery amboniny entin'ny vehivavy. Ahitsio
Kitakita: Kitakitaka a.: Famozafozan-javatra; famelivelezana, fandevilevena olona, fanifakifahana misy tenimpahasosorana sy fahatezerana (marihina fa ilay voalohany no matetika ampiasaina): Leon'ny kitakitan'ny mpampiasa izy ka niala - t.i.f•: Kitakitaina, kitakitahina, akitakita, akitakitaka, voaltitakitaka, kinitakita /manitakita, fanitakfta, mpanitakita / manitakitaka,fanitakitaka, mpanitakitaka 1 manakitakita, fanakitakita, mpanakitakita / manakitakitaka, fanakitakitaka, mpanakitakitaka / anitakitana, fanitakitana / anitaldtahana, fanitakitahana / anakitakitana, fanakitakitana / anakita kitahana, fanakitakitahana / mikitakita, fikitakita, mpikitakita / ikitaldtana, fikitakitana 1 mikitakitaka, fikitakitaka, mpikitakitaka / ikitakitahana, fikitakitahana. Ahitsio
Kitakitaina: (kitakita) mt ih. (kitakitao): Fozafozaina, viraviraina: Nokitakitain'Isambilo ny akanjoko, • Velivelezina, levilevena, tsy itondrana roa: Nokitakitain'ny mpampiasa zanakalo izy ka tsy nahapetraka. Ahitsio
Kitambina: (kitamby) mt. ih. (kitambio): Asaina manao kitamby. Ahitsio
Kitamby: a: Lamba ahodidin' ny vehivavy ny valahany; fampiasan'ny olona any a nindran-tany indrindra: Ny kitamby dia hatreo amin'ny valahana ihany, fa ny sikina kosa hatreo ambany helika - t.i.f : Kitambina, akitamby, voakitamby / manakitamby, fanakitamby, mpanakitamby / anakitambiana, fa nakitambiana / mikitamby, fikitamby, mpikitamby 1 ikitambiana, fikitambiana / ma hakitamby. Ahitsio
Kitanotano: a: Karazam-borona madinika. Ahitsio
Kitaotao: a: Karazan-javamaniry misy vodiny fihinana (Dioscorea hexagona Bak). ? Karazam-borona. Ahitsio
Kitapo: a: Lamba na taratasy vita zaitra atao fitondran-javatra: Nisy vola iray kitapo hita tao an-tsenakely. - Fap.: Kitapo miara-peno: fiombonan-kevitra, firaisantetika hangalatra. ¶ M.h.: manao kitapo miara-peno, manao kopaka isasahana, manao parasy mitovy volo, manao talapetraky ny mpiaotra, manao akondro mifa nakon-dravina. Ahitsio
Kitari-daolao: (Btl) a: Hira fanaon'ny tovovavy amin'ny takariva diavolana: mandeha mifampitohitohy maro ny ankizy ka ny tanany havanana itohizany amin'ny eo aloha, ary ny havia amin'ny eo aoriana. Ahitsio
Kitay: a: Hazo na bozaka arehitra ao am-patana hahamasaka ny sakafo: Kitay hazo, kitay bozaka. / Maka kitay. ? F.-p.: Mifako kitay: manangon-kitay. / Fakofako tsy mba kitay: enti-milaza zavatra madinika tsy ahavitan-javatra, tsy azo ianteherana. / Anentan-kitay: fehezan-kitay indray mitondra. * Ohab.: Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay: misy ifandraisany ny fiainan'ny ta nàna na tany samihafa fa ny mitranga amin'ny anankiray misy akony amin'ny anankiray hafa, na koa hoe ny fahombiazan'ny sasany, fahasahiranana ho an'ny hafa. / Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo am-pototry ny mazava: mampijaly tena noho ny fahihirana. / Tanora ratsy fihary: antitra vao ma-ka kitay: izay tsy manao ny hahatsara fivelomana azy ra ha mbola tanora, rehefa an-titra van mijaly na sahirana. Ahitsio