Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manasampotina: (sampotina) mt. p. (manasampotena): Mampisafotofoto, mampisaritaka, mampisangodingo di-na, mampitambolimbolina. Ahitsio
Manasampy: (sampy) mip. (manasampaza): Mametraka zavatra hisavily eny am-bozona. Ahitsio
Manasanasana: (sanasana) mt.p. (manasanasanĂ ): Manokatra be (vava). Ahitsio
Manasangazona: (sangazona) cit. p. : Mamikitra amin'izay voaray. Ahitsio
Manasangerina: (sangerina) mt. p.: Mampandalo dia mamerina indray. ~ Mangorona, mamorimborina (1amba) manodidina ny tena. Ahitsio
Manasangodina: (sangodina) m t p. (manasangodina): Mampihodidina. Ahitsio
Manasaoka: (saoka) mt.p. (manasaoha): Manampy tapadamba amin'ny akanjo mba hanalalahana azy amin'ny faritra sasantsasany: I neny no nanasaoka ny lobako teo amin'ny sorony fa tery loatra. Ahitsio
Manasara: (sara) mip. (manasarĂ ): Man doasarany. Manasaraka (saraka) mip. (manasaraha): Mamaritra ny fisarahana: Ity renirano ity no manasaraka ny Fivondronana anankiroa ~ Mampihataka mba tsyhifamely intsony: Ny mpampianatra no nanasaraka ireo mpianotra roa lahy niady. Ahitsio
Manasarangotra: (sarangotra) mt.p. (manasarangota): Manantona, manasingotra (ny tanana na ny tongotra). Ahitsio
Manasarebaka: (sarebaka) mt.p. (manasarebaha): Mampirefarefa amin'ny tany. Ahitsio
Manasariraka: (sariraka) mt.p. (manasariraha): Manasaritaka, mampisafotofoto. Ahitsio
Manasaritaka: (saritaka) mip. (manasaritaho): Manakorontana, mampisafotofoto. Ahitsio
Manasarotra: (sarotra) mt.p. (manasarĂ´ta): Mahatonga ho sarotra aleha: Ny lavadavaka ireny no manasarotra ny laiana mankaty aminareo. ~ Mahatonga ho manahirana : Monasarotra ny fanaovan-trano ny ranonorana. ~ Mahatonga ho lozabe, kitokitoina: Ny ditran'ny mpianatra no nanasarotra an-dRamose. ~ Mahatonga ho lafo: Ny havandra no nanasarotra ny voaloboka tamin'ity taona Ahitsio
Manasatra: (sasatra) mt.p.: Mamizana: Manasatra ny saina ny fianarana tsy misy fiatoana. ~ Mahasosotra, manelingelina: Asaiuo mangina ireo ankizy mitabataba ireo fa manasatra ahy. Ahitsio
Manasatroka: Manatroka (satroka) mt.p. (manasatroha, manatroha): Manome (zavatra) hatao satroka: Efa nanatroka satroboninahitra fito rantsana voaravaka vatosoa samihafa anao izy (ny ray aman-dreny) dia ianao no toy izao. (Ramboaniaina) Ahitsio
Manasaveravera: na Manaveravera (veravera) mt.p.: Manasariraka (ny akanjo); tsy misampina tsara (ny lamba). Ahitsio
Manasavika: (savika) mip.: Mampisarangotra vahy amin' ny hazo. Ahitsio
Manasavily: (savily) mt.p. (manasauilio): Manakivilivily. ~ Manolaka. Ahitsio
Manasavoana: (savonna) mt.p.: Mandefa hiakatra eny amin' ny habakabaka, manipy ambony: Manasavoana ny sarimpapango. Ahitsio
Manasavoka: (savoka) mt.p.: Manisy, manosotra savoka. Ahitsio