Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manatrosina: (trosina) m i p.: Mandavo na manjera olona hiantoraka any anoloana ka ny lohany no mipoka aloha amin'ny tany. Ahitsio
Manatrotrongy: (trotrongy) mt p.: Mandavo na manosika olona any anolo ana ka mitehika amin'ny tany mihitsy ny lohany. Ahitsio
Manatsabaka: (tsabaka) mt.p.: Mandroboka, manitrika zavatra ao anaty rano. Ahitsio
Manatsahatra: (tsahatra) mt.p. (manatsahara): Mampijanona (ny fampiasa matetika anefa dia ny hoe: "Mampitsahatra"). Ahitsio
Manatsaho: (tsaho) mt. p.: Milaza ka mampiely vaovao tsy mbola azo antoka ny fahamarinany: Misy manatsaho fa fantatra ka hosamborina ilay nanapoaka ny korontana. Ahitsio
Manatsaikona: (tsàikona) mt.p.: Mampanao tsaikona soavaly. Ahitsio
Manatsaitsaika: na Manatsaika (tsaika) mt. p.: Main exit' a mitoto ny vary fanindroany. izany hoe ny vary vao afaka ampombo mahery. Ahitsio
Manatsaka: (tsaka) nit p.: Mandidy, mandentika, manatrobaka amin-java-maranitra ka misy feo manokana heno avy arnin'izany. Ahitsio
Manatsaka: (hatsaka) mt p. (manatsaha): Mampitovy tantana, manitsy amin'ny fanalana ny romoromo aminy, mamarana: Manatsaka taratasy. ¶ M.h.: Mampitovy tantana, mamarana, manaratsaka. Ahitsio
Manatsapaka: (tsapaka) mt.p.: Mandentika zavatra ao anatY... Ahitsio
Manatsara: (tsara) mt.p. (manatsara): Mahatonga ho tsara kokoa: Manatsara ny fahasalamana ny sakafo be otrikaina. ~ Mahatsara: Manatsara ny tarehy marina ve ny lokomena? ~ Manadio, manao ho tsara: Mahagaga fa manatsara ireto mpianatra te Io lahy rnpita buta bu ireto ny mpampianatra azy ireo. Ahitsio
Manatsarapaka: (tsarapaka) m t p.: Manosika, mandatsaka, mandefa ao anaty...; mande-fa hikatroka amin'ny fahavalo. Ahitsio
Manatsararaka: (tsararnka) mt p,: Manao feo mikiririoka no sady farimparina. Ahitsio
Manatsatoka: (tsàtoka) mt.p.: Mandentika (zavatra) hiraikitra tsy ho afaka hihetsika: Manatsatoka famolaina, fantsika. Ahitsio
Manatsatsàka: sy Mitsatsàka (tsatsàka) mt.p. (mantsatsàha, mitsatsàha): Mamotsy tanteraka ny vary totoina: I Bao no nanatsatsàka na nitsatsàka it? uary ity. Ahitsio
Manatsatsiaka: (tsatsiaka) mt. p.: Mandrovitra (zavatra) ka atao heno ny fitriarany. Ahitsio
Manatsatsika: (tsàtsika) mt.p. (manatsatsiha): Mitono hena amin'ny salazam-by na mivantana amin'izao eo ambony afo. Ahitsio
Manatsatso: (tsàtso) mt.p. (ma-na tsatsoa): Mampihena, mampahalefy tsiro ; manamp o-draty. 1 h.o,: Mandefy, mahalefy: Vao mainka nanatsàtso ny lahateniny ireo haingonteny be Ioatra nampiasainy. ~ Manakiana, milaza fa ratsy: Be no nanatsatso ny kabary nataony. Ahitsio
Manatsefaka: (tsefaka) mt.p. (manatsefàha): Mamaky, mampitriatra (fa ny fampiasa matetika dia ny hoe: "mampitsefaka"): Nanatsefaka (nampitsefaka) ny rindrina ilay rambondanitra nandalo anikeheo. Ahitsio
Manatsefotra: (tsefotra) mt.P.: Manapoaka vanja amin'ny olona, mande fa rivotra na rano avy ao anaty zavatra ka mipoaka ny fivoahan'izany rivotra na rano izany. Ahitsio